TAOM-BAOVAO

Nampidirin'i tsikisariaka | 1 Feb, 2010

Arahabaina nahatratra ny volana Febroary indray ô
Mahafinaritra fa miarahaba foana an ! Io Febroary io tokoa hono dia volana voalohany ho an’ny “hafa”, ary midika ho “fidiovana” izy io amin’ny teny latina “februarius”. Taom-baovao any ho any koa izany anio.

Fa ny tena taom-baovaon-tsika Malagasy dia ho avy tsy ho ela : 16 MARTSA 2010.
Toy izao no azo ambara :

-          Averina eto indray aloha fa ny andro ifanitsahan’ny volana sy masoandro ao amin’ny antokon-kintana Alahamady raha tazanina avy ety ambonin’ny tany (avy eto Madagasikara izany). Ary io no manambara ny taom-baovao Malagasy ka hankalazaina indrindra eny AMBOHIMANGA amin’ity taona ity.

 

- Ny Alahady 14 Martsa 2010 amin’ny roa ora sy sasany tolakandro : Fotoam-pivavahana ao amin’ny FJKM Ambohidrabiby ho vavaka fangataham-pitahiana ho an’ny tanindrazana.


- Ny Alatsinainy 15 Martsa 2010 hifoha Talata 16 Martsa 2010 amin’ny 12 ora sy 2 minitra alina. Eny amin’ny vohitra masina no hiainga ny “AFO TSY MATY” amin’ny telo ora.

 

-  - Tohizana amin’ny “Fafirano” sy “Tatao” izany ny marainan’ny 16 Martsa ary manomboka amin’ny folo ora (10 ora) maraina ny fanatanterahana ny lanonana ôfisialy.

 

Lavitra akaiky ilay daty fa dia mba tadidio ihany e ! soraty any amin’ny diary. Dia izao, tsy ananako ny antsimpirihan’ireo fa mpampita ihany koa aho ka tsy manan-kavaly aloha raha misy ny fanontaniana manitikitika.
Mirary soa ary e !

IANAO TALOHA...

Nampidirin'i tsikisariaka | 28 Jan, 2010
Normal 0 21 false false false FR X-NONE X-NONE MicrosoftInternetExplorer4

Miarahaba antsika rehetra amin’izao fahatrarantsika ny taona vaovao 2010. Mbola Janoary isika ary izaho dia tena matokyfa mbola tsy tara ny fiarahabako. Mirary soa e, ho tahian’Andriamanitra avokoa. Isan’ny fomba tena malagasy tokoa izany fifampiarahabana izany ka na volana Jona aza vao mihaona dia mbola injany re ilay feo malagasy hoe « TRATRY NY TAONA E ! », « DIA SAMY HO TRATRY NY HO AVY ». Ny tsipelina tsy iadiako hevitra fa ny fomba tsy ialàna. Sa ahoana ?

Indro ny voan-dàlana kely vao mafana mba hozaraiko aminareo rehetra. Mankafiza am-pitsikiana.

 

IANAO TALOHA...

Ianao taloha tsy nojereko
Ianao taloha toa tsy nekeko
F’ankehitriny kosa toa omeko
‘Zany tsikim-pahareseko

Ianao taloha nankahalaiko
Ianao taloha novazavazaiko
F’ankehitriny kosa ankalazaiko
Hoe mpanoro ahy amin’izay tsy haiko

Ianao taloha notsinoaviko
Ianao taloha tsy notiaviko
F’ankehitriny kosa sy amin’ny ho aviko
Namako mpambomba ahy amin’ny adiko

27.01.10 – 21.45

TSODRANO HO AN'ILAY VAVITOKANY

Nampidirin'i tsikisariaka | 16 Nov, 2009
  Ry Rova kely, ry sombinaiko,
Sahirana ery ho’aho ny saiko
Tojo izao… androm-pifaliana
Hirosoanao am-panambadiana

Mbola tsaroako ny fahizay
Ianao vao nianatra niteny
Nibadabada niantso ahy
Niantsampy tamin’i Neny

Nototoranay fitia
Ilay hany lavitra sahala
Nezahanay mba tsy halia
Saingy iarahana mahalala

Fa misy anjara tsy azo lavina
Misy fo tandrify anao
Ifanoloranao fitiavana
Ka dia tojo amin’izao

Eny anaka, lasa ianao
Ny foko injao mamelovelo
Ataoko ahoana ny hinia
Tsy haneho ny alahelo ? (….)

Ry vavitokana tsy foiko
Hikopak’elatra handeha
Sitrako ary koa inoako
Fa ianao… ho rehareha

Ka hamelo-maso hatrany
Ny anaran-dray sy reny
Tsy hadinonao na dia any
Ireo anatra… sy teny

Hoentinao hikolokolo
Ilay tokantrano vao
Hampitsiky, hamelom-bolo
An’i Andry vadinao

Efa nekenay handray anao
Sy irinay mba hampateza
Izay ho fifaliam-ponao
Ry Rova Mialy Zo Maneva

Be ny vetsom-po tsy tàna
Fifaliana arahin-tsento
Fa mahery ny tso-drano
Atolotray manomboka eto

Mahaleova, mahalasàna
Ry sombinaina mamy indrindra
Maharena tokantrano
Be fitia sy tsara rindra

Thina 23.07.09

 

Nodimandry izay namana izay....

Nampidirin'i tsikisariaka | 26 Okt, 2009
 
NILAOZANY…  

“Tsy vitan’ny nilaozanao teto an-tany fandalovana
‘Zany foko mitoreo, toran’ireo fahatsiarovana
Tonga teto mihitsy aho fa ianao hono efa lasana
Nizotra niankandrefana any ‘ndeha hamonjy ‘zato fasana”  

Izany sisa vetsovetso naverimberiko tan-tsaina
Tsy afa-nitomany akory, tao am-po no nitaraina
Hoe miangatra ny lanitra, misompatra e itony tany
Dia nindaosiny mandrakizay nentiny any lavitra any  

Ilay niarahana nitafa, ilay namana tsy foy
Ilay zokibe mpanambitamby, mpanoro làlana mpivoy
Irony lakan-tsikitsiky, laroim-bazo tsy hita fetra
Foana izany ankehitrio, tsiaro sisa izay rehetra…

Thina A.
(Antanimena, 14.10.09)

ASARAMANITRA : taombaovao malagasy 2009

Nampidirin'i tsikisariaka | 26 Mar, 2009

Arahaba nahatratra ny Asaramanitra ry Gasy havako rehetra manerana ny tany. Ho tahian-Janahary anie isika ka hahomby amin'izay atao ary hioty vokatra tena zina. Halavirin-drofy sy ny ratsy rehetra fa hitavana ny soa tsy àry voatanisa !
Tsy hadinoko ny hirary ny soa ho an'ny tanindrazako, harotsaky ny Tompo aminy anie ny Fahasoavany indrindra ny fiadanana ka ho zary fandriam-pahalemana ho an'ity Gasikarako izay mandia fotoan-tsarotra ankehitriny izany ary ahatanteraka ilay andalana farany amin'ny hiram-pirenena hoe : "e sambatra tokoa izahay "
Raha ny tso-drano malagasy dia tsy ho vitako ny hamerina azy fa izay no hany vetsom-po voarafitro sy takatry ny saiko fa dia samia soa re e !

1 2 3 4 5 6 7 8 9  Manaraka»