SARO-TIA

Nampidirin'i tsikisariaka | 31 Okt, 2007

Saro-piaro satria tia, tia ka lasa saro-piaro :

SARO-TIA

Herivaikan’ny fitia
No atoraky ny masonao
Toa mipitrapitra ery
Nefa mibedy tsotr’izao

Dia nanatona aho kinanjo
Lamosinao no sisa tazako
Nenjehiko ihany an’anjoanjo
Nandosiranao ny tavako

Sarianao mangaringarika
Mody mihodina dia dify
Fangalam-piery toa misarika
Fitia dorehitra sy fify

Dia jereko ianao midongy
Miezaka mandefa tsiky
Dia avy eo milongilongy
Mitsapatsapa heriziky

Fa tahotrao ny fahatezerako
Ka ny masonao no inty nanitsy
Nanafatra an’ilay fijeriko
Ka dia takatro mihitsy

Fa… tsikaritrao ny didina ahy
Mampiresaka tsy miato
Te-hitroatra ianao tsy sahy
Nefa… te-hitora-bato

Saro-piaro kay ilay havako
Fa tsy te-hamosaka ady
Ampy ho anao re ny fitiavako
Sa tsy izay ilay tamin’ny voady ?

Dia… toneo ny fo, sombinaiko
Alamino ny sainao
Ny miavona tsy haiko
K’aza omenao tsiny aho

Fa maro ireny, tsy haiko… zovy?
Jeren’ny masoko fa tsy hitako
Ka izao no teniko, tsarovy
Mampijaly anao : tsy sitrako

Ny ato am-poko fantatrao
Rehefa tia aho, tena tia
Tsy misy haiko afa-tsy ianao
No malalako ho doria 

(31.10.07 – 23.29)

Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article