Amin'ny firy ary izao ?

Nampidirin'i tsikisariaka | 27 Feb, 2008

Vanim-potoanan'ny rivo-doza toy izao ary nitovitovy tamin'ny nafitsok'i Ivan iny ilay izy. Tamin'ny taona 2004 no niseho ny tantara.
Avy be ny orana. Nifofofofo mafy mihitsy ny rivotra ary efa nampilazaina mialoha rahateo moa ny teto Iarivo fa loza mihatra ny anjarany. Tsy nisy niasa sy nianatra tamin'izany fotoana izany. Tsy tsaroako hoe nandritra ny roa sa telo andro izy izay. Tapaka ny herin'aratra. Rehefa avy niteniteny ny radio dia tapaka koa na dia efa nividy pile aza aho andefasana ilay radio kely. Nony avy nisakafo sy niresadresaka teo izahay dia nohidiana ny trano ary dia natory. Dia resin-tory koa aho rehefa avy nampatory ny ankizy. Tena natory. [Ingahirainy tamin'io namita asa tany amin'ny faritany]

Nony afaka ora efatra tany ho any (angamba) dia tafafoha aho. Tony ny any ivelany. Tsy re intsony ny ora-mijojo. Nangingina koa ny rivotra izay nampandihy ny tafo sy ny hazo rehetra tany rehetra tany. Nojereko ireto ankizy... tena mbola anaty nofy. Somambisamby ny tara-pahazavana tazako eo anelanelan-kazon'ny varavaran-kely. Nijery famataranandro aho... "Amin'ny firy ary izao?" - Amin'ny 5ora sy 30mn ny tamin'ilay famataranandro kely fanao an-tànana. Nokapokapohako ilay izy fa hoy aho an'eritreritro "maty indray ity, shhhh". Dia lasa aho nijery ilay famataranandro be tao amin'ny efitrano ilany... "@ 5.30", "shhhh, maty daholo ny famataranandro..., fa naninona ary ?" (tratry ny cyclone hatrato koa ?)...

Tsy tadidiko raha nandrehitra radio aho na tsia....

Tapaka ny hevitro fa handeha hivoaka ny trano aho. Ohatry ny hoe handeha hanontany "lera" ? Tsy lera mantsy no tena notadiaviko fa hoe ....... "MARAINA SA HARIVA ARY IZAO ?". Nanao mafana tsara aho dia nohidiko tsara avy any ivelany ny trano dia lasa aho.

Diniho tsara fa rehefa ratsy ny andro, tsy ampy ny hazavana voajanahary ka hila hitovitovy mihitsy ny amin'ny 5.30 am sy 5.30 pm - Ny tao an-tsaiko dia manisa olona eny an-dalam-be ka raha vao bebe ny olona mandehandeha sy hoe raha misimisy ny mpivarotra mivoha amin'io fotoana io dia hariva ny andro. Ny mifanohitra amin'izay dia maraina izany. Ny tranonay moa midina ambaratonga faharoa miohatra amin'ny arabe. Niakatra ny totohabato izay aho ka rehefa vitako ny ambaratonga ambany misy ny tanananay dia efa tazana ny trano ery am-pitan'ny arabe... sekoly roa (ny voalohany an'ny fanjakana, ny faharoa an'ny tsy miankina) rava tafo no mitsena ny maso. Izany no tena hoe sola ! Ny hazo taminy aza nitsingidina tety ambany koa. Nandeha tao an-dohako tao daholo ny "Andriamanitro ô..." sns. Mbola nisy ihany kay ny rivotra tany ivelany tany. Soa ihany fa nanao akanjo maro sy matevina aho raha tsy izany dia zakan'ny rivotra tokoa. Olona iray no hany mba nifanena tamiko tao anaty totohatra.

Nony tonga teo amin'ny arabe aho dia variana fa voaravaky ny vato, tapa-kazo ary vangongom-pasika ny làlana. Zara raha nisy fiara nandalo. Olona nandeha an-tongotra roa na telo ihany koa no tazako teny. "MARAINA SA HARIVA ARY IZAO ?" Mbola tsy nivaly ilay fanontaniana.

Niampita aho ary mbola mitsofoka lalan-kely indray vao tonga any amin'ny ivon-tanàna misy ireo tsena sy ahitana olona betsaka. Indreny tokoa fa nitombo isa ny olona tazako na dia tsy betsaka aza. Samy mifonofono amin'ny akanjo mafana avokoa. Misaron-doha toa ahy koa...  Eny am-pita no misy ireo mpivarotra enta-madinika isan-karazany.... Mandrehitra labozia daholo ry zareo.... "AMIN'NY FIRY ARY IZAO?"... tsy sahy nanontany aho satria tsy izay loatra no tiako ho fantatra. Ny olona tsy betsaka ohatry ny isanandro... amin'izaho rehefa miantsena hariva. Ary ny maraina ? F'angaha moa izaho mpivoaka maraina be ? Dia tsy haiko izany !

Hany heriko dia nandany fotoana kely mihitsy aloha aho hijereko ny fizotry ny andro na miha-mazava na miha-maizina. Nividividy vatsy aho... (labozia, afokasoka, tsaramaso, paty zôna, biski......). Ny nahagaga koa dia tsy nahita olom-pantatra nifanatsafana aho. Soa ihany koa e ! naleoko izaho ihany no mahita ny marina ho ahy.

Nony ela ny ela dia..... HARIVA NY ANDRO ! nihamaizina tsinona. Nandeha nody malaky aho sao dia tena ho maizina tokoa ny ao an-tohatra ka ny olon-dratsy indray no hifanenàna tao. Sady sao mifoha koa ny ankizy ka ho gaga tsy hahita ahy ao. 

Nivaly ihany ny fanontaniako, ningonongonona tany an-tsaiko tany aho fa hay tamin'ny 5.30 pm ilay izy. Nony tao an-trano aho, mbola natory izy ireo. Nojereko avokoa ireo famatarandro nolazaiko teny ambony fa nihodina tsara...

Hay izaho mihitsy no tratry ny tamberin'andro. Rehefa avy eo mantsy vao tena hatory sy hanonofy ao anatin'ny alina.


10 Hevitra & 0 Verindrohy (trackback) amin\'ny "Amin'ny firy ary izao ?"

  1. aty lou atonadro zao e
    ny repereko ny ahy de ny anoanana lol

    Nampidirin'i sazykely 27 Feb 2008, 11:55
  2. Hi hi - sao mbola nanofy koa i tsikisariaka nivoaka ny trano aza, lol.

    Ary angaha tsy nanan-kevitra hijery hoe aiza ny masoandro ? sa moa tsy tazana izy iny rehefa ratsy izany ny andro ?

    Nampidirin'i pissoa 27 Feb 2008, 12:57
  3. sao tanaty nofy daholo tokoa izany fa i tsikisariaka tsy nivoaka ny trano akory, mateti-pitranga mihitsy izay, hihihi
    Tsy nofy ririnina toa ny an'i pissoa izany fa nofy rivodoza :-P

    Nampidirin'i ikalamako 27 Feb 2008, 13:06
  4. tena t@ gafilo sy elita izany fotoana izany e! gidraka be ko iny an! fa rehefa tafatory atoandro tokoa anie tena tsy mahalala izay andro maraina sy hariva e! Nampidirin'i news2dago 27 Feb 2008, 15:18
  5. nga tsy nijery montre alohan'ny hatory? :)

    Nampidirin'i simplex 27 Feb 2008, 19:58
  6. Oay ! ho tantaraiko tantara nahazo ahy sahala amin'io ianareo. Tantaran'ny fianana tao Frantsa tao.
    Aleo ami'nny manaraka fa maika kely aho io.

    Izay Tsikisariaka a

    Nampidirin'i DadaRabe 27 Feb 2008, 23:15
  7. Misaotra daholo e !
    Fa tena tantara marina io ary TSY NOFY VELIVELY.
    ikalamako> tena nivoaka ny trano mihitsy aho ka ! dia ireo no zava-nisy.
    simplex > ilay izy nge tsy hoe tsy nijery montre e ! fa natory be loatra dia nifoha tanatin'ny somambisamby. Dia very eo hoe hariva sa maraina ?

    Io na dia ny ankizy matory aza dia manana io tsy fahafantarana io rehefa mifoha, izany hoe tsy hainy intsony hoe amin'ny firy. Na hoe efa nisakafo moa isika ???? Resaka fanadinoana rehefa resin-tory loatra...

    Nampidirin'i Tsikisariaka 28 Feb 2008, 11:06
  8. TAMBERIN'ANDRO no filazako azy e ! ny aza mba voany ihany. Izy tsy gravy fa mampieritreritra ary indraindray tena mampihomehy araka ny fiteny ankehitrio

    Nampidirin'i Tsiks 28 Feb 2008, 11:08
  9. Tratran'ny tamberin'andro izany i Tsikisariaka.
    Ianao no namorona ilay teny sa efa nisy ?

    Nampidirin'i DadaRabe 29 Feb 2008, 14:42
  10. Tsy haiko na efa nisy na tsia fa izay no filazako azy e ! Misy ny tamberin-tany, ny tamberin'ny tsiaro sns... Porofoy hoe raha izaho no namorona dia hapetrako an'ny amin'ny biraon'ny zon'ny mpamorona e !

    Nampidirin'i Tsikisariaka 29 Feb 2008, 14:57
Hampiditra hevitra









 authimage