AKON’NY TAOM-BAOVAO MALAGASY

Nampidirin'i tsikisariaka | 19 Apr, 2008
Tamin’ny 6 aprily 2008 no nankalazaina teny Alasora ny Taom-baovao Malagasy.

Nisy ny afo tsy maty ny alin’iny izany hoe ny faha-5 ny aprily izay nentina ihany koa nanetanana sy nanamarihana ny afon’ny soatoavina Malagasy tsy maty aom-pon’ny Malagasy.

Niavaka araka ny maha-andro fety azy ny fitafy sy firandran’ny vehivavy raha singanina. Ny sakafo dia vary amin-dronono tondrahan-tantely. Amin’ilay fomba tena Malagasy e !

Tsiahivina fa ny taom-baovao Malagasy dia mifanitsy indrindra amin’ny asara izany hoe fiakaran’ny vokatra, fiafaran’ny mosary ary izany dia natambatra tamin’ny fijerena ny volana izay voambara fa nifanitsy tamin’ny masoandro eo amin’ny antokon-kintana alahamady. Noho ny maha-alahamady manokana azy dia izay no iantsoana io andro ALAHAMADIBE. Ireo vahiny manna-kaja nasaina ka tonga dia nitondra salohim-bary avokoa ho fanamarihana ny asaramanitra.

Efa miezaka moa ireo fikambanana samihafa toy ny Trano Koltoraly mba hampahafantarana ity vanim-potoana lehibe mendrika hajaina sy omena hasina ity. Tamin’ity dia nahitana ny solon-tena avy ao amin’ny Ministeran’ny Kolon-tsaina sy ireo Masoivohon’ny firenen-kafa toy ny American.
 

BANGA IRAY NY KINTAN’NY GASY

Nampidirin'i tsikisariaka | 15 Apr, 2008
Lavo ilay andrarezina, hoy ny Ntaolo. Very ny kintana iray, hoy ny Tarika nisy azy. Torotoro  ny fon’ny Malagasy rehetra fa tsy ny Artista ihany. Ary na ireo vahiny eto an-toerana sy any am-pita aza dia tsy vitsy no nahalala an’i Romule (ROMULE RABARIVOLA). Ontsa tanteraka ny tena e ! tsy manan-kambara loatra.

“IZAHO KOSA ANEFA NAHATSAPA TAMIN’IZAY FA IZAY NO FANDAHARANA”

Vao tsy ela anefa fa tamin’ny faraparan’ny taona 2007 no noraisina ho Mpikambana tao amin’ny Havatsa Upem izy na dia efa mpiara-dia tamin’ny Fikambanana aza. Inoana sy antenaina anefa fa tsy hijanona hatreo ny lazany teo amin’ny sehatry ny kanto fa tsy maintsy hisy any aoriana any ny tsiaro ho azy, famelomana sy fanolokoloan’ny Fikambanana ny sangan’asany fa izy kosa : handry am-piadanana anie !
 Mirary fiononana feno hoan’izay mahatsapa ny fahoriana noho izao nandaozan’i Romule izao indrindra ny ankohonany.

Ho Mbarakaly - Mandram-pihaona elaela e !

Nampidirin'i tsikisariaka | 10 Apr, 2008

Mbarakaly a raha ! (fomba fiarahabana any amin'ny faritr'i Mananjary any izany ary rehefa ela tsy nihaona vao manao izany fa raha toa akakikaiky ny tsy fifankahitana dia "akory lahaly" ihany).

Izaho indray dia hiteny hoe : "ho mbarakaly si vao hifanepaka sy hikorana e !". Tsy misy aingam-panahy mielina mihitsy fa feno ny fo... tsy nahaefa nanoratra tononkalo mihitsy... tsy ho eo kely aloha fa dia hanao mandram-pihaona. Ho elaela mihitsy, ho mbarakaly.

Koa mirary soa ho an'ny rehetra e ! samy ho tahian'Andriamanitra dia hitohy anie ny fifandraisana. Hiezaka hisava blaogy aho rehefa misy irika.

 

 

TAPÔLAKA e !

Nampidirin'i tsikisariaka | 2 Apr, 2008
Raikitra àry fa ho avy ny ngezalahy amin’ny mozika ! avy any France ny lehilahy ary hanao fampisehoana anankiroa govana be :

Ny voalohany dia amin’ny Alahady 20 Aprily 2008 eny Antsonjombe
Ny faharoa kosa dia amin’ny Zoma 25 Aprily 2008 ao amin’ny Palais des Sports

Isaorana ny Media Consulting izay mikarakara izany lanonana izany izay ahitan-tsika ny Tarika Rossy manontolo (au grand complet !).
Entanina kosa isika tsy an-kanavaka izay tia fety indrindra fa ireo izay nahatsapa ny fahabangana navelan’ny Tarika Rossy hatrizay. Tongava hitapôlaka e !

Indro aloha santionany nalaina tao amin’ilay rakin-kira misy sary “Ino vaovao”, ankafizo àry ilay “TSAIKY TIAKO”- Rossy.