Ny fahiniko ve ? Ary ny anao ?
Nampidirin'i tsikisariaka | 7 Feb, 2008
Hisentoako ny fahiniko 
Ka angamba tsy hotsiniko
Raha zaraiko eto androany
Izany vetsom-poko izany
???????????????????????
Hisentoako ny fahiniko 
Ka angamba tsy hotsiniko
Raha zaraiko eto androany
Izany vetsom-poko izany
???????????????????????
Io misy toerana iray dia asaina izay rehetra mahalala io toerana io mba hametraka hevitra e ! Izaho ry reto sambany vao nahay nampiditra sary ka tena mbola tsy lafatra ilay izy fa dia.... io izy.
Nampidirin'i tsikisariaka 07 Feb 2008, 13:08Misaotra sahady.
Oay, misaotra an'ikalamako nampianatra ahy nampiditra ny sary e ! dia izy no iriko hiditra voalohany mba hivetso... alefa akia a !
Nampidirin'i tsikisariaka 07 Feb 2008, 13:10Eny Analakely, akaikin'ny Rabearivelo, ve io sa aiza? :)
Nampidirin'i simp 07 Feb 2008, 13:54Na tsy fahiny aza dia tadidiko :-p
Hihihi.. nahatsiaro tampoka ny karaoke aho nahita an'ilay izy. Nilay fa misaotra e.
Nampidirin'i Hery 07 Feb 2008, 14:15kii ikalamako lasa fahatelo fa voasongona.
Nampidirin'i ikalamako 07 Feb 2008, 14:38Tanànanay e, nanaovana jobily anay tao, tsy maika ho eny amin'ny anjerimanontolo izahay tao fa naleo namerina kilasy foana, nisy mpiaro tamin'ny fingitrihina manko tamin'izany dia nefa tsy taiza fa teo ambavahady ihany, tsss. Nilaozana nihinana akondro sy pain achard-n' Pauline sinoa ary nitantara blagy ho any Tamatavy !
Eny e fahiny izany,
fahiny mamy.
Misaotra o !
kay, tao koa ny nahazoako ajektifa tamin'ny prof toy ny petite espiègle, bavarde, dissipée sy ny hoe tu peux réussir si tu veux,...ary nampihivingin-doha ny profs amin'ny conseil des classes rehefa tonga eo amin'ny anjarako (hoy ny SG manao PV :-P) fa "izy mahay fa manadala ny manodidina azy fotsiny". Poussy !!! lehibe aho izao tsy toy ny tamin'ireny taona ireny, hihihi
Nampidirin'i ikalamako 07 Feb 2008, 14:55Tena mba nalahelo aho r'ikalamako, fa taiza it... no voasongona ? aza taitra ianareo fa ghetto anay sy ry ikalamako io e !
iKALAMAKO > ekena e ! tiako be ireo tsiahy ataonao ireo an ! izay tokoa ! ary ilay meneur de monome tamin'ny prébac 1983 ???? iza moa ?... ISIKA ROA !!! hi hi hi. Zaza alika hoy i Bebe tao Ambohidahy izay ! k'aiza ko, ny deba tao an-tsekoly aza miaiky !!!!
Fa satriko sy sitrako ireny e ! Soa fa nosarahin'ny vintana teny Ankatso sinon... may ny tanety.
Hery > eka ozy ! tena mahatsiaro an'ilay karaoke tokoa aho. Alefaso ny sary fa ny anay tsy nety tsara ilay tao anatiny e !
Simp > voalazanao - sary vao haingana io fa mitahiry kosa ny "fahiniko" !!!
Dia iza koa ? mba tantarao e !
Nampidirin'i Tsikisariaka 07 Feb 2008, 15:07njiiii
Mba fahiniko koa re tao a : na de fahiny taty aoriandriana kely aza hihihi.
Tadidiko tsara le mila mifanitsa-kitro rehefa andeha hianatra. Tandremana sao mahavoahitsaka ny voninkazo amidin'olona, na koa voatabia. Voninkazo mantsy no tandrifin'i RABE t@'zany.
Ary hay ve ka efa t@ taona 80 io lasary teo ampita io e hehehe.
Izay niray andiany taminay moa dia mahay tsara an'ireto anarambosotry ny mpampianatra ireto :
ra-Osy
rakotoza fy
Saka-be
Hitler (adolf)
raTavantsoavaly
Iketa-doza
hihihi
Mba lazao raha misy mahalala an'ireo ianareo mpitsidika e. Fomban'ny ankizy tokoa io mametraka anarambositra io ka ataoko fa tsy tsininay koa angamba :-).
Tadidiko koa le fombanay : refa kamo hanao gymn eny Mamasina de mankao @ infirmerie. Refa tara dia manoratra an'ilay excuse mahazatra : tara fifohazana, nisy ambotaiz, tsis bus, sns hehehe
Nampidirin'i Tokinao 07 Feb 2008, 20:11Fahinin-jandriko vavy koa tao ry zareo a!
Nampidirin'i Lalasoa 07 Feb 2008, 20:46Samia mamisavisa ny fahiny izany ko! Ny anay tany Mahajanga! Mahajanga ve, fantatro, fantatraoooo!
iketadoza ve tsy prof de malagasy ry tokinao ? toa efa reko izay anarana izay ! Tamin'ny andronay ry aplati au pole sy ry maizina antoandro. Hay ve i tokinao zaza navela avy tao koa !
Nampidirin'i ikalamako 07 Feb 2008, 22:45Mahafinaritra ny mahatsiaro ny fahiny. Hono ho'aho ? ao amin'ny Rabearivelo ve io ?
NANKAIZA HIANAO RY LASA
Nankaiza hianao ry lasa, nankaiza no antsoina
Nefa ako iray malemy no sisa mba mamaly sy manoina?
.....Manoina sy mitondra ny hiranay omaly
Efa zary sentosento, mifangaro ranomaso.
Ranomaso tsy mivoaka, mamonto ny aty fo !
O ry lasa, ô ry lasa mba andraso:Henoy ny manjo !
O ! Ny hiranay fahiny, sambo feno voninkazo,
Nampamerovero saina, nanamanitra ny dia ...Dia halazo ?
Hery feno namakiana ny onjan-drano izay naria,Toky sady niankinana ary koa mba nantenaina
Fa hampita hatraminao, ry helo-dranom-pifaliana,
Ry anton'aina,Izay tsy iza fa hianao, ry malala sady tiana.
Izao anefa ka ho rendrika, eny re ! arendrikao ...
Ny hiranay, ny hiranay, mbola injao miraondraonaao am-poko ao !Miraondraona ka ho reko toy ny hira iray misaona
Sy miventy faharesena, ô ry vintana tsy hita
Izay mandavo dia manindry ny malemy noho hianao,Tsy tafita
Fa miankohoka sy rendrika ao anaty lalina ao !Tsy mba misy izay mosara mba manatitra, tsy misy
Sentosento iray akory mba arahinao tomany
Ka indrisy !
Miherikeri-tsamy irery eto ambavan-tsesitany !
Miherikerika mihaino izany fiditry ny rano
Ato anaty lakan-doaka voatendry mba hanafoana
Ny mba hany tokim-po azo tamim-belirano
Tsy tsaroana !
O ! dia foinao, ry lasa ! ô ry lasa, izay antsoina
Nefa mianjona mandeha, mihomehy sy tsy mamaly,
Tsy manoina ....
O ry lasa, rehareha sady tokin'ny omaly,
Nefa tonga sentosento sady tonga ranomaso !
Miantso anao ny indray nihira, miantso anao amim-po.
Mitalaho sy mitaraina !
Miantso anao ka mba andraso :Ka toneo ny manjo !
J. J. RABEARIVELO (Lova)
Nampidirin'i DadaRabe 08 Feb 2008, 02:48Tokinao > zay mihitsy e ! Hay mbola nisy tsena tamin'ny ianao tao ? Miandrina tokoa rehefa mandeha. Za tamin'ireny lasa nanana namana mpivarotra mihitsy dia omen-jareo voatabia ataoko saosy hariva amin'ny vary fa za mantsy mpifidy laoka ka sao dia anana na trondro na voatavo indray no nataon'i Mama.
Iketa-doza no mba fantatro, fantatray, mety ho fantatro koa Ra-Hitler fa tsy tadidiko ngamba
Ié, ireo excuses reo nataoko koa ! fa izao reny tsy valable tsony ko !
Lalasoa > Mbô anontanio izy dia tantarao eto re ny fahininy tao e ! Fa ny Mahajanga fantatro hoe any izy izay, vacances mahafinaritra no mba nataoko tany... ny hafanany no hany tsaroako, tsy tantiko e !
DdRb > eny tokotrany e ! ao amin'ny RABE io. Ao aminareo? hi hi.. sanatria tao koa ngaha ny havana ?
Nampidirin'i Tsikisariaka 08 Feb 2008, 07:45Misaotra amin'ilay tononkalon'ny tompony e ! Singaniko ny hoe "Nefa ako iray malemy no sisa mba mamaly sy manoina?
.....Manoina sy mitondra ny hiranay omaly
Efa zary sentosento, mifangaro ranomaso."
Fa mamy ny tsiaro e !
tena mampatsiaro zavatra maro io ry tsikisariaka.
Nampidirin'i maintikely 10 Feb 2008, 10:00Tao za no nanala cepe. Izay no tsaroiko voalohany indrindra. Dia betsaka ny fahatsiarovana teo @io toerana io fa aleo tsy tantaraina :D
Fa maninona ry Maintikely ? Izay anie no nisarihako ny hevitra amin'ity e ! mba mizara tsiaro ka ! izay azo tantaraina !!! Itony koa no fomba iray hikarohana na hihaonana amin'ireo namana fahiny, miandry ny sasany mihitsy aho io... Ny anareo aza izany hoe CEPE ko ! hafa koa iny. Mbô tantarao moa e !
Nampidirin'i Tsikisariaka 11 Feb 2008, 10:26Zay fotsiny ve ? Dia firy isan-jato kely ve no manana tsiaro sy tamberina LJJR e ?...
Nampidirin'i Tsiks 13 Feb 2008, 16:00Mahafinaritra ny lasa rehefa tsarovana.
TSy tao amin'ny Rabe aho no nianatra kah !
Niantra tao ihany aho fa tapakandro ihany tamin'ny mbola kely. Saingy tsaroako ilay tapakandro. NIsy namana iray izay niara-nilalao fusée taratasy tamiko. Tsy fantatro na aiza na aiza izao izay namana izay!
Fiainana daholo izany !
Nampidirin'i DadaRabe 13 Feb 2008, 17:16... Tohiny [lasan'ny spam ilay teo dia vao nojonoina tany !!!]
Nampidirin'i Tsikisariaka 14 Feb 2008, 15:47Izahay hoy aho t@ 1981-1985 no tao amin'ny LJJR dia ireto misy namana hitanay tao (tsy voatery mpiray kilasy) :
Badoda - Elia - José - Harrys - Rivo - Ireny kilasy zokiny daholo... Tao koa ry Ra-socks - Valonjaka - Ninah - Fanja - Thina - Rondro - Fanja kely -
Hiondrika kely aho hahatsiaro fa tao koa itompokolahy Ny Aina (maty tany La Réunion izy : Dr) - Dia tao koa ny mpandalo tsy mpianatra tao akory : Ry Bebey de LSNT - Ramano - Parfait (ity moa nianatra tao?..) sns sns
[jereo fa ny TOHINY no lasa aloha fa kamo aho nanjono] Ny tsiaro dia mahafianaritra tokoa e ! ny tamberina koa anefa tena mahavelom-bolo.
Nampidirin'i Tsiks 14 Feb 2008, 15:47DdRb > Fa...Tsy azoko ilay hoe tapakandro fotsiny ! oviana àry izy izany sy ny hoe taiza tsara izany ? -- Mbola any izay namanao izay ka ! raha tianao dia misy namantsika mahay mitady izay ato (...)... Mbola hitohy....
Ilay voaloham-bokatro io e ! Mandia ny taonako tamin'izaho tao amin'ny LJJR izy io !
Nampidirin'i tsikisariaka 14 Feb 2008, 16:10