Tsy tamy irery ny loza

Nampidirin'i tsikisariaka | 3 Mar, 2008

Betsaka ny loza mitranga ankehitriny : rivotra, halatra, vonoan'olona sns... Indraindray dia misy ny loza mifampisarika ka mampifanesy azy ireny. Ndeha anie hotantaraiko aminareo ity zava-nitranga ity e !

Tamin'ny Sabotsy 23 Fabroary 2008 alina dia nandalovan'ny mpangalatra ny trano iray teny Ambatofotsy avaradrano ary dia foana ny lakozia, lasa avokoa izay fitaovana zakany tao. Ny tompon-trano anefa tamin'io matory ao amin'ny efitra mifanila amin'ny lakozia tsy nandre izay ambonin'ny tany. Nony tafafoha vao vaka sy ana ry zareo fa nafoy tao anatin'ny indray mipi-maso ny fananana. Nandeha teo ny fankaherezana sy ny finiavana hitràka teo anoloan'izany. Ry zareo koa mbola tanora afaka hihary soa aman-tsara. Mila ezaka kely dia tafaverina eo izay mety ho azo.

Tonga ny Alakamisy manaraka (28.02.08) an'iny dia tera-bao Ramatoa. Somebiseby ny iray trano, ny vahiny tsy maintsy ho raisina amin'ny fomba mihaja sy feno fitiavana, ny tena vao eo no novizan'ny ratsy fanahy. Dia atao ahoana fa dia natao hatrany ny ezaka fa mba fifaliana ity tonga, fahasoavana ity nitranga ka dia velom-pifaliana sy tsiky ny mpianakavy rehetra.

Ny ampitson'iny, zoma 29.02.08, nisy ny fanasana nifanaovan'ny fianakaviana, alim-pandihizana izay nisian'ny zanaka iombonana nifaninana tamin'itony tovovavy kanto (miss) ka dia nandeha namonjy izany ilay vao nahazo zazakely (ilay rangahy an ! fa Ramatoa moa tsy mankaiza fa mitaiza). Vita ny fifaninanana, nandihy ny rehetra teo am-piandrasana ny valiny tanaty tebiteby...
Tampoka teo dia nisy niantso ny finday iray teo ambony latabatra, izaho tamin'io tsy mba nandihy fa niandry latabatra (soa ihany), noraisiko ilay finday, avy dia fantar'ilay olona ny feoko ary hoy izy hoe :".... misy manafika izahay fa vonjeo, efa ao am-baravarana ry zareo !" "eny" hoy aho sady nitsangana aho niantso ny manodidina ary nanontany hoe an'iza ity finday ity... ary teo vao fantatro koa hoe iza ilay niantso fa nifangaro tamiko ny feon'ireo mpiantso anay.

Nikoropaka ny mpianakavy... ilay tena tompon'ny finday no tsy tazana fa vao notadiavina, efa nalefa nandeha aloha ny fiara iray misy olona teo amin'ny 5 lahy ry zareo ? nandha namonjy tany... tany amin'ilay toerana vaky lakozia voalaza tetsy ambony ihany io !!! Loza izany. Nony kelikely vao nipoitra ilay Ramose, kay moa izy naka rivotra sy nifoka sigara tao amabadiky ny fidirana dia tsy nisy nahita no sady tsy nandre ny korapaka teo. Dia nambara taminy tamim-pahatoniana ny resaka ka taitra mafy izy, kivy tanteraka ! tsy laitra notohaina anefa fa dia ny hirifatra ihany handeha hamonjy ny vady aman-janany no tao an-tsainy... nifandroitana teo ka lasa ihany ary dia ny zanako lahy 14 taona no nanaraka azy tany sy nampitony azy eny am-pandehanana. Tonga soa aman-tsara tany ny fiara rehefa avy nanao "rallye".

Izahay tao amin'ny "bal" niandry trano tao satria ny fety efa rava tamin'ny 2.30 maraina. Ilay fifaninanana ve ? eny e ! fahatelo ilay zanakay tamin'ny fifaninanana (2è dauphine) Efa tsara satria mbola isan'ny nahazo salotra sy loka.

Ny tany Avaradrano : tsy nisy naninona ny vady aman-janak'ingahy teo, misaotra an'Andriamanitra. Lava ny alina nanaovana ny fanarahan-dia ny mpangalatra, nisy ihany ny entana notsimponina teny an-dàlana, nisy ihany koa ny noahiana saingy... tsy nisy tratra ny mpangalatra. Maraina foana ny andro, mbola tsy vita ny raharaha teny amin'ny zandary sy ny sisa. Ny mpanontrona efa lasa nody rehefa nilamindamina ny tany.

Sabotsy 01 Martsa : nanenoneno foana ny findaiko.... nifandimby niantso ahy izay mbola tany ivelany tany ary efa "suspens" 20 minitra teo vao....
... re ny vaovao fa tratry ny lozam-pifamoivoizana ingahy ! ilay ranadahy tratry ny mpangalatra sy vao tera-bao teo ! an-tenda ny aiko, tsy afaka nihoraka sy nitomany mafy satria tao an-trano i Papa sy i Mama.... mody mandaha ao an-dakozia aho na ao amin'ny "douche" mba hitomany dia mamafa maso indray rehefa hiverina tatsy !

Tonga indray ny antso fa tsy maintsy hiainga aho hamonjy ilay maratra sy ny taxi nanatitra azy teny amin'ny "urgences HJRA" satrai ny olona sasany nijery "constat" sns... inona no hevitra ? mody ny findaiko no nahodinkodiko ary nilaza aho hoe : "Mama a, tsisy crédit tsony aho fa ndeha hijery crédit !... " dia nomeny vola koa aho hamidy zavatra hafa. Dia ataoko ahoana indray izany ity hafany nefa aho handeha, niantso olona aho mba hiandry ao amin-drizareo sady nampitondraiko ilay hafatra sy ny hoe : "lazao zareo fa tsisy crédit raha tsy alavidavitra"... dia nihodinkodina teny ny ora. Nanana ny tsindrimandriny ilay reniko ary nibip ny ankizy rehetra izay tsy nisy namaly, mbola porofo ny fisian'ny tranga izany fa tsy nisy sahy nilaza taminy aloha. Tonga teny amin'ny hôpitaly aho ! Efa sérum sy oxygène no nandravaka ny endrik'ilay anadahiko. Tsy afaka miteny izy. Soa ihany fa mahatsiaro saina na dia mbola reraka mafy aza izy. Izay aho vao niantso an'i Mama ka bedy be. Mitomany be izy miresaka amiko. Maditra daholo hono izahay fa maninona ny zanany. Tsy maninona izy hoy aho fa efa ho avy any haka anareo ny ankizy.

Nihaona daholo izahay 8 mianaka (izy mivady sy izahay 6 mianadahy naterany) nony avy eo. Nontronin'ireo vadinay avy izany.

Mafy noho ny mafy izany ry reto a ! Mampalahelo. Izahay rehetra aza moa mahatsiaro voadona mainka fa Ranadahy izay niharan'izany rehetra izany ? hita tena kivy tokoa izy ary mbola eny amin'ny hôpitaly amin'izao. Fa dia eo ny rehetra manontrona azy.

Koa mivavaka ho azy mba hiverenan'ny fahasalamany tanteraka !

 

 

 

 


13 Hevitra & 0 Verindrohy (trackback) amin\'ny "Tsy tamy irery ny loza"

  1. Mirary fahasalamana ho azy ary mivavaka ho azy !

    HO lasan'izay anie ny ratsy ary hieren-doza ny mpianakavy !

    DdRb

    Nampidirin'i DadaRabe 03 Mar 2008, 15:06
  2. Mahereza ee!

    Ary hono wa, sao dia mba olona iray (akaiky) ihany no mangotry anareo mianakavy ao? :-)

    fa zao e, mety hoe sangisangy zary tenany fa androany mbola vao 03 Martsa 2008 an?
    misy errera sa kobo le fainty? :-P

    Nampidirin'i simp 03 Mar 2008, 15:46
  3. oups ! loza izany !
    Mahereza daholo dia mirary soa sy fahalamana re.

    Nampidirin'i ikalamako 03 Mar 2008, 16:06
  4. mahereza e! ny isaorana an'andriamanitra alo dia tafahoana soamantsara ny mpianakavy e!io no tena zava dehibe tokony hampitraka oe na in na in no mitanga @ fianaina mbl misy miaro ny tsirairay foana! dia mahereza fa tena mafy ny mahazo anareo izany! io no tiako anaovana antso avo eto foana oe mandreraka oa ity fandriam-pahelemana ity! Nampidirin'i news2dago 03 Mar 2008, 17:19
  5. mahereza e!
    isaorana an'andriamanitra aloha fa tafahoana ianareo rehetra!
    tena loza mihitsy ity vaky trano lava ity e

    Nampidirin'i news2dago 03 Mar 2008, 17:50
  6. Misaotra indrindra anareo rehetra. Tena loza mifanesy tokoa.
    Anio 04.03.08 : mbola tsy mahavolana ingama. Mampalahelo ny mijery azy fa sms no ifampiresahana na koa taratasy sy stylo.

    Simp> ok, tena efa rempotry ny fahasahiranana sy ny alahelo re fa 23.02.08 ilay izy a !
    Dia azo heverina mihitsy hoe olona manodidina azy eo ary mitsikilo ny mouvement rehetra eo amin'ny tanàna.
    Ohatry ny lasa lavitra kely ilay vazivazinao... izaho mbola tsy te-hihomehy.

    Nampidirin'i Tsikisariaka 04 Mar 2008, 13:37
  7. Tena raharaha tokoa izany!
    Mirary fahasalamana ho an'ny maratra, sy fankaherezana anareo.

    Nampidirin'i Kwasi 04 Mar 2008, 14:01
  8. zafady ee

    za nge manotany fotsiny e, indraindray misy mifainty tantara kanou :-)

    mangatsiatsiah ny marary.

    -simp

    Nampidirin'i simp 04 Mar 2008, 14:39
  9. mirary soa e!
    indrindra ho an'ilay marary

    za mieritreritra fa olona manodidina azy mivady ihany no tena mikasa hangotry azy

    mamerina ny firariantsoa

    Nampidirin'i maintikely 04 Mar 2008, 15:12
  10. Manantitra ny fisaorana ho an'ny rehetra e ! tsy ary voatanisa. Misaotra samy ho tahian'Andriamanitra. Ary elaela i kwasi tsy henoko an ! simp > okay okay, fa za kosa ve dia hifainty loza be ohatr'izany ? sady tsy hoe olon aiza no voa fa ny zandriko iray tampo amiko kosa e ! tsis fady tsony fa tanjem ny à sisa re a ! maintikely > mbola tsy afaka manadihady betsaka fa mitombina mihitsy izany hoe olona manodidina izany. Na ny fitaratra vaky na ny antso vonjy anie tokony ho re e ! tsisy namonjy ! eny e ! eo koa ilay hoe matahotra dia ny hidim-baravarana no hamafisina fa na izany aza ! Izao nge ilay tantara e ! Izy mianaka irery no tao amin'ilay chambre dia nokitihin-drizalahy ilay varavaran-kazo dia efa ren-dRamatoa. Dia mailo izy, fa poa toy izay dia voavoha ilay varavaranèkazo. Tong aizy dia nitsangana ary noraisiny ilay zazakely iray andro dia nitsoaka tany ambony zareo. Dia tafiditra ry tsivanona dia nohidiany avy any ilay porte de communication. Dia iny no niantso vonjy Ramatoa (vava sy phone). Dia nidina ny Reniny nihazakazaka sy nanontsonkotsona ilay varavarana nihidy teo. Ka nataohotra angamba ny mpangalatra sao efa nisy renfort sy hoe bandy bokona be ny ao dia lasa ry zalahy nitsoaka. Ny TV mbola nandeha tsy voaongotra fil nihohoka eo am-pandriana, ny magnétoscope nitontona teo amin'ny tany. Ny équipe avy aty Iarivo mbola an-dàlana après phone. Tena... tsy haiko e ! fa dia tsy tratra ry zalahy... Dia hainareo ny tohiny. Nampidirin'i Tsiks 04 Mar 2008, 15:56
  11. ary ny hevitr'i tsikisariaka indray no lasan'ny (s)pams :-P
    njy kosa aza tezitsa fa simp ange bandy manja fa mahery vazivazy fotsiny e, petsaka tsara elah simp an !
    Ho lasan'izay daholo ny ratsy retsy.

    Nampidirin'i ikalamako 04 Mar 2008, 19:13
  12. Mahereza E ! dia mirary indrindra faherezana ho an'ny anadahinao fa ny zaza izany vao tonga :(
    nomen'Andriamanitra ny fara koa :)

    Maztoo daholo ry reto a. Mampivarahontsana ny mamaky ny zava-misy ao Mada nefa tsy hahavita tsy hamaky koa fa ... tanindrazana io koa ! mamy e :)

    Nampidirin'i pissoa 04 Mar 2008, 19:24
  13. Ikalamako > Tsy tezitra aky za fa tohina kely fotsiny a ! satria za mbola mitomany dia izy mampihomehy ka sady mitsiky aho no nidongy hoe "simp kou ou !"
    Dia ilay spam tena mpams !

    Pissoa > Merci Pissoa a !

    Mirary soa ho an'ny rehetra.

    Nampidirin'i tsikisariaka 07 Mar 2008, 09:06
Hampiditra hevitra









 authimage