TAGY LAGY

Nampidirin'i tsikisariaka | 19 Mar, 2008

Izay no tonga tao an-tsaiko voalohany fony vao tazako ny resaka tagy. Mbola tsy haiko ny dikany. Tsy nihevitra ny hiditra lalina rahateo ny tenako. Kinanjo.....
Ilay mba nanao "cours particulier" ho ahy indray no nanome lagy ahy, oadray, azafady, nanome tagy ahy, euhhh ni-tagy ahy.
Devoara hoy ikalaratsy, oups, ikalamako ! dia ity ilay izy ka izao, tsy koua na dia aotra aza ny naoty fa tsy fanadinana ilay izy - raikitra ary :

1. Ny hevitra natoraka momba ny fianakans : "Tsy tamy irery ny loza" - tsy ela akory izay ary isan'ny tena nanahirana ny fianakaviana tokoa. Tena vao tsy mitràka dia indro indray, soa fa tsy nisy aina nafoy izay isaorana ny Tompo. Jereo ato : http://tsikisariaka.blaogy.com/post/638/4299

2. Ny momba ny namana : nezahiko iantsoana sy iresahana ny namana "fahiny" ka niangaliako tamin'ny lohateny hoe "Ny fahiniko ve ? ary ny anao ?"... saingy tsy izay no nitranga, tsiaro sisa ho an'izay nitovy feeling na dia tsy nifankafantatra aza ary dia raisina ho namana avokoa ireny na dia vanim-potoana samihafa aza no nandalovana. Araho ao amin'ny : http://tsikisariaka.blaogy.com/post/638/4102

3. Nitoraka hevitra koa aho ary dia ny momba ahy manokana angaha no foto-kevitra ? Soa fa tsy dia tena sékré araka ny niheverana azy marina ! Hay, zavatra mahavarina nitranga tamiko tamin'ny 2004... Voan'ny tamberin'andro na tamberin'ora aho tamin'izay. "Amin'ny firy àry izao" ao amin'ny http://tsikisariaka.blaogy.com/post/638/4258

4. Dia inona koa ? ny zavatra tiako ? tao amin'ny hevitra natorako ve ? Tiako daholo ihany matoa nalefako ka ! fa isan'ny tena nahafinaritra ahy dia ilay natorako farany ary e ! momba ilay zanako, (tena mamy ny zanaka na ratsy na tsara, na hendry na maditra - mais les enfants ne sont pas quelques choses...) "Noor, deuxième dauphine !" izay ho hitanao ao amin'ny http://tsikisariaka.blaogy.com/post/638/4385 (isan'ny mba nahazoana hevitra betsaka na dia... hi hi hi,... jereo any e !)

5. Ouf, ity ilay farany... 'n'importe quoi" ! ny hevitra natoratoraka fotsiny, inona re e, hay, "servitude de passage" Hevitra ifanakalozana saingy tsy dia mahaliana na dia zava-dehibe aza no lazainy http://tsikisariaka.blaogy.com/post/638/3541 na koa ilay iray, shhh aleo lazaiko ihany ka ! hoe "lany ilay Boay kely", resaka pôlitika, mandreraka ihany http://tsikisariaka.blaogy.com/post/638/3799

Izay izany !!!!

Ny tapany faharoa ? I don't want to be among "lost" though I'm lost if you want to me to tell about this. I actually missed it ! NO IDEA ! Das weiB ich nicht e ! film hafa tenenina.
Na izany aza, aleo moa lazaiko ihany amin'ny ankapobeny fa izaho tsy tia film lalaovin'i Nicolas Cage, na i Jim Carrey na koa i Freeman... Sady raha film tsy mitrifana tsy tiako, ny ahy ilay mampitaintaina ireny no tiako, resaka gadragadra na tifitifitra na ôrerarera e ! (24H chrono, Prison break..... sy izay miramira amin'ireny !)

Tapany fahatelo sady farany : Dray dray dray, hitanisa mpitoraka blaogy ! izaho aloha tsy mahaaraka loatra hoe iza no iza dia iza no maninona moa ? Indrindra moa fa hoe iza no mbola tsy voatagy. Aleo alefa e ! dia any izany.....

1) DadaRabe : akama be iny, mpanindrona ny ati-fanahin'ny olona amin'ilay tononkalo mavesatra dia mavesatra, misaotra ihany fa tour-nao izao !

2) Ikalakely : mahafinaritra ilay miady hevitra fa mba ifankafantarana bebe kokoa dia mba tantarao anay ny sisa e !

3) Pissoa moa sa Sazikely : ny iray aminareo roa (azafady fa afangaroko foana ianareo) ilay nanao ahy ho non classée dia tsy nahazo bulletin za an ! alefaso hoe ?

4) Aza maika, tsy hadinoko akory ka ! Lap ! ô ô ... where are you ? it's your turn, I want to hear from you in a tagged way !!!

5) Dia ilay farany nefa tsy bitika dia Ra-Jentl, aiza ho aiza ary izy izay ! Jentilisa a a a a

Izay ve ?

VITA TOMPOKO

 



 


30 Hevitra & 0 Verindrohy (trackback) amin\'ny "TAGY LAGY"

  1. Za ange efa voatagy sa tagy fanindroany?

    Nampidirin'i jentilisa 19 Mar 2008, 09:35
  2. clap clap clap
    vita soa ny adidy fa misaotra.
    Jentl efa voatagy ianao fa version 1, donc valable ho anao ity
    i pissoa sy ikalakely ary lap efa voatagy version 2 doul (i simp koa version 2 efa ao :-P )
    mankasitraka nanaiky lagy !

    Nampidirin'i ikalamako 19 Mar 2008, 10:15
  3. Tsikisariaka,

    Hojereko tsirairay ireo laginao

    1 - Ho lasa anie ny ratsy
    2- Tsy fanadino ny fahiny
    3- MAndalo ny tamberin'ora. Mpahazo olombelona izany
    4- Mampamangy any amin'i Noor. Mahafinaritra hono hoe
    ( - Misy eny amin'ny fiainana heverina ho tsy zava-dehibe kanjo zava-dehibe. "Ny vato nolavin'ny mpanori-trano no indro tonga vato fehizoro"

    Nampidirin'i DadaRabe 19 Mar 2008, 11:31
  4. Ikalamako > izay ito dia faly ery ! saingy zao, tsy nandaitra izany ny tagiko satria retsy efa voa ?? kony hoa ? sa soloina ndray, hi hi hi - za koa tsy dia mpanome lagy loatra knou ! Na zany aza tokony nandalo ihany izy e ?

    Jentl > alefaso ilay fanindroany ary e ! ny ahy tena tag double avy hatrany dia tsy niverimberina. korazy !

    DdRb > misaotra e ! izao ve no atao hoe valin-dagy ? snif snif !Mahafinaritra indray ilay izy anefa rehefa mba nampiherika hijery tamberina...
    ié, veloum hono DdRb, hoy i Noor (izy ndrindra lay nihomehy tamin'ilay nahita email, hi hi hi DadaRabe)

    Nampidirin'i tsikisariaka 19 Mar 2008, 12:03
  5. Tsy hitanareo hoatrany mampifanakaiky kokoa ve ny tagy?
    4- Ny zanaka hono no hany olona irin'ny fo mangina hanatrika ny fahafatesan'ny tena!

    Nampidirin'i Lalasoa 19 Mar 2008, 13:08
  6. 4- Ny zanaka hono no hany olona irin'ny fo mangina...

    Nampidirin'i simp 19 Mar 2008, 13:16
  7. humm

    Nampidirin'i ikalamako 19 Mar 2008, 13:39
  8. mandagy be anga ilay voatagy ry tsikisariaka :-P

    Nampidirin'i maintikely 19 Mar 2008, 13:40
  9. Tena dobla tagy vo maraina iny lety e! Efa ao re ry tsikisariaka a ;-)

    Fa za koa aloha tia film mitrifana e :-)

    Nampidirin'i lap 19 Mar 2008, 14:34
  10. Lalasoa > marina mihitsy izany e ! kanefa koa tiako foana izy mba ho ilay zanako, zaza manoa... tsy hoe tantanana sy trotroina ara-bakiteny fa ilay kononkononina e ! dia maha-saro-piaro sy ny sisa. Hoy aho tatsy amin'ny pejy ho an'ilay zanako hoe :

    O ry aiko tsy mba foiko
    Zanaky ny fahadiovako
    Satry foana hotrotroiko
    Ary mandra-pahalovako
    ........ (OCT 2004)

    Simp > bis ve ?

    Maintikely > kilalao mahavariana,
    maka fotoana nefa mahaliana,
    ilaina mihitsy ifankafantarana,
    mampifandray aloha raha ny marina...
    ekena hozy e !

    Lap > zany hahay mba misy iraisana koah ! hay efa vatagy énao ? ka zay mitsy lay izy ka ! aleomba izaho indray no milagy vao maraina sa ahoana ? hi hi sa efa tena pouce ingahy ?

    Nampidirin'i tsikisariaka 19 Mar 2008, 14:55
  11. Tsikisariaka : i Sazykely izany ! fa za koa aza efa voatagy anie e ! dia izy koa, hi hi.

    Ary misy sansa ihany ra-lap zany fa voatagy vao maraina kle ! Simp aaaa lolol

    Nampidirin'i pissoa 19 Mar 2008, 16:23
  12. Misaotra nanefa adidy e!

    Nampidirin'i news2dago 19 Mar 2008, 18:02
  13. eny ho'aho ry pissoa ! :-P

    Nampidirin'i ikalamako 19 Mar 2008, 18:17
  14. za efa voatagy a!!!! fa misaotra akia nahatsiaro an! jereo ny tagy 1-ko fa ao daholo!

    Miandry ny an'i ddrabe

    bizY

    Nampidirin'i ikalakely 19 Mar 2008, 20:08
  15. pissoa,

    miala satroka ah e, resy :)
    marary ny foko 8):b:b:b

    Nampidirin'i simp 19 Mar 2008, 21:23
  16. aza manao an'io lesy simp a ! Za nge efa nampiomana hoe resaka sansa ity e ! mdrrr

    Nampidirin'i ikalamako 19 Mar 2008, 22:14
  17. Efa nitady dadarabe ihany a hanova vintana fa tena tsy poinsa eee

    misaotra mankahery e... vola omena ra misy, rambo-ndamba :)

    Nampidirin'i simp 19 Mar 2008, 23:01
  18. mdrr beuh za !
    Etsy ambony efa feno hiononana lesy e, ireo indray tagevana...

    Nampidirin'i ikalamako 20 Mar 2008, 01:01
  19. simp > inona ary ty ? ohatry ny d'efa hoe .... 'ndeha zatsy izy fe miandry ny ankizy !

    ikalakely > okay okay - miandry lalao vaovao indray aho dia mifananona eo foana,

    news2dago > eny ho'aho e ! zay voa nanodidina

    Pissoa > hay ve i Sazikely iny e ! k'inon af'efa voatagy aby zany fa za nanonona fotsiny dia point.Tsisy fameriny.

    Dia zao, za tsy dia mahay ny blaoginareo fa mba omeo re raha sitrakareo. Misaotra mialoha.

    Nampidirin'i tsikisariaka 20 Mar 2008, 11:45
  20. simp > inona ary ty ? ndeh zatsy izy fa miandry ny ankizy! malaky! ;-)

    Nampidirin'i lap 21 Mar 2008, 23:46
Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article