Ndeha hiara-hiasa : Tononkalo sy hira

Nampidirin'i tsikisariaka | 5 Nov, 2007
Misedra adim-piainana ihany koa ny mpanoratra ka indraindray dia mitady ho difotra izy rehefa vizan’ny adim-piainana ny aingam-panahiny indraindray. Tototra ao ny asa sorany fa tsy mba misy mpikolokolo. Sehatra iray hanatosahan’ny mpanoratra ny tora-pony rehetra amin'ny tranga rehetra anefa ny sanganasany ka inoana sy irina tsy ho faty na dia mivangongo fatratra ao fotsiny aza. Izany indrindra no hanaovana antso avo amin’ny mpanakanto hafa ny mba iaraha-mikolo ireny sanganasa ireny. Ny mpanoratra mantsy dia manoratra foana, manoratra hatrany ary tsy mihevitra ny hanisa izany akory fa dia ao fotsiny iny. Ny mpamaky dia migoka ny tsirony rehefa mandalo eo imasony ireny asa soratra ireny ary dia mandray ho an’ny tenany izay voalaza, indraindray voafendrofendro, matetika koa anefa dia velom-bolo satria azo lazaina ho fanafody fanafan'ny aretim-panahy ny sentom-po zaraina. Mainka moa fa raha lasa hira izy ireny dia voarotsirotsy avokoa ny mpiara-belona. Dia mirana rahateo ny mpiara-miasa mamoaka vokatra. Koa izay manan-talenta amin’ny fanomezana feo ny tononkalo dia manolo-tànana re, andao hiara-hiasa. Misaotra mialoha e !