Santionany asa soratra voaranty tamin'ny Herinandron'ny Havatsa
Nampidirin'i tsikisariaka | 22 Nov, 2010TSY IANAO NO TIAKO
Izaho lay nankafy
Nankamamy tsotr’izao
Naneho ny foko hoe tia
Dia tsoriko aminao
Fa tsy ianao aloha no tiako
Fa ny fitiavanao no mamiko
Tanterakao ny faniriko
Izay no fahasambarana amiko.
Resin-tsento aho omaly
Dia somokotra ianao
Nampitsiky, falifaly
Izany fo anatiko ao
Voafafanao ny jaly
Namatotra ahy hatrizao
Reko mirana ny aiko
Vao mikarakara ianao
Voatohantohana aho, lazaiko
Izay no tiako fa tsy ianao
Thina
12.10.09