Lany ilay "Boay Kely"

Nampidirin'i tsikisariaka | 13 Des, 2007

Novohizana mafy ery io petak'anarana io tamin'ny herinandro lasa. Raha ny taona sy ny ara-batana aloha dia izay mihitsy ilay izy fa raha ny traikefa angamba dia ataoko hoe sakamalaho sy havozo ireo mpifaninana ka samy manana ny hanitra ho azy !

Ry zareo kandidà ho Ben'ny tanàna no tian-ko lazaina eto ka ! Eny hoy aho ka dia lany ho Ben'ny tanàna izany ilay "Boay kely", azafady, i Andry TGV, oadray, Andriamatoa RAJOELINA Andry e ! Na dia mbola tsy ôfisialy aza ny vokatra dia efa mankalaza izany ny tenanay. Izay koa no lohateny lehibe nataon'ireo gazety isan-karazany androany.

Nahavita azy Andriamatoa RAFALIMANANA Hery (mampatsiahy ahy olona izany anarana izany an !) fa dia toerana ifandimbiasana moa izy ity ka dia isaorana tokoa izy tamin'izay vitany sy izay mety ho tolo-tànana ataony amin'ny fiaraha-miasa f'izany rahateo no ilaina amin'ity tany ity. Ny pôlitika tokoa mantsy no mampisara-bazana ary hatraiza hatraiza io fa dia aleo tsy resahina betsaka fa mety hampiady mihitsy... raha ny marina dia mpinamana daholo rehefa tsy mifanisy ratsy ka ! (nefa aho te-hiresaka fa aleo aloha hiseho ho OLP e !). Na izany aza dia mba te-hanisika kely ihany ny hevitra hoe : raha ny anarana fotsiny no nentin'ingahy io fa tsy nosaronana kasikety pôlitika ity loha dia mba tsy.... sns sns ny olona ! Isan'ny mba mitsetra ihany aho. Soa ihany aloha fa resaka Antananarivo sy samy Antananarivo ihany tokoa e ! ka dia tandremana ny amin'ny sisa. 

Teo aloha teo dia nalilo ny sofiko naheno ny hoe : "tsy mahalala an'Antananarivo ?" - Iarivo sy ny 2002 no tian-kotsindriana hono ! dia sahiran-tsaina ery hoe, izay tokoa moa Antananarivo ? Rehefa izay dia izay ve ? 'Nao ary !

Kanefa... kanefa, hoy aho, Antananarivo koa kay mifoha fa tsy matory e ! mihiratra be ny masony ary mahiratra rahateo ny sainy. Dia mitsoka izao ny rivom-piovana ka dia.... 'ndeha izatsy izy Andriamatoa Boay kely ! Raiso ny faneva dia ento ny tanàna... fa izahay mitso-drano e !

Oay, mba mijery blaogy ve moa izy iny ? sa misy ny mpampita hafatra ? mety daholo izany ka !

Farany, aleo ihany aho hiala tsiny fa tsy sanatria maniratsira fa mba manisy sira kely fotsiny.

Koa.... Manaja sy mankasitraka ary mitso-drano an'Andriamatoa RAJOELINA Andry izay ho Ben'ny tanàna vaovaon'Antananarivo renivohitra ny tenako.