Santionany asa soratra voaranty tamin'ny Herinandron'ny Havatsa

Nampidirin'i tsikisariaka | 22 Nov, 2010

TSY IANAO NO TIAKO

Izaho lay nankafy
Nankamamy tsotr’izao
Naneho ny foko hoe tia
Dia tsoriko aminao
Fa tsy ianao aloha no tiako
Fa ny fitiavanao no mamiko
Tanterakao ny faniriko
Izay no fahasambarana amiko.
Resin-tsento aho omaly
Dia somokotra ianao
Nampitsiky, falifaly
Izany fo anatiko ao
Voafafanao ny jaly
Namatotra ahy hatrizao
Reko mirana ny aiko
Vao mikarakara ianao
Voatohantohana aho, lazaiko
Izay no tiako fa tsy ianao

Thina
12.10.09

HERINANDRON'NY HAVATSA-UPEM

Nampidirin'i tsikisariaka | 20 Okt, 2010

Talata 26 hatramin'ny Sabotsy 30 Oktôbra 2010 ao amin'ny Tahala Rarihasina Analakely

Fampiratiana ny asa soratr'ireo mpikambana ao amin'ny Fikambanana Havatsa-Upem (Union des Poêtes et Ecrivains Malgaches) ho fanandratana hatrany ny kanto sy ny maha-malagasy. Ahitanao tononkalo, lahatsoratra, tantara foronina na sombin-tantara.
Inona fa hanan-danja foana sy hanonja tokoa ilay hoe fitenenana hoe : "ANDRIANIKO NY TENIKO, NY AN'NY HAFA KOA FEHEZIKO" izay Mpikambana ao ihany no namorona azy.

Tongava maro mba hitsidika dia mizara izay akony eto. Mankasitraka sahady !

inty aho !

Nampidirin'i tsikisariaka | 16 Jio, 2010

Salama aby ô !

Mandalo miarahaba fotsiny amin'izao ankatoky ny asaramanitra.

Mirary soa

TAOM-BAOVAO

Nampidirin'i tsikisariaka | 1 Feb, 2010

Arahabaina nahatratra ny volana Febroary indray ô
Mahafinaritra fa miarahaba foana an ! Io Febroary io tokoa hono dia volana voalohany ho an’ny “hafa”, ary midika ho “fidiovana” izy io amin’ny teny latina “februarius”. Taom-baovao any ho any koa izany anio.

Fa ny tena taom-baovaon-tsika Malagasy dia ho avy tsy ho ela : 16 MARTSA 2010.
Toy izao no azo ambara :

-          Averina eto indray aloha fa ny andro ifanitsahan’ny volana sy masoandro ao amin’ny antokon-kintana Alahamady raha tazanina avy ety ambonin’ny tany (avy eto Madagasikara izany). Ary io no manambara ny taom-baovao Malagasy ka hankalazaina indrindra eny AMBOHIMANGA amin’ity taona ity.

 

- Ny Alahady 14 Martsa 2010 amin’ny roa ora sy sasany tolakandro : Fotoam-pivavahana ao amin’ny FJKM Ambohidrabiby ho vavaka fangataham-pitahiana ho an’ny tanindrazana.


- Ny Alatsinainy 15 Martsa 2010 hifoha Talata 16 Martsa 2010 amin’ny 12 ora sy 2 minitra alina. Eny amin’ny vohitra masina no hiainga ny “AFO TSY MATY” amin’ny telo ora.

 

-  - Tohizana amin’ny “Fafirano” sy “Tatao” izany ny marainan’ny 16 Martsa ary manomboka amin’ny folo ora (10 ora) maraina ny fanatanterahana ny lanonana ôfisialy.

 

Lavitra akaiky ilay daty fa dia mba tadidio ihany e ! soraty any amin’ny diary. Dia izao, tsy ananako ny antsimpirihan’ireo fa mpampita ihany koa aho ka tsy manan-kavaly aloha raha misy ny fanontaniana manitikitika.
Mirary soa ary e !

IANAO TALOHA...

Nampidirin'i tsikisariaka | 28 Jan, 2010
Normal 0 21 false false false FR X-NONE X-NONE MicrosoftInternetExplorer4

Miarahaba antsika rehetra amin’izao fahatrarantsika ny taona vaovao 2010. Mbola Janoary isika ary izaho dia tena matokyfa mbola tsy tara ny fiarahabako. Mirary soa e, ho tahian’Andriamanitra avokoa. Isan’ny fomba tena malagasy tokoa izany fifampiarahabana izany ka na volana Jona aza vao mihaona dia mbola injany re ilay feo malagasy hoe « TRATRY NY TAONA E ! », « DIA SAMY HO TRATRY NY HO AVY ». Ny tsipelina tsy iadiako hevitra fa ny fomba tsy ialàna. Sa ahoana ?

Indro ny voan-dàlana kely vao mafana mba hozaraiko aminareo rehetra. Mankafiza am-pitsikiana.

 

IANAO TALOHA...

Ianao taloha tsy nojereko
Ianao taloha toa tsy nekeko
F’ankehitriny kosa toa omeko
‘Zany tsikim-pahareseko

Ianao taloha nankahalaiko
Ianao taloha novazavazaiko
F’ankehitriny kosa ankalazaiko
Hoe mpanoro ahy amin’izay tsy haiko

Ianao taloha notsinoaviko
Ianao taloha tsy notiaviko
F’ankehitriny kosa sy amin’ny ho aviko
Namako mpambomba ahy amin’ny adiko

27.01.10 – 21.45

TSODRANO HO AN'ILAY VAVITOKANY

Nampidirin'i tsikisariaka | 16 Nov, 2009
  Ry Rova kely, ry sombinaiko,
Sahirana ery ho’aho ny saiko
Tojo izao… androm-pifaliana
Hirosoanao am-panambadiana

Mbola tsaroako ny fahizay
Ianao vao nianatra niteny
Nibadabada niantso ahy
Niantsampy tamin’i Neny

Nototoranay fitia
Ilay hany lavitra sahala
Nezahanay mba tsy halia
Saingy iarahana mahalala

Fa misy anjara tsy azo lavina
Misy fo tandrify anao
Ifanoloranao fitiavana
Ka dia tojo amin’izao

Eny anaka, lasa ianao
Ny foko injao mamelovelo
Ataoko ahoana ny hinia
Tsy haneho ny alahelo ? (….)

Ry vavitokana tsy foiko
Hikopak’elatra handeha
Sitrako ary koa inoako
Fa ianao… ho rehareha

Ka hamelo-maso hatrany
Ny anaran-dray sy reny
Tsy hadinonao na dia any
Ireo anatra… sy teny

Hoentinao hikolokolo
Ilay tokantrano vao
Hampitsiky, hamelom-bolo
An’i Andry vadinao

Efa nekenay handray anao
Sy irinay mba hampateza
Izay ho fifaliam-ponao
Ry Rova Mialy Zo Maneva

Be ny vetsom-po tsy tàna
Fifaliana arahin-tsento
Fa mahery ny tso-drano
Atolotray manomboka eto

Mahaleova, mahalasàna
Ry sombinaina mamy indrindra
Maharena tokantrano
Be fitia sy tsara rindra

Thina 23.07.09

 

Nodimandry izay namana izay....

Nampidirin'i tsikisariaka | 26 Okt, 2009
 
NILAOZANY…  

“Tsy vitan’ny nilaozanao teto an-tany fandalovana
‘Zany foko mitoreo, toran’ireo fahatsiarovana
Tonga teto mihitsy aho fa ianao hono efa lasana
Nizotra niankandrefana any ‘ndeha hamonjy ‘zato fasana”  

Izany sisa vetsovetso naverimberiko tan-tsaina
Tsy afa-nitomany akory, tao am-po no nitaraina
Hoe miangatra ny lanitra, misompatra e itony tany
Dia nindaosiny mandrakizay nentiny any lavitra any  

Ilay niarahana nitafa, ilay namana tsy foy
Ilay zokibe mpanambitamby, mpanoro làlana mpivoy
Irony lakan-tsikitsiky, laroim-bazo tsy hita fetra
Foana izany ankehitrio, tsiaro sisa izay rehetra…

Thina A.
(Antanimena, 14.10.09)

ASARAMANITRA : taombaovao malagasy 2009

Nampidirin'i tsikisariaka | 26 Mar, 2009

Arahaba nahatratra ny Asaramanitra ry Gasy havako rehetra manerana ny tany. Ho tahian-Janahary anie isika ka hahomby amin'izay atao ary hioty vokatra tena zina. Halavirin-drofy sy ny ratsy rehetra fa hitavana ny soa tsy àry voatanisa !
Tsy hadinoko ny hirary ny soa ho an'ny tanindrazako, harotsaky ny Tompo aminy anie ny Fahasoavany indrindra ny fiadanana ka ho zary fandriam-pahalemana ho an'ity Gasikarako izay mandia fotoan-tsarotra ankehitriny izany ary ahatanteraka ilay andalana farany amin'ny hiram-pirenena hoe : "e sambatra tokoa izahay "
Raha ny tso-drano malagasy dia tsy ho vitako ny hamerina azy fa izay no hany vetsom-po voarafitro sy takatry ny saiko fa dia samia soa re e !

TSY AFA-MAMALY

Nampidirin'i tsikisariaka | 13 Okt, 2008

"e e e e raha te-hanoratra ianareo, tsy afa-mamaly ny taratasy aho e, mbola sahirana a !"

Nindramiko io andalan-tononkiran'i Mahaleo io mba ho hafatra apetrako androany. Be ny manontany hoe "lasa aiza ary ikala Tsikisariaka ?". Valiny : Ilaozany mitsiky sy misariaka etsy sy eroa fotsiny. Aleo ihomehezana kely. Mbola revo amin'ny fianarana fa mafy ny te-hisondrotra amin'ity fiainana ity e !

Hisondrotra ho aiza anefa ? te-hanana fiainana tsaratsara kokoa  e! satria mahatsapa fa mbola tsy izy foana izao iainana izao. "Sarotra ny fivelomana" hoy i Dama izay dia naleony nifindra monina. Ka na ho aiza ianao na ho aiza anie tsy misy lafatra e ! eny e, fa mba miezaka fotsiny miova dingana. Miala amin'ny efa nisy mba ho amin'ny ambony kokoa. Fa mila miharitra koa aloha satria ny faniriana ho ambony mavesatra, ny tanjona avo dia avo, ny sakana anefa marobe ary ny fefy tsy voaisa. Mbola ezaka koa ny fisedrana izany rehetra izany ! Ny fahavononana hahatratra ny tanjona dia efa risika lehibe iatrehana azy.

Zaraina izany mba ho zaka ny ady aty an-tanin-katsaka e !
Fa aza tsiny raha ela be vao voavaly ny taratasy. Mahereza daholo dia aza manadino an !

Tsikisariaka (Tsiks)



 

 

IO ARY ILAY VAOVAO !

Nampidirin'i tsikisariaka | 26 Mey, 2008

Lafatra e !!!!

Izay no azoko ilazana ny fahafinaretana azoko omaly. Arahabaina aloha ny Reny rehetra dia irariana soa koa ! Izaho moa teny ANTSONJOMBE no nankalaza izany nianoka ny fifaliana niaraka tamin'ny ROSSY sy ny tariny nanao fampisehoana.

Tsy dia fahita firy ny hoe fampisehoana goavana kanefa dia tsy nilahatra be nahasorena fa maromaro ireo fivarotana tapakila teny an-toerana ka ny fidirana eo am-bavahady noho ny fandaminana amin'ny fisavana ho antoky ny fandriam-pahalemana ihany no ataoko hoe nilaharana kely. Ny sakafo dia azo nisafidianana ary tsy dia lafo fa takatry ny rehetra. Tsy ferana moa ny efa nitondrana izay sahaza avy any an-trano fa fitsangatsanganana moa no atao.

Namaky lay tamin'ny kalokalo ingahy "sôtisôty", hi hi hi, i Hery Puissance io e ! dia nisesy ireo tarika nanafana ny sehatra mandram-piakatr'i GRand ! Tatsy ambadiky ny sehatra dia nisy ny fakàna sary niaraka tamin'i Paul (Rossy en personne) izay somary nilaharana ihany koa satria ifandrombahana, ny havana rahateo mandalo fotsiny ka tsy mahagaga ! ny nahasosotra dia ry zalahy mpangaro-paosy koa mba nisisika namita ny asany dia rava ilay fiaraha-maka sary e !!!!

Tamin'ny 3 ora tolakandro no niakatra ry ROSSY ary raha tsy diso aho, mbola fenofeno hatrizao ny foko (snif snif)..., dia ilay hira hoe "na dia lavitra feno fandrika aza ny làlana mandeha mankany..." no nataon'i Rossy ary dia sento niraisana no teo Antsonjombe, feno ny fon'ingahy, latsaka ny ranomasony...... tsy vitsy koa izahay tantin'ny mpijery no namafa ranomaso fa tena........ faly e ! faly fa tafahoana indray, faly fa feno rahateo Antsonjombe, faly fa hilanona tokoa. Iny dia nalefan'ingahy CARLITO sahady ny setroka fandravahana dia mba sarotsarona ilay ranomaso na dia... [Carlito io dia vazaha kely naman'i Rossy ary nanome tànana tokoa tamin'ity seho ity]

Dia nifandimby amin'izay ny tarika nanohana sy nanampy azy ! Izy, hoy aho, Rossy io an ! tena mihetsi-po foana ka nisy ny fotoana izay somary mandeha kely ny "prélude" dia miandry kely fa "ému" be ilery !!! fa tsy maninona fa "feeling" daholo izany !!! Tao ry RAMILISON, IMANGA, KOEZY, .... sns fa tsy ary voatanisa sao ananan-tsiny. Ny tsy hay hadino dia ireo tompon'ny "free style" any avaratra any, tsy hoe JIJY moa ny filaza azy ? ireny ilay ataon'ingahy Parson taloha ireny e ! Ny anaran-dreo koa tsy tsaroako fa nisy an-dRakotofika, dia i Mahazatsy moa ? sns sns. Dia nisy vehivavy anankiroa koa --- Nahafinaritra e ! 

Somary nibahan-toerana ireo ambony ireo ka nanjary betsaka ny hira tsy natao toy ilay hira nalefako iny indrindra indrindra "TSAIKY TIAKO" ! fa hoy i Rossy hoe : "mbola hisy ny manaraka" ka dia manentana sahady indray aho, fa raha tsy Antsahamanitra dia Palais des Sports alohan'ny handehan-drizareo mody !

Nony nilatsaka kely ny aizina dia nafana ny teny an-tsehatra ary dia nidoboka ny afomanga, ravo ny rehetra, hatramin'ireo izay tsy nijery fety aza nisitraka ny taratry ny afomanga ihany koa. Fa izahay tao anatiny aloha nahita afo hafa talohan'izany, isan'ny ravaka teny an-tsehatra io, afo fotsy manjopiaka e ! tsy hitako faritana fa .... tsara !

Dia ity misy mampisento mahafinaritra be, nohirain'i Marc JOLI ilay hira hoe "An"i Malala", vazaha izy fa tena misy tsirony koa ny nanaovany an'ilay hira (izaho tsy manana horonan-tsary fa inoako fa halefan'ireo naka sary tao any amin'ny fahitalavitra any izy io tsy ho ela ary ho voasingana tokoa, raha izaho aloha no misafidy e !) Fa avy eo notohizan'izy sy i Rossy ny fampiaraham-peo ka.... nahafinaritra sy tena nampisento tokoa !

Dia avy eo tsy mba briquet na labozia na taratasy dorana (toy ny mahazatra) no ravaka teny amin'ny mpijery fa namirapiratra ny jiron'ny finday rehetra !!!!!!!! alivo sary an-tsaina anie e !

.... Farany dia nidongy izahay mpijery, tsy mahafoy sahady hoe hisaraka kanefa moa ny fotoana manam-petra, ny làlana rahateo tsy maintsy hajaina, ny andro alina, ny fianakaviana miandry ka dia vita ihany.....

Izaho manokana moa dia niandry ny fifandraisan-tànana tamin'ny namana Rossy izay ankizy niara-nitombo tao amin'ny RNM tao e ! tsy diso anjara tamin'ny fakàna sary faraparany.

Izay no tadidiko aloha... Tsy mbola nahazo sary alefa eto aho fa dia aleo aloha hiomana sahady hiatrika ilay seho manaraka.

Ny vaovao farany koa dia hoe hisy isan-taona ny fampisehoana ary hisy seho lehibe toy ny Donia eto Antananarivo ka efa misy ny mpanohana namaly antso.

Ny aina no matezà sy veloma hiatrika izany e ! Dia mirary soa ROSSY a ! Tsy hadino koa i Joséphine izay Directeur Artistique an'ny tarika ROSSY, eny e ! ny Tarika iray manontolo izany e ! ampian'ny mpikarakara indrindra moa fa ny mpankafy sy ny mpijery !!!!!

 

 

AKON’NY TAOM-BAOVAO MALAGASY

Nampidirin'i tsikisariaka | 19 Apr, 2008
Tamin’ny 6 aprily 2008 no nankalazaina teny Alasora ny Taom-baovao Malagasy.

Nisy ny afo tsy maty ny alin’iny izany hoe ny faha-5 ny aprily izay nentina ihany koa nanetanana sy nanamarihana ny afon’ny soatoavina Malagasy tsy maty aom-pon’ny Malagasy.

Niavaka araka ny maha-andro fety azy ny fitafy sy firandran’ny vehivavy raha singanina. Ny sakafo dia vary amin-dronono tondrahan-tantely. Amin’ilay fomba tena Malagasy e !

Tsiahivina fa ny taom-baovao Malagasy dia mifanitsy indrindra amin’ny asara izany hoe fiakaran’ny vokatra, fiafaran’ny mosary ary izany dia natambatra tamin’ny fijerena ny volana izay voambara fa nifanitsy tamin’ny masoandro eo amin’ny antokon-kintana alahamady. Noho ny maha-alahamady manokana azy dia izay no iantsoana io andro ALAHAMADIBE. Ireo vahiny manna-kaja nasaina ka tonga dia nitondra salohim-bary avokoa ho fanamarihana ny asaramanitra.

Efa miezaka moa ireo fikambanana samihafa toy ny Trano Koltoraly mba hampahafantarana ity vanim-potoana lehibe mendrika hajaina sy omena hasina ity. Tamin’ity dia nahitana ny solon-tena avy ao amin’ny Ministeran’ny Kolon-tsaina sy ireo Masoivohon’ny firenen-kafa toy ny American.
 

BANGA IRAY NY KINTAN’NY GASY

Nampidirin'i tsikisariaka | 15 Apr, 2008
Lavo ilay andrarezina, hoy ny Ntaolo. Very ny kintana iray, hoy ny Tarika nisy azy. Torotoro  ny fon’ny Malagasy rehetra fa tsy ny Artista ihany. Ary na ireo vahiny eto an-toerana sy any am-pita aza dia tsy vitsy no nahalala an’i Romule (ROMULE RABARIVOLA). Ontsa tanteraka ny tena e ! tsy manan-kambara loatra.

“IZAHO KOSA ANEFA NAHATSAPA TAMIN’IZAY FA IZAY NO FANDAHARANA”

Vao tsy ela anefa fa tamin’ny faraparan’ny taona 2007 no noraisina ho Mpikambana tao amin’ny Havatsa Upem izy na dia efa mpiara-dia tamin’ny Fikambanana aza. Inoana sy antenaina anefa fa tsy hijanona hatreo ny lazany teo amin’ny sehatry ny kanto fa tsy maintsy hisy any aoriana any ny tsiaro ho azy, famelomana sy fanolokoloan’ny Fikambanana ny sangan’asany fa izy kosa : handry am-piadanana anie !
 Mirary fiononana feno hoan’izay mahatsapa ny fahoriana noho izao nandaozan’i Romule izao indrindra ny ankohonany.

Ho Mbarakaly - Mandram-pihaona elaela e !

Nampidirin'i tsikisariaka | 10 Apr, 2008

Mbarakaly a raha ! (fomba fiarahabana any amin'ny faritr'i Mananjary any izany ary rehefa ela tsy nihaona vao manao izany fa raha toa akakikaiky ny tsy fifankahitana dia "akory lahaly" ihany).

Izaho indray dia hiteny hoe : "ho mbarakaly si vao hifanepaka sy hikorana e !". Tsy misy aingam-panahy mielina mihitsy fa feno ny fo... tsy nahaefa nanoratra tononkalo mihitsy... tsy ho eo kely aloha fa dia hanao mandram-pihaona. Ho elaela mihitsy, ho mbarakaly.

Koa mirary soa ho an'ny rehetra e ! samy ho tahian'Andriamanitra dia hitohy anie ny fifandraisana. Hiezaka hisava blaogy aho rehefa misy irika.

 

 

TAPÔLAKA e !

Nampidirin'i tsikisariaka | 2 Apr, 2008
Raikitra àry fa ho avy ny ngezalahy amin’ny mozika ! avy any France ny lehilahy ary hanao fampisehoana anankiroa govana be :

Ny voalohany dia amin’ny Alahady 20 Aprily 2008 eny Antsonjombe
Ny faharoa kosa dia amin’ny Zoma 25 Aprily 2008 ao amin’ny Palais des Sports

Isaorana ny Media Consulting izay mikarakara izany lanonana izany izay ahitan-tsika ny Tarika Rossy manontolo (au grand complet !).
Entanina kosa isika tsy an-kanavaka izay tia fety indrindra fa ireo izay nahatsapa ny fahabangana navelan’ny Tarika Rossy hatrizay. Tongava hitapôlaka e !

Indro aloha santionany nalaina tao amin’ilay rakin-kira misy sary “Ino vaovao”, ankafizo àry ilay “TSAIKY TIAKO”- Rossy.

Anjara biriky : Iriko tsy hijaly ny "TENY GASIKO"

Nampidirin'i tsikisariaka | 31 Mar, 2008
TENY GASIKO 

Ny azy indrainy eran-tany
Mba hahery na aiza na aiza
Toy ireny tsy mba misy
Izany teny gasy izany
Tsy ahoako anefa izany
Fa ho hiraiko, ankalazaiko
Ny tenindrazako lalaiko
Ho andrianiko hatrany 

Na lazainy hoe tenim-barotra
Sy tapakila ahafahany
Mitety izao tontolo izao
Ilay teny hafahafa
Tsy dia sarotra
Fa haiko
Ny teny gasiko tsy ariako
Andrandraiko satria tiako 

Io no efa nibadako
Nianarako niteny
Teny ampy nihantako
Tamin'i Dada sy i Neny
Mbola afaka aho nandrato
Ireny fahaizako ireny
Tenim-pahatanorako
Hafa indrindra samy teny 

Ny teny gasiko
Teny mamiko 
03.04.01 


Izaho, hoy aho, dia mpandala ny teny malagasy. Tsy hanome tsiny ahy angamba ianareo raha manamafy sy manindra ilay hoe "gasy" aho satria efa tena voizina izy io amin'izao. Asongadina tanteraka mantsy ankehitriny ny "vita gasy". Tsy ilay entana fotsiny fa ny fiteny azy mihitsy.

Mba ampitaiko àry izay mba hitako :
Tanindrazantsika fa tsy Tanindrazan-tsika satria tokony hitovy daholo ny fanoratana ny tovana amin'io, tanindrazako mitambatra toy ny amin'ny tanindrazanao sy ny tanindrazany.

Amin'ny tovana -ina sy -ana. Somary manahirana fa rehefa milaza anarana dia -ana no ampiasaina fa rehefa enti-milaza izy dia -ina. Tsy miankina amin'ny tsipelin'ilay fototeny velively izy io.
Ohatra : Fampahafantarana (anarana) - Ampahafantarina (Enti-milaza)
Ho tanterahina ny lanonana. Samy miezaka amin'ny fanatanterahana azy ny rehetra.

Fanoratana fa tsy fanoratra toy ny amin'ny hoe fambolena fa tsy famboly.
Penina fanoratana - fanoratako
(f-an-(s)orat(r)a-ana- fa tsy hoe fanoratro, - famboleko, fambolentsika... Ny fototeny no mandray avy hatrany hoe soratro, soratrao..., volinao, volinareo Izany hoe amin'ny fitaovana no ampiasaina iretsy voalohany tsaoka fanoratana. Fa ilay faharoa dia any amin'ny fomba : fomba fanoratra, fomba famboly...

Ny andro amin'ny teny malagasy : Sabotsy fa tsy Asabotsy (ao anaty Rakibolana Malagasy)
Ny volana amin'ny teny malagasy : Aprily fa tsy Avrily. Ireo volana ireo manomboka amin'ny Janoary ka hatramin'ny Desambra dia avy amin'ny teny English (January, February....), noho izany dia avy amin'ny april ilay izy fa tsy avril ka ho lasa avrily izany.


Mba hezahina ny mampiasa teny malagasy madio tsy misy fangarony fa manjary toy ieny mihinana VARY BE AKOTRY ireny e ! Aleo miato kely aloha mitady izay tokony ho teny malagasy mahalaza izay tiana hotenenina na soratana ka rehefa afa-po vao mampiasa teny hafa ka tokony hatao anaty farango sosona " " ny teny vahiny nampiasaina. Ny mpihaino na mpamaky dia tokony hanampy ilay mpiteny/mpanoratra raha toa malalaka ny sehatra mba hifandrimbonana ny asa dia ho tratra ny tanjona rehefa iraisana ny ezaka. 

Izay aloha ny anio fa amin'ny manaraka indray. Ampatsiahivina hatrany fa TAONA IRAISAM-PIRENENA HO AN'NY TENY ITY 2008 ITY ka andao hasoavina ny TENINTSIKA dia ny MALAGASY izany.

TAIZA AHO OMALY "lundi de Paques" ?

Nampidirin'i tsikisariaka | 27 Mar, 2008

ARAHABAINA NAHAVITA PAKA DAHOLO E !

EFA NANORATRA LAVA BE MIHIITSY AHO FA ASA IZAY NANJO FA NALEFA NEFA TSY HITA ILAY IZY. ITY HIRA IRAY ITY NO HAMINTINAKO AZY DIA FANTATRAREO HOE : "TAIZA ARY AHO OMALY". TSY HAIKO NY MAMPIDITRA HIRA DIA NY TONONY NO ALEFAKO E ! ANKAFIZO IHANY...

 


 

 

MISY AFO MIVAIVAY IZAY MBA TOKONY HOVONOINA
NANDORO AHY IZAY ELA IZAY KA ILAKO ANAO
TOVANAM-PERY ANANKIRAY IZAY MBA IRIKO MBA TSABOINA
NAMPIJALY AHY HATRIZAY IANGAVIAKO ANAO

FA MBOLA TSY MORA NY HAMONO ILAY AFO MAHAMAY
AMPIO RE RAHA MISY FITIAVANA
FA MBOLA TSY MORA NY HITSABO AHY MATOA AHO TOY IZAO
SENTO KELY TSINDRAINDRAY DIA MANDRATRA FO
TOA ATAONY TSY AFA-BELA NOVEREZIN-JO

MISY TANTARA IRAY EFA INIAKO TSY HO TSAROINA
ANATY ALIM-PITO AHO VAO INJAY MITAMBERINA
TANDINDON'ILAY OLONA IZAY
HADINOINA MIHA-VOATSIAHY
ADIM-PIAINANA VOARAY TAONA MARO IZAY

FA MBOLA TSY MORA NY HAMAHA ILAY FATOMATINAY
HATRAMIZAO AHO TSY METY MINO HOE RAVA NY ANAY
FA MBOLA TSY MORA NY HANOLO AZY SATRIA HATRAMIZAO
MBOLA REKO MAMELOVELO AO IREO TALOHA
MBOLA INJAO FA MIELOELO FA TSY METY HIFOHA

REBIKA manontolo nankalaza ny faha-20 taonany tetsy Anjonjombe
(Hery, Benja, Lucien, Noely, Heritiana, Rampal, Nirina, Rivo, Lôla, Patrick - ireo mpitendry hafa - ireo mpandihy - izahay rehetra mpankafy !)

Mankalaza sy mirary soa hatrany e !

 

TAGY LAGY

Nampidirin'i tsikisariaka | 19 Mar, 2008

Izay no tonga tao an-tsaiko voalohany fony vao tazako ny resaka tagy. Mbola tsy haiko ny dikany. Tsy nihevitra ny hiditra lalina rahateo ny tenako. Kinanjo.....
Ilay mba nanao "cours particulier" ho ahy indray no nanome lagy ahy, oadray, azafady, nanome tagy ahy, euhhh ni-tagy ahy.
Devoara hoy ikalaratsy, oups, ikalamako ! dia ity ilay izy ka izao, tsy koua na dia aotra aza ny naoty fa tsy fanadinana ilay izy - raikitra ary :

1. Ny hevitra natoraka momba ny fianakans : "Tsy tamy irery ny loza" - tsy ela akory izay ary isan'ny tena nanahirana ny fianakaviana tokoa. Tena vao tsy mitràka dia indro indray, soa fa tsy nisy aina nafoy izay isaorana ny Tompo. Jereo ato : http://tsikisariaka.blaogy.com/post/638/4299

2. Ny momba ny namana : nezahiko iantsoana sy iresahana ny namana "fahiny" ka niangaliako tamin'ny lohateny hoe "Ny fahiniko ve ? ary ny anao ?"... saingy tsy izay no nitranga, tsiaro sisa ho an'izay nitovy feeling na dia tsy nifankafantatra aza ary dia raisina ho namana avokoa ireny na dia vanim-potoana samihafa aza no nandalovana. Araho ao amin'ny : http://tsikisariaka.blaogy.com/post/638/4102

3. Nitoraka hevitra koa aho ary dia ny momba ahy manokana angaha no foto-kevitra ? Soa fa tsy dia tena sékré araka ny niheverana azy marina ! Hay, zavatra mahavarina nitranga tamiko tamin'ny 2004... Voan'ny tamberin'andro na tamberin'ora aho tamin'izay. "Amin'ny firy àry izao" ao amin'ny http://tsikisariaka.blaogy.com/post/638/4258

4. Dia inona koa ? ny zavatra tiako ? tao amin'ny hevitra natorako ve ? Tiako daholo ihany matoa nalefako ka ! fa isan'ny tena nahafinaritra ahy dia ilay natorako farany ary e ! momba ilay zanako, (tena mamy ny zanaka na ratsy na tsara, na hendry na maditra - mais les enfants ne sont pas quelques choses...) "Noor, deuxième dauphine !" izay ho hitanao ao amin'ny http://tsikisariaka.blaogy.com/post/638/4385 (isan'ny mba nahazoana hevitra betsaka na dia... hi hi hi,... jereo any e !)

5. Ouf, ity ilay farany... 'n'importe quoi" ! ny hevitra natoratoraka fotsiny, inona re e, hay, "servitude de passage" Hevitra ifanakalozana saingy tsy dia mahaliana na dia zava-dehibe aza no lazainy http://tsikisariaka.blaogy.com/post/638/3541 na koa ilay iray, shhh aleo lazaiko ihany ka ! hoe "lany ilay Boay kely", resaka pôlitika, mandreraka ihany http://tsikisariaka.blaogy.com/post/638/3799

Izay izany !!!!

Ny tapany faharoa ? I don't want to be among "lost" though I'm lost if you want to me to tell about this. I actually missed it ! NO IDEA ! Das weiB ich nicht e ! film hafa tenenina.
Na izany aza, aleo moa lazaiko ihany amin'ny ankapobeny fa izaho tsy tia film lalaovin'i Nicolas Cage, na i Jim Carrey na koa i Freeman... Sady raha film tsy mitrifana tsy tiako, ny ahy ilay mampitaintaina ireny no tiako, resaka gadragadra na tifitifitra na ôrerarera e ! (24H chrono, Prison break..... sy izay miramira amin'ireny !)

Tapany fahatelo sady farany : Dray dray dray, hitanisa mpitoraka blaogy ! izaho aloha tsy mahaaraka loatra hoe iza no iza dia iza no maninona moa ? Indrindra moa fa hoe iza no mbola tsy voatagy. Aleo alefa e ! dia any izany.....

1) DadaRabe : akama be iny, mpanindrona ny ati-fanahin'ny olona amin'ilay tononkalo mavesatra dia mavesatra, misaotra ihany fa tour-nao izao !

2) Ikalakely : mahafinaritra ilay miady hevitra fa mba ifankafantarana bebe kokoa dia mba tantarao anay ny sisa e !

3) Pissoa moa sa Sazikely : ny iray aminareo roa (azafady fa afangaroko foana ianareo) ilay nanao ahy ho non classée dia tsy nahazo bulletin za an ! alefaso hoe ?

4) Aza maika, tsy hadinoko akory ka ! Lap ! ô ô ... where are you ? it's your turn, I want to hear from you in a tagged way !!!

5) Dia ilay farany nefa tsy bitika dia Ra-Jentl, aiza ho aiza ary izy izay ! Jentilisa a a a a

Izay ve ?

VITA TOMPOKO

 



 

Noor, deuxième dauphine.

Nampidirin'i tsikisariaka | 14 Mar, 2008

Tamin'ny 07 mars 2008 tao amin'ny La Résidence Ankerana no nanao ny Fifampiarahaban'ny Tanora Andriandranando.

Nisy ny fifidianana izay ho Andriambavin'ny hatsaran-tarehy ka isan'ny nandray anjara i Noor, vavimatoan'i tsikisariaka, ary dia amin-kafaliana no hizarana aminareo eto izany vokatra izany satria dia izy no voahosotra ho "Deuxième Dauphine". 

Toa izao ny lahatsoratra navoakan'ny www.sobika.com momba azy io :

 09 MARS 2008 : Elections de Miss Andriandranando

07/03/08 : Voici un (petit) reportage sur l'élection de Miss Andriandranando. Les Andriandranando sont une des grandes familles issues de la noblesse malagasy. Ils ont organisé une sympathique soirée de Miss tout a fait honorifique. Une élection qui s'est tenue à La Résidence Ankerana ( Antananarivo ) le vendredi 7 Mars.

 

ASARAMANITRA

Nampidirin'i tsikisariaka | 8 Mar, 2008
Anio dia poa-droa, raha ny teto Iarivo no fantatro, fa sady andron’ny vehivavy no Asaramanitra ihany koa. Ny voalohany an’izao tontolo izao fa ilay faharoa kosa dia an’ny Malagasy. Vanim-potoanan’ny Asara tokoa izao fa anio no Asaramanitra izay mifanitsy indrindra amin’ny lazain-“drizareo” hoe taona vaovao. Samihafa amin’ilay Alahamadibe amin’ny volana Oktôbra io. Misy hetsika mifandraika amin’izao etsy amin’ny Tahala Rarihasina Analakely Antananarivo androany 08.03.08… Ho taterina eny ihany ny akony raha mahazo ny tenanay e !

Koa arahabaina izany nahatratra ny Asaramanitra isika rehetra. Dia ao anatin’izany koa no irariana soa ny Andriambavilanitra rehetra amin’izao 8 martsa izao.

Tsy tamy irery ny loza

Nampidirin'i tsikisariaka | 3 Mar, 2008

Betsaka ny loza mitranga ankehitriny : rivotra, halatra, vonoan'olona sns... Indraindray dia misy ny loza mifampisarika ka mampifanesy azy ireny. Ndeha anie hotantaraiko aminareo ity zava-nitranga ity e !

Tamin'ny Sabotsy 23 Fabroary 2008 alina dia nandalovan'ny mpangalatra ny trano iray teny Ambatofotsy avaradrano ary dia foana ny lakozia, lasa avokoa izay fitaovana zakany tao. Ny tompon-trano anefa tamin'io matory ao amin'ny efitra mifanila amin'ny lakozia tsy nandre izay ambonin'ny tany. Nony tafafoha vao vaka sy ana ry zareo fa nafoy tao anatin'ny indray mipi-maso ny fananana. Nandeha teo ny fankaherezana sy ny finiavana hitràka teo anoloan'izany. Ry zareo koa mbola tanora afaka hihary soa aman-tsara. Mila ezaka kely dia tafaverina eo izay mety ho azo.

Tonga ny Alakamisy manaraka (28.02.08) an'iny dia tera-bao Ramatoa. Somebiseby ny iray trano, ny vahiny tsy maintsy ho raisina amin'ny fomba mihaja sy feno fitiavana, ny tena vao eo no novizan'ny ratsy fanahy. Dia atao ahoana fa dia natao hatrany ny ezaka fa mba fifaliana ity tonga, fahasoavana ity nitranga ka dia velom-pifaliana sy tsiky ny mpianakavy rehetra.

Ny ampitson'iny, zoma 29.02.08, nisy ny fanasana nifanaovan'ny fianakaviana, alim-pandihizana izay nisian'ny zanaka iombonana nifaninana tamin'itony tovovavy kanto (miss) ka dia nandeha namonjy izany ilay vao nahazo zazakely (ilay rangahy an ! fa Ramatoa moa tsy mankaiza fa mitaiza). Vita ny fifaninanana, nandihy ny rehetra teo am-piandrasana ny valiny tanaty tebiteby...
Tampoka teo dia nisy niantso ny finday iray teo ambony latabatra, izaho tamin'io tsy mba nandihy fa niandry latabatra (soa ihany), noraisiko ilay finday, avy dia fantar'ilay olona ny feoko ary hoy izy hoe :".... misy manafika izahay fa vonjeo, efa ao am-baravarana ry zareo !" "eny" hoy aho sady nitsangana aho niantso ny manodidina ary nanontany hoe an'iza ity finday ity... ary teo vao fantatro koa hoe iza ilay niantso fa nifangaro tamiko ny feon'ireo mpiantso anay.

Nikoropaka ny mpianakavy... ilay tena tompon'ny finday no tsy tazana fa vao notadiavina, efa nalefa nandeha aloha ny fiara iray misy olona teo amin'ny 5 lahy ry zareo ? nandha namonjy tany... tany amin'ilay toerana vaky lakozia voalaza tetsy ambony ihany io !!! Loza izany. Nony kelikely vao nipoitra ilay Ramose, kay moa izy naka rivotra sy nifoka sigara tao amabadiky ny fidirana dia tsy nisy nahita no sady tsy nandre ny korapaka teo. Dia nambara taminy tamim-pahatoniana ny resaka ka taitra mafy izy, kivy tanteraka ! tsy laitra notohaina anefa fa dia ny hirifatra ihany handeha hamonjy ny vady aman-janany no tao an-tsainy... nifandroitana teo ka lasa ihany ary dia ny zanako lahy 14 taona no nanaraka azy tany sy nampitony azy eny am-pandehanana. Tonga soa aman-tsara tany ny fiara rehefa avy nanao "rallye".

Izahay tao amin'ny "bal" niandry trano tao satria ny fety efa rava tamin'ny 2.30 maraina. Ilay fifaninanana ve ? eny e ! fahatelo ilay zanakay tamin'ny fifaninanana (2è dauphine) Efa tsara satria mbola isan'ny nahazo salotra sy loka.

Ny tany Avaradrano : tsy nisy naninona ny vady aman-janak'ingahy teo, misaotra an'Andriamanitra. Lava ny alina nanaovana ny fanarahan-dia ny mpangalatra, nisy ihany ny entana notsimponina teny an-dàlana, nisy ihany koa ny noahiana saingy... tsy nisy tratra ny mpangalatra. Maraina foana ny andro, mbola tsy vita ny raharaha teny amin'ny zandary sy ny sisa. Ny mpanontrona efa lasa nody rehefa nilamindamina ny tany.

Sabotsy 01 Martsa : nanenoneno foana ny findaiko.... nifandimby niantso ahy izay mbola tany ivelany tany ary efa "suspens" 20 minitra teo vao....
... re ny vaovao fa tratry ny lozam-pifamoivoizana ingahy ! ilay ranadahy tratry ny mpangalatra sy vao tera-bao teo ! an-tenda ny aiko, tsy afaka nihoraka sy nitomany mafy satria tao an-trano i Papa sy i Mama.... mody mandaha ao an-dakozia aho na ao amin'ny "douche" mba hitomany dia mamafa maso indray rehefa hiverina tatsy !

Tonga indray ny antso fa tsy maintsy hiainga aho hamonjy ilay maratra sy ny taxi nanatitra azy teny amin'ny "urgences HJRA" satrai ny olona sasany nijery "constat" sns... inona no hevitra ? mody ny findaiko no nahodinkodiko ary nilaza aho hoe : "Mama a, tsisy crédit tsony aho fa ndeha hijery crédit !... " dia nomeny vola koa aho hamidy zavatra hafa. Dia ataoko ahoana indray izany ity hafany nefa aho handeha, niantso olona aho mba hiandry ao amin-drizareo sady nampitondraiko ilay hafatra sy ny hoe : "lazao zareo fa tsisy crédit raha tsy alavidavitra"... dia nihodinkodina teny ny ora. Nanana ny tsindrimandriny ilay reniko ary nibip ny ankizy rehetra izay tsy nisy namaly, mbola porofo ny fisian'ny tranga izany fa tsy nisy sahy nilaza taminy aloha. Tonga teny amin'ny hôpitaly aho ! Efa sérum sy oxygène no nandravaka ny endrik'ilay anadahiko. Tsy afaka miteny izy. Soa ihany fa mahatsiaro saina na dia mbola reraka mafy aza izy. Izay aho vao niantso an'i Mama ka bedy be. Mitomany be izy miresaka amiko. Maditra daholo hono izahay fa maninona ny zanany. Tsy maninona izy hoy aho fa efa ho avy any haka anareo ny ankizy.

Nihaona daholo izahay 8 mianaka (izy mivady sy izahay 6 mianadahy naterany) nony avy eo. Nontronin'ireo vadinay avy izany.

Mafy noho ny mafy izany ry reto a ! Mampalahelo. Izahay rehetra aza moa mahatsiaro voadona mainka fa Ranadahy izay niharan'izany rehetra izany ? hita tena kivy tokoa izy ary mbola eny amin'ny hôpitaly amin'izao. Fa dia eo ny rehetra manontrona azy.

Koa mivavaka ho azy mba hiverenan'ny fahasalamany tanteraka !

 

 

 

 

Amin'ny firy ary izao ?

Nampidirin'i tsikisariaka | 27 Feb, 2008

Vanim-potoanan'ny rivo-doza toy izao ary nitovitovy tamin'ny nafitsok'i Ivan iny ilay izy. Tamin'ny taona 2004 no niseho ny tantara.
Avy be ny orana. Nifofofofo mafy mihitsy ny rivotra ary efa nampilazaina mialoha rahateo moa ny teto Iarivo fa loza mihatra ny anjarany. Tsy nisy niasa sy nianatra tamin'izany fotoana izany. Tsy tsaroako hoe nandritra ny roa sa telo andro izy izay. Tapaka ny herin'aratra. Rehefa avy niteniteny ny radio dia tapaka koa na dia efa nividy pile aza aho andefasana ilay radio kely. Nony avy nisakafo sy niresadresaka teo izahay dia nohidiana ny trano ary dia natory. Dia resin-tory koa aho rehefa avy nampatory ny ankizy. Tena natory. [Ingahirainy tamin'io namita asa tany amin'ny faritany]

Nony afaka ora efatra tany ho any (angamba) dia tafafoha aho. Tony ny any ivelany. Tsy re intsony ny ora-mijojo. Nangingina koa ny rivotra izay nampandihy ny tafo sy ny hazo rehetra tany rehetra tany. Nojereko ireto ankizy... tena mbola anaty nofy. Somambisamby ny tara-pahazavana tazako eo anelanelan-kazon'ny varavaran-kely. Nijery famataranandro aho... "Amin'ny firy ary izao?" - Amin'ny 5ora sy 30mn ny tamin'ilay famataranandro kely fanao an-tànana. Nokapokapohako ilay izy fa hoy aho an'eritreritro "maty indray ity, shhhh". Dia lasa aho nijery ilay famataranandro be tao amin'ny efitrano ilany... "@ 5.30", "shhhh, maty daholo ny famataranandro..., fa naninona ary ?" (tratry ny cyclone hatrato koa ?)...

Tsy tadidiko raha nandrehitra radio aho na tsia....

Tapaka ny hevitro fa handeha hivoaka ny trano aho. Ohatry ny hoe handeha hanontany "lera" ? Tsy lera mantsy no tena notadiaviko fa hoe ....... "MARAINA SA HARIVA ARY IZAO ?". Nanao mafana tsara aho dia nohidiko tsara avy any ivelany ny trano dia lasa aho.

Diniho tsara fa rehefa ratsy ny andro, tsy ampy ny hazavana voajanahary ka hila hitovitovy mihitsy ny amin'ny 5.30 am sy 5.30 pm - Ny tao an-tsaiko dia manisa olona eny an-dalam-be ka raha vao bebe ny olona mandehandeha sy hoe raha misimisy ny mpivarotra mivoha amin'io fotoana io dia hariva ny andro. Ny mifanohitra amin'izay dia maraina izany. Ny tranonay moa midina ambaratonga faharoa miohatra amin'ny arabe. Niakatra ny totohabato izay aho ka rehefa vitako ny ambaratonga ambany misy ny tanananay dia efa tazana ny trano ery am-pitan'ny arabe... sekoly roa (ny voalohany an'ny fanjakana, ny faharoa an'ny tsy miankina) rava tafo no mitsena ny maso. Izany no tena hoe sola ! Ny hazo taminy aza nitsingidina tety ambany koa. Nandeha tao an-dohako tao daholo ny "Andriamanitro ô..." sns. Mbola nisy ihany kay ny rivotra tany ivelany tany. Soa ihany fa nanao akanjo maro sy matevina aho raha tsy izany dia zakan'ny rivotra tokoa. Olona iray no hany mba nifanena tamiko tao anaty totohatra.

Nony tonga teo amin'ny arabe aho dia variana fa voaravaky ny vato, tapa-kazo ary vangongom-pasika ny làlana. Zara raha nisy fiara nandalo. Olona nandeha an-tongotra roa na telo ihany koa no tazako teny. "MARAINA SA HARIVA ARY IZAO ?" Mbola tsy nivaly ilay fanontaniana.

Niampita aho ary mbola mitsofoka lalan-kely indray vao tonga any amin'ny ivon-tanàna misy ireo tsena sy ahitana olona betsaka. Indreny tokoa fa nitombo isa ny olona tazako na dia tsy betsaka aza. Samy mifonofono amin'ny akanjo mafana avokoa. Misaron-doha toa ahy koa...  Eny am-pita no misy ireo mpivarotra enta-madinika isan-karazany.... Mandrehitra labozia daholo ry zareo.... "AMIN'NY FIRY ARY IZAO?"... tsy sahy nanontany aho satria tsy izay loatra no tiako ho fantatra. Ny olona tsy betsaka ohatry ny isanandro... amin'izaho rehefa miantsena hariva. Ary ny maraina ? F'angaha moa izaho mpivoaka maraina be ? Dia tsy haiko izany !

Hany heriko dia nandany fotoana kely mihitsy aloha aho hijereko ny fizotry ny andro na miha-mazava na miha-maizina. Nividividy vatsy aho... (labozia, afokasoka, tsaramaso, paty zôna, biski......). Ny nahagaga koa dia tsy nahita olom-pantatra nifanatsafana aho. Soa ihany koa e ! naleoko izaho ihany no mahita ny marina ho ahy.

Nony ela ny ela dia..... HARIVA NY ANDRO ! nihamaizina tsinona. Nandeha nody malaky aho sao dia tena ho maizina tokoa ny ao an-tohatra ka ny olon-dratsy indray no hifanenàna tao. Sady sao mifoha koa ny ankizy ka ho gaga tsy hahita ahy ao. 

Nivaly ihany ny fanontaniako, ningonongonona tany an-tsaiko tany aho fa hay tamin'ny 5.30 pm ilay izy. Nony tao an-trano aho, mbola natory izy ireo. Nojereko avokoa ireo famatarandro nolazaiko teny ambony fa nihodina tsara...

Hay izaho mihitsy no tratry ny tamberin'andro. Rehefa avy eo mantsy vao tena hatory sy hanonofy ao anatin'ny alina.

Nandalo ny rivo-DOZA !!!

Nampidirin'i tsikisariaka | 20 Feb, 2008
Manjombona ny andro aty, misidina any an-doha any ny aingam-panahy fa tsy ampy ny fotoana handrafetana azy an-tsoratra e ! tsy maninona fa tsy very ireny fa tahiry anaty.
Nisy an'ilay cyclone IVAN mantsy eto dago izay nikiry tsy nety nivoaka fa mananihany nanimba zavatra sy misetra ny ain'ny gasy fotsiny. Aiza ve ka natao hivoaka ny Talata fa naleony nanoratra U, nitamberina dia nanao ny ataony mandrak'alininy dia tao Ihorombe tao no miziriziry omaly maraina. Ny RDB nilaza hoe tombanana hivoaka ny tolakandro hoy ny météo, hono, kanjo nony nijery TV alina dia kay nivoaka tamin’ny 11.30 maraina ity izy. Efa hatry ny Alatsinainy no tsy nianatra ny mpianatra, Talata ihany koa. Alarobia vao nandeha ka rafitra ihany ny “contrôle” efa niomanan'ireo ankizy atrehina tamin’ny Alatsinainy.
Lasa tokoa IVAN (jereo ny blaogin’ny FOKO fa misy sary ao). Fa ikala HONDO izay efa teo teo aloha no nisampotina tonga manampy trotraka ny efa fahavoazana teo...
Orana mijojo. Hatsiaka mamirifiry. Ny sasalamba miandry andro maina. Tsy mba mampiasa irony fitaovana raitra aty fa manaikitra be ny herinaratry ny Jirama. Ny Jirama moa dia efa gafian'ny loza voajanahary koa ankehitriny ka na dia nohiraina aza ny delestazy mifarana dia tsy vanon-tsy ho tapaka ny jiro. Iainana daholo izany fa ho aiza moa ? Ny "mahereza" izao no foto-tsakafon'ny Gasy satria efa vonona ny hizaka izay miseho e ! Ary dia zaka ihany moa e ! 
Omaly nifanena tampoka ny mpiara-monina fa ho ao amin’ny Lehiben’ny Fokontany hono fa tra-boina mila fialofana sy fanampiana. Hoy, hono, Ingahy tompon’andraikitra : “Efa feno ka tsy hitako intsony !” Dia ny manodidina nanao hoe : “Ilazao Prezidà mba hifanaraka amin’i Mômpera dia mba ao aloha no mialoka ianareo...” Nihanahana ireto olona tra-boina satria mbola hiverina any indray ve izany ??? Tsy maintsy ka ho aiza ary ? (Tsy reko intsony ny tohiny fa dia mirary soa ho azy ireny aho...).
Fa tsy tambo isaina mantsy izy ireny ankehitriny... Be loatra ny orana, ny trano tsizarizary tsy nahatohitra ny hotsaka dia nirodana... Taty akaikinay, tsy nisy tototra fa any ambadika any dia misy foana ny tena loza izay mihatra aman’aina.
Ny sary nasehon’ny TV alina koa tena mampalahelo e ! ohatra iray ny fahatapahan’ny lalana any Alarobia Vohiposa izay tototry ny rano ny tetezana. Ny RN rehetra moa dia niharam-pahavoazana daholo e ! fa io iray io no tena tapaka.
Izay no ainga vitako fa mahaontsa loatra ka tsy afaka hikalo angamba aho ka !
Omeko ireo namako mpiantsa ny sehatra ary e !

Ny fahiniko ve ? Ary ny anao ?

Nampidirin'i tsikisariaka | 7 Feb, 2008

 

Hisentoako ny fahiniko
Ka angamba tsy hotsiniko
Raha zaraiko eto androany
Izany vetsom-poko izany

???????????????????????

 

 

2008 : Samia ho sambatra tokoa e !

Nampidirin'i tsikisariaka | 4 Jan, 2008

Tonga ihany aho !Cool

Nihodinkodina nizaha
Niherikerika nijery
Lany andro nampitaha
Nivezivezy saika very

Nandefa lavitra ny saina
Naminany ampitso koa
Naniry ho to izay ilaina
Sy izay heverina ho soa

Dia tonga ihany aho nandrafitra
Tononkalo sy ny vetsoko
Hirariako soa mba ho finaritra
Antsika izay mandalo eto

Ho tahian'ny Avo haharitra ela
Halavirin-dratsy, hambinin-tsoa
Ny sotasota anie ho tavela
Samia ho sambatra tokoa

T. 04.01.08Smile




KRISMASY

Nampidirin'i tsikisariaka | 19 Des, 2007

Tonga tokoa ny Krismasy 2007. Smile

Ny ahy moa na inona na inona tranga mandalo amiko sy ny manodidina ahy dia manan-danja foana ny isanandro (pour que chaque jour compte hoy i Jack izay, tao amin'ny Titanic). Dia variana ny mpiara-miasa amiko fa ny ahy vao nitsidika ny Desambra dia efa nipetraka ny hazo krismasikeliko voaravaka jiro eo ambony biraoko fa sady fahafinaretana ho ahy ilay izy no fizarako izany hafaliana izany amin'ny rehetra. Dia mitsiky izay mandalo sy mahita e !  

Fa tsaroako fony mbola kely, tena hafa mihitsy izany hiatrika Krismasy izany teo anatrehan'i Papa sy i Mama. Somokotra ery mijery boky hangalana didin'akanjo sy endriky ny lamba. Fa indray mandeha izay... natao ny safidy. Nony injay anefa nandeha nanandrana ilay akanjo dia somary diso fanantenana fa tsy nitovy tamin'ilay tao anaty boky ! Hay moa ny didiny no nalain-tahaka zato isan-jato (chasuble moa izy izay !) fa ilay lokony tsy nitovy satria.... tsy maintsy fotsy ny akanjonay mpanao "arbre de Noël". Indrisy.... Fa tsy naninona loatra aloha satria hiatrika fety dia faly ihany.   

Ny an'ilay zandrinay indray dia resaka kiraro. Mijery, dia misafidy dia mividy. Rehefa tonga tany an-trano dia sahirana izy fa nanaikitra ilay izy, somary misy "talon" rahateo... Kay hono naninona ? Natahotra ny tsy hahazo dia nekena fotsiny ! K'angaha azo nanaovana intsony ilay kiraro ...fa efa votsitra ilay tongotra kely ny tontolo andron'ny 25 Desambra tamin'izany ? Ntsôôô...  

Na izany aza dia zava-dehibe taminay ankizy ny hoe MAHAZO tamin'izany. Ary ankehitriny... izaho sy ny ankiziko ?

Efa mahay mamaritra ny ankizy ankehitriny :

- Izaho tsy hividiananareo akanjo fa omeo ny vola hijereko azy (samy manana ny lamaodiny tokoa ary tsy iankinana amin'ny lehibe ny safidy an ! Eny fa na dia maharaka tsara aza ny lehibe !!!)

- Izaho tsy hanao palitao izany an ! (jerena anefa ireo jeune garçon, mahafatifaty ery manao izany. Mafana ny andro ka tsy terena koa aloha izy ireo e ! rehefa mba velon-drirana ny pataloha - Mijidina ny lobaka - Asiana fehitenda kely - Mangirana ny kiraro - Salama ny hogo dia... faly i Neny ary mirana i Dada)

- Ny ahy, hoy ilay faravavy (8 taona), kiraro talon sy akanjo midoroboka ohatry ny an'ny ankizy rehetra (Safidy tena mifanaraka amin'ny an'ny olon-dehibe, izy koa mbola azo tarihina tsara. Efa azony ny azy ka tsy andriny ery izany ahatongavan'ny Krismasy izany)  

Fa ry zareo ireo tsy mba nanao "arbre de Noël", tsy nety nanao, izahay koa tsy nanery ! Ny hazo krismasy ao an-trano anefa dia tsy neken-drizareo raha tsy eo daholo ireo olona kely sy biby ho an'ny tranon'omby.

Izany aloha no vetsovetson'i Neny amin'izao mialoha Krismasy izao. Ny zava-dehibe dia hoe hafa raha samy andro ny Krismasy fa sady andron'ny tsiaro masina no andron'ny fety ifaliana koa. Mazava ho azy fa ezaka imasoana ny fanavahana ny andron'ny 25 Desambra amin'ny fitafiana, amin'ny fihetsika, amin'ny fanahy sy ny fivavahana, amin'ny sakafo, amin'ny fety sy ny sisa e !  Tsy hadino ny manatitra solombodiakoho ho an'i Papa sy Mama fa mitangorona any daholo rahateo izahay rehetra rehefa fety be toy izany.

Samy hahatratra izany avokoa anie isika. Samia ravoravo e ! Cool

Lany ilay "Boay Kely"

Nampidirin'i tsikisariaka | 13 Des, 2007

Novohizana mafy ery io petak'anarana io tamin'ny herinandro lasa. Raha ny taona sy ny ara-batana aloha dia izay mihitsy ilay izy fa raha ny traikefa angamba dia ataoko hoe sakamalaho sy havozo ireo mpifaninana ka samy manana ny hanitra ho azy !

Ry zareo kandidà ho Ben'ny tanàna no tian-ko lazaina eto ka ! Eny hoy aho ka dia lany ho Ben'ny tanàna izany ilay "Boay kely", azafady, i Andry TGV, oadray, Andriamatoa RAJOELINA Andry e ! Na dia mbola tsy ôfisialy aza ny vokatra dia efa mankalaza izany ny tenanay. Izay koa no lohateny lehibe nataon'ireo gazety isan-karazany androany.

Nahavita azy Andriamatoa RAFALIMANANA Hery (mampatsiahy ahy olona izany anarana izany an !) fa dia toerana ifandimbiasana moa izy ity ka dia isaorana tokoa izy tamin'izay vitany sy izay mety ho tolo-tànana ataony amin'ny fiaraha-miasa f'izany rahateo no ilaina amin'ity tany ity. Ny pôlitika tokoa mantsy no mampisara-bazana ary hatraiza hatraiza io fa dia aleo tsy resahina betsaka fa mety hampiady mihitsy... raha ny marina dia mpinamana daholo rehefa tsy mifanisy ratsy ka ! (nefa aho te-hiresaka fa aleo aloha hiseho ho OLP e !). Na izany aza dia mba te-hanisika kely ihany ny hevitra hoe : raha ny anarana fotsiny no nentin'ingahy io fa tsy nosaronana kasikety pôlitika ity loha dia mba tsy.... sns sns ny olona ! Isan'ny mba mitsetra ihany aho. Soa ihany aloha fa resaka Antananarivo sy samy Antananarivo ihany tokoa e ! ka dia tandremana ny amin'ny sisa. 

Teo aloha teo dia nalilo ny sofiko naheno ny hoe : "tsy mahalala an'Antananarivo ?" - Iarivo sy ny 2002 no tian-kotsindriana hono ! dia sahiran-tsaina ery hoe, izay tokoa moa Antananarivo ? Rehefa izay dia izay ve ? 'Nao ary !

Kanefa... kanefa, hoy aho, Antananarivo koa kay mifoha fa tsy matory e ! mihiratra be ny masony ary mahiratra rahateo ny sainy. Dia mitsoka izao ny rivom-piovana ka dia.... 'ndeha izatsy izy Andriamatoa Boay kely ! Raiso ny faneva dia ento ny tanàna... fa izahay mitso-drano e !

Oay, mba mijery blaogy ve moa izy iny ? sa misy ny mpampita hafatra ? mety daholo izany ka !

Farany, aleo ihany aho hiala tsiny fa tsy sanatria maniratsira fa mba manisy sira kely fotsiny.

Koa.... Manaja sy mankasitraka ary mitso-drano an'Andriamatoa RAJOELINA Andry izay ho Ben'ny tanàna vaovaon'Antananarivo renivohitra ny tenako.

 



 

 

MAMBOLY HALA

Nampidirin'i tsikisariaka | 29 Nov, 2007


Ny siaka tafahoatra
Sy teny ratsinao
Rehefa mba mitroatra
Eh mba avelao  

Fa na dia tia tokoa
Mety mbola ho leo
Maratra moa ny fo
Ka tofoka hatreo  

Tsy hay atao malala
Tsy mamy intsony koa
Satria mamboly hala
Raha tezitra ny fo  

18.09.04 – 00 h 41
 

TSIARO MAMY

Nampidirin'i tsikisariaka | 24 Nov, 2007

TSIARO MAMY

Hovelomiko eto indray ny vetsovetsoko fahiny
Fony isika mbola adala, toy ireny tsisy tsiny
Nifamboraka fitia, nifampizara alahelo
Tapa-kevitra hifandray, hiombon-tsiambaratelo  

Firy taona lasa izay, tsaroako mihitsy tsy haiko hadino
Irony teny maminao satry foana tsy hangina
Tsy nisy bedy, teniteny, faly foana nankafiziko
Toy ireny tsy hisy farany ny androntsika fa tadidiko  

Mbola tiako hitohy ihany ireny lasantsika ireny
Ka na tezitra aza ianao na midongy aho indraindray
Tokony hoe ho mamy foana mahafaly ireo teny
Hifandraisantsika roa hatrizao ka rahatrizay  

Hitanao fa rehefa sendra mifamaly izaho sy ianao
Manindry fo no azo atao mba tsy hihitatra ny ady
Iniako atao ny mahatsiaro ny tsiky sy hatsaram-ponao
Hodiako tsy hay ny tezitrao, izaho eo mirana sahady  

20.03.01 – 10h 45
 

MOMBA IZAY EFITRANO IZAY

Nampidirin'i tsikisariaka | 15 Nov, 2007
Etsy ambany etsy misy miresaka momba ny efitranony… dia izaho nihevitra fa hoe :

ity efitrano ity  
dia mbola miara-miaina  
ny sento sy taraina  
iainanay ety,   

ity efitrano ity  
no zoro iafenana,  
iaretana tsy ferana  
ny ratsy sy ny fy   

kay ity efitrano ity  
mirakitra tantara  
sisa aty afara...  

izaho irery mantsy  
no toran'ny tsiaro,  
amin'ny "aloka mangia  
ity efitrano ity"  

15.11.07   
(Setrin’ny “Ity efitranoko ity” an’i DadaRabe)

BANGA IRAY INDRAY NY TONTOLON'NY ZAVA-KANTO

Nampidirin'i tsikisariaka | 13 Nov, 2007
Omaly tao amin'ny haino aman-jery teto an-drenivohitr'i Madagasikara dia nandrenesana ny fahafatesan'ny artista iray "indray". "Indray" hoy aho satria zary nifanesisesy tato ho ato ny fahalasanan'ny mpanakanto. Ireny no voateny dia satria misongadina ao anatin'ny fiaraha-monina ny mpanakanto ary fantatry ny besinimaro noho ny asany izay vohizin'ny fitaovan-tserasera isan-karazany. Nodimandry ny namana mpanakanto "DARAFIFY" izay nilalao tao amin'ny sarimihetsika hoe "ADALA MATANJAKA". 32 taona ny lehilahy izao nindaosin'ny fahafatesana izao. Any Ambanja no ho tanterahina ny fandevenana anio. Miombom-pahoriana amin'ny fianakaviany ny tenako ary mirary fiononana feno ho azy. Miara-miondrika ihany koa amin'ny fikambananm-ben'ny artista malagasy.

TÔTY, UN GRAND MUSICIEN S'EST ETEINT.

Nampidirin'i tsikisariaka | 8 Nov, 2007
De Domohina M. dans Le Quotidien p.21 du 08.11.07 Il fait partie des grands musiciens qui ont illuminé la scène du Jazz et de nouvelles tendances. Grand dans son talent mais très modeste. Il s'agit de Tôty qui s'est éteint à l'âge de 45 ans dans la nuit de mardi à l'HJRA. Il faisait partie du fameux groupe TRITRA dans les années 90 qui a initié le jazz fusion qui, à l'époque, a connu un succès grandissant sans oublier son passage chez Speedy Band. Il a également créé la surprise dans le groupe Oay ! en tant que premier musicien à jouer la basse à 6 cordes. Il se distingue également dans le métier d'arrangeur. Les hymnes des deux Jeux des Îles de l'Océan Indien ont porté les touches d'arrangement de Tôty. Nombreux sont entre autres les artistes qui l'ont côtoyé et qui ont réussi grâce à son aide et accompagnement. A de nombreuses reprises, il a animé les portes ouvertes sur le jazz en partageant avec les jeunes musiciens ses expériences dans le monde du jazz mais aussi en tant que musicien. Comme souvent sous la casquette du bassiste, il s'est avéré également un grand multi-instrumentiste, claviériste et non moins excellent batteur. Statut d'arrangeur oblige ! Tôty s'est éteint mais ses oeuvres resteront gravées dans toutes les mémoires.

MISAONA NY JAZZ

Nampidirin'i tsikisariaka | 7 Nov, 2007

Indrisy….

Nilaozan’i Tôty isika. Vahotra ny lela manoloana izao fahabangana izao, tsy manan-kolazaina aho fa torotoro fo.

Mankahery ny fianakaviany ny tenako ary miombom-pahoriana amin’ny rehetra.

Handry am-piadanana anie i Tôty ary ho ela velona ny fahatsiarovana azy.

Ndeha hiara-hiasa : Tononkalo sy hira

Nampidirin'i tsikisariaka | 5 Nov, 2007
Misedra adim-piainana ihany koa ny mpanoratra ka indraindray dia mitady ho difotra izy rehefa vizan’ny adim-piainana ny aingam-panahiny indraindray. Tototra ao ny asa sorany fa tsy mba misy mpikolokolo. Sehatra iray hanatosahan’ny mpanoratra ny tora-pony rehetra amin'ny tranga rehetra anefa ny sanganasany ka inoana sy irina tsy ho faty na dia mivangongo fatratra ao fotsiny aza. Izany indrindra no hanaovana antso avo amin’ny mpanakanto hafa ny mba iaraha-mikolo ireny sanganasa ireny. Ny mpanoratra mantsy dia manoratra foana, manoratra hatrany ary tsy mihevitra ny hanisa izany akory fa dia ao fotsiny iny. Ny mpamaky dia migoka ny tsirony rehefa mandalo eo imasony ireny asa soratra ireny ary dia mandray ho an’ny tenany izay voalaza, indraindray voafendrofendro, matetika koa anefa dia velom-bolo satria azo lazaina ho fanafody fanafan'ny aretim-panahy ny sentom-po zaraina. Mainka moa fa raha lasa hira izy ireny dia voarotsirotsy avokoa ny mpiara-belona. Dia mirana rahateo ny mpiara-miasa mamoaka vokatra. Koa izay manan-talenta amin’ny fanomezana feo ny tononkalo dia manolo-tànana re, andao hiara-hiasa. Misaotra mialoha e !

Fitiavana amin'ny lafiny marary

Nampidirin'i tsikisariaka | 1 Nov, 2007

Tiany kanefa tsy azy... 

 

AZY IANAO FA TSY AHIKO

Mamiko sy fiko

Ny miaraka aminao,
Tiako sy iriko
Ny fahasambaranao.
Fa tsy afaka hanjaka
Ho lasa tompon-daka
Ny foko sy fitiavako
Azy ianao fa tsy ahiko !  

Androany aho toa faly
Nanara-po mihitsy
Fa takona ila izany ;
Niezaka aho hitraka
Ho vonona hizàka
Tsaroako tampotampoka
Ny fahoriam-panahiko
Azy ianao fa tsy ahiko !  

Niondrika aho, nangina
Safo-dranomaso,
Fefika tomany
Tsy misy ho antenaina
Tsy misy koa andraso
Angamba hiala maina :
Marary ny fitiavako
Azy ianao fa tsy ahiko ! 

 4.10.96 – 17 h 15  

SARO-TIA

Nampidirin'i tsikisariaka | 31 Okt, 2007

Saro-piaro satria tia, tia ka lasa saro-piaro :

SARO-TIA

Herivaikan’ny fitia
No atoraky ny masonao
Toa mipitrapitra ery
Nefa mibedy tsotr’izao

Dia nanatona aho kinanjo
Lamosinao no sisa tazako
Nenjehiko ihany an’anjoanjo
Nandosiranao ny tavako

Sarianao mangaringarika
Mody mihodina dia dify
Fangalam-piery toa misarika
Fitia dorehitra sy fify

Dia jereko ianao midongy
Miezaka mandefa tsiky
Dia avy eo milongilongy
Mitsapatsapa heriziky

Fa tahotrao ny fahatezerako
Ka ny masonao no inty nanitsy
Nanafatra an’ilay fijeriko
Ka dia takatro mihitsy

Fa… tsikaritrao ny didina ahy
Mampiresaka tsy miato
Te-hitroatra ianao tsy sahy
Nefa… te-hitora-bato

Saro-piaro kay ilay havako
Fa tsy te-hamosaka ady
Ampy ho anao re ny fitiavako
Sa tsy izay ilay tamin’ny voady ?

Dia… toneo ny fo, sombinaiko
Alamino ny sainao
Ny miavona tsy haiko
K’aza omenao tsiny aho

Fa maro ireny, tsy haiko… zovy?
Jeren’ny masoko fa tsy hitako
Ka izao no teniko, tsarovy
Mampijaly anao : tsy sitrako

Ny ato am-poko fantatrao
Rehefa tia aho, tena tia
Tsy misy haiko afa-tsy ianao
No malalako ho doria 

(31.10.07 – 23.29)

Ny redirediko...

Nampidirin'i tsikisariaka | 29 Okt, 2007
Indro aloha ny redirediko (santionan-tsangan'asa) andramako alefa eto mba iandrasako ako sy tsikera sns. Misaotr a mialoha. YOU AND YOURS Many voices ’n smiles invade my mind But yours are those which make me blind Every word flies and sets every name But yours is kept ’n is free from blame I try to forget and want t’go away But when you’re far from me… I’ll die Come here, darling and heal my pain For I’m your life and you are mine Feb 13, 2007 – 11.00 IANAO SY NY ANAO Tsiky maro, feo tsy vitsy no manafika ny saiko F’ilay anao akia no tena mahajamba ahy fa tsy haiko Ary ireo karazan-teny, mitambatra ho anara-maro Fa ny anao tsy foiko loatra ary sarotra atakalo Miezaka aho mba hanadino, te-handositra… lazaiko Saingy nony lavitra ianao dia toa foana koa ny aiko Koa avia sombinaiko sitranonao ny foko tia Ianao no hany fiainako hatrizao ka ho doria 13.02.07 – 11.02

Mandray tànana sa tsia ?

Nampidirin'i tsikisariaka | 25 Okt, 2007

Rehefa mifampiarahaba dia inona no mety mandray tànana ve sa tsia. Dia iza no tokony hanome ny tànany voalohany ? Ny zokiny, ny zandriny, ny lehibe ara-pahefana sa ny kely, ny vehivavy sa ny lehilahy ? sns sns fa iza ?

Ary raha toa indray ka tsy te-handray tànana dia ahoana ? azo lazaina fa tsy mahalala fomba ve izy sa ilay misosososo tànana no tsy mahalala fomba ?

Dia inona no paika raha tsy te-handray tànana nef ailay iray zatra manolotra ? Dia ahoana koa rehefa toloranao tànana ny ankilany nefa izy tsy nandray akory ?

Ndao resahina. 

 

Nahita aho fa tsy nangalatra

Nampidirin'i tsikisariaka | 25 Okt, 2007
Omaly no tontosa ny fanokafana amin'ny fomba ofisialy ny herinandron'ny Havatsa Upem Madagasikara tetsy amin'ny Tahala Rarihasina Analakely. Nizotra ara-dalàna ary nahafinaritra tokoa ny lanonana, toy ireny mahazatra ireny ihany e ! mikabary dia fifankafantarana sy tsidika eny amin'ny fafana dia avy eo ny tsaingoka iraisana. Ny tolakandro dia antsa tononkalo, Alarobia moa ny andro dia be ny mpianatra no tonga tao. Ny nahafinaritra ahy dia ny namaky ny tononkalon'ny namana ka ity no hitako dia novakiako ary izay no nilazako hoe "nahita aho fa tsy nangalatra". Mialoha izany aloha dia torahako voninkazo avy hatrany ny mpanoratra fa tsara sy tian'ny mpihaino ilay izy sady niangolàko rahateo. Indro ary : IANAO... Tazaniko ny hariva sy fara-vodilanitra Ny voninkazo manitra... Ianao no tsinjoko any ! Henoiko ireny vorona misioka tsy miato Mivazo tena kanto... Ianao no henoko eo Izay rehetra misy, miserana anoloako Dia lasa feno loko... Miloko ny endrikao ! Tsy misy intsony izaho fa efa... ianao No miaina anatiko ao... Feno anao ny fiainako. Nosoratan'i DadaRabe (RABE Andriamaro Paoly) tany Aix-en-Province tamin'ny 24.12.03 Mpikambana ao amin'ny Havatsa Upem any Paris

Servitude de passage

Nampidirin'i tsikisariaka | 23 Okt, 2007
Resaka mandreraka ny momba ny fananan-tany eto Madagasikara. Asa iza ihany ireo mahazo tany vetivety ireo. Toa tsy resaka fananam-bola ilay fa resaka fahalalana olona. Ary raha vao tsy izay dia taraiky eo ianao ka na teo aza ny vola dia lasa ividianana zavatra hafa. Betsaka ny tany hamidy fa mandany zato pejy ny momba azy. Ao ireo mora atonina ny mpivarotra saingy amam-bolana vao tena hita ny tena tompony, amin'izay indray mbola ifampizaran'izy mianakavy ny tany dia raikitra ny hoe, ny ahy tsy amidiko izany fa ny an-dranona ihany... dia miala maina amin'iny. Fa ao koa ny hoe vetivety dia vita ny resaka kinanjo hay ry mpanera no mampiesona fa ny tanin'olona tsy amidiny fa izy samy mpanera no miseho ho tompony ka aza mba voany fa mahita ny miaka-midina tsy fidiny eo rehefa avy nandoa ny vola saram-pitsidihana sy ny saran-dàlana sy ny sisa. Fa ity no tranga manaraka, itsy misy tany hamidy ary ny tompony mihitsy no miresaka aminao. Tsy maka sarotra izany amin'ny fitsidihana sy ny... ady varotra. Ny indro be anefa dia izao : malaza be fa tany maty io tany io, nahoana ? satria hono tany mihitsoka, tany mihidy.... fa tsy misy làlana (non accessible). Aiza no misy an'izany rey olona ? Ny tany manodidina anefa dia misy olona avokoa fa io tany io izany tsy omen'ireo olona manodidina làlana. Vokany : tsy mety lafo ilay tany. Tsy hay fa misy disadisam-piaraha-monina ao ! tsy omen-dRanona làlana io tany io satria mananona sy mananona "ôri-ôra". Dia rafitra ny manodidina samy manao tamboho dia iny fa mihitsoka ao tokoa ilay tany. Aiza ho aiza tokoa amin'ny lalàn'ny fananan-tany moa ilay hoe fanomezana "servitude de passage" dia ahoana sy ahona ny momba azy ? Aiza ve ka tonga hatramin'ny hoe : "tany samy mahaleo tena ireo anaty kadasitra na dia mifanakaiky aza ka tsy mifanome làlana izany" sy ny hoe "avy ary avaratra no akaiky an'io ka any ny làlana ho azy..." sns sns. Ny hevitrao ?

Herinandron'ny HAVATSA UPEM

Nampidirin'i tsikisariaka | 23 Okt, 2007
Isan-taona dia misy ny herinandron'ny Havatsa Upem ka eo amin'ny faraparan'ny volana Oktobra foana izy io ary marihina amin'ny fampiratiana ny asa soratr'ireo mpikambana rehetra na ny eto an-tanindrazana na ny an'ireo izay any am-pielezana rehetra any. Ahitana ihany koa ny tantaran'ny Fikambanana hatrizay 55 taona nisiany izay. Ity faha-55 taona ity moa dia nomarihina tao amin'ny CFM Anosy ny 8 septambra 2007 lasa teo. Nisy ny fiaraha-misakafo, hira, dihy ary korana. Isaky ny 31 Oktôbra moa dia misy ny Alin'ny Pôety saingy efa novitaina tamin'io 8 septambra io ny lanonana izay nisian'ny fanolorana Salotr'hasina ho an'ireo mpikambana ary fanolorana mariboninahitra hoan'izay nahazo izany (jereo www.thina.artiste-malgache.com : Havatsa 55). Rahampitso Alarobia 24 Oktobra 2007 amin'ny 11 ora maraina no fanokafana amin'ny fomba ofisialy ny fampiratiana ka manasa izay rehetra eto Iarivo mba handalo ka hitsidika izany. Misaotra indrindra mialoha e ! Handefa akony eto ihany amin'ny fotoana mahamety azy ny tenako.

Gasy iraisam-pirenena

Nampidirin'i tsikisariaka | 19 Okt, 2007
Alina (18.10.07) dia Ambohim-pihaonan'ny Gasy mielim-patrana na tany am-pielezana tany am-pita tany ny tetsy Soavimbahoaka. Iraisam-pirenena mihitsy satria tao ny avy any OTTAWA (Canada) izay isaorana mitafotafo satria tompon'ny trano, tao ny avy any BELFORT (France) izay mpanentana mavitrika be, Izy roa ireo hiverina any avy indray ato ho ato, tao ny avy any VIETNAM, vao tonga vao haingana ary hitoetra eto amin'izay, tao indrindra koa ilay mpampianatra anay ni-blaogy izay avy any ITALIE, mandalo eto DAGO koa izy, dia ny avy eto an-toerana moa tsy hadino fa "mpiandry tanàna izahay"... 11 izahay no tao ary raha ny voalaza dia isan'ny maro hatramin'izay nihaonana izay (oeeeee !). Nahafinaritra tokoa ny fihaonana satria nanamarika ny "tena fisiana" raha somary aloka aza ny soratra sy sary mahazatra taty amin'ny blaogy ka dia hita vatana tokoa ry... (...dreindrendreindrein !!...) : - Hery "Tsiky dia ampy", - Tattum, - Elodieriana, - Barijaona, - Mia, - Jentilisa, - El Tsifaka - ary i Tsikisariaka (azafady raha misy diso tsipelina). - Nisy namana hafa telo tao (vahinin'ny efa mpi-blaogy) izay inoana fa hi-blaogy koa atsy ho atsy (enga anie!) : FALY NIFANKAFANTATRA E E E E Dia raikitra ny tsaingoka sy fisotro sy ny tafa isan-karazany izay manodidina ny BLAOGY ny maro isan-jato. Ny hevi-dehibe nampitaina dia ny fanentanana ny tanora amin'ny resaka blaogy ary koa ny fanaovana horonan-tsary alefa any amin'ny blaogy iraisam-pirenena iray izay iresahana ny fahasamihafana. Mbola hisy ny fihaonana manaraka amin'ny Sabotsy 27 Oktobra 2007 amin'ny 10 ora eny Ankadivato (Barijaona). Koa mbola alefa indray ny fanasana ho an'izay tsy tratra antso na ny tsy afaka tamin'ity fihaonana voalohany amin'ny andiany fahaefatra ity. I Elodierana efa any Ottawa amin'izany ka raha tsy tafahaona moa dia "soava dia retsy a !" Ho ela velona ny mpi-blaogy e !

Fikarohana hafakely (sociolinguistique)

Nampidirin'i tsikisariaka | 17 Okt, 2007

Betsaka ny fikarohana azo atao ankehitriny. Ny mahaliana ahy dia ny resaka teny hita eny anatin'ny fiaraha-monina (sociolinguistique) ka sao mba misy afaka manampy sy manome hevitra. Mikaroka aho momba ny tantara sy fiavian'ireny teny ireny. Ohatra : "Manao Rasesily" izay midika hoe mangalatra (amin'ny resaka lalao karatra sns). Fa iza kay io Cécile io ary taiza no niseho ny tantara ary toy ny ahoana ? Ao koa ny hoe "Tain'alikan'ny Zily (Gilles)", fa naninona koa izany ary taiza ? - Ny kiraron'i Beminahy etsetra etsetra. Misaotra mialoha e !

Tonga soa Tsikisariaka!

Nampidirin'i tsikisariaka | 14 Sep, 2007
Ity no lahatsoratra voalohany ao amin'ny blaoginao. Azonao fafaina na ovaina ao amin'ny Toeran'ny mpandrindra ity lahatsoratra andrana ity.
Misaotra anao mampiasa ny Blaogy.

Zovy ?

Nampidirin'i tsikisariaka | 14 Sep, 2007

Mbola te-hanao ankamantatra aho fa vao tonga vao eo mihitsy dia mbola mitazatazana hoe aiza Ranona ary iry mba iza ?

Izay fa mbola ho eo afovoany aho atsy ho atsy hampahafantatra ny tenako raha tsy hoe... asaiko sahady ianao io, mba zovy ary aho ? LaughingAvy aiza dia.... Etsy moa e ! Teneno ho ren'ny ankizy...

Misaotra anao mialoha dia mirarry soa ho an'ny rehetra!

Tsikisariaka

 

1 2 3 4 5 6 7 8 9  Manaraka»