Indro aloha ny redirediko (santionan-tsangan'asa) andramako alefa eto mba iandrasako ako sy tsikera sns. Misaotr a mialoha.
YOU AND YOURS
Many voices ’n smiles invade my mind
But yours are those which make me blind
Every word flies and sets every name
But yours is kept ’n is free from blame
I try to forget and want t’go away
But when you’re far from me… I’ll die
Come here, darling and heal my pain
For I’m your life and you are mine
Feb 13, 2007 – 11.00
IANAO SY NY ANAO
Tsiky maro, feo tsy vitsy no manafika ny saiko
F’ilay anao akia no tena mahajamba ahy fa tsy haiko
Ary ireo karazan-teny, mitambatra ho anara-maro
Fa ny anao tsy foiko loatra ary sarotra atakalo
Miezaka aho mba hanadino, te-handositra… lazaiko
Saingy nony lavitra ianao dia toa foana koa ny aiko
Koa avia sombinaiko sitranonao ny foko tia
Ianao no hany fiainako hatrizao ka ho doria
13.02.07 – 11.02
Mandray tà nana sa tsia ?
Nampidirin'i tsikisariaka | 25 Okt, 2007Rehefa mifampiarahaba dia inona no mety mandray tànana ve sa tsia. Dia iza no tokony hanome ny tànany voalohany ? Ny zokiny, ny zandriny, ny lehibe ara-pahefana sa ny kely, ny vehivavy sa ny lehilahy ? sns sns fa iza ?
Ary raha toa indray ka tsy te-handray tànana dia ahoana ? azo lazaina fa tsy mahalala fomba ve izy sa ilay misosososo tànana no tsy mahalala fomba ?
Dia inona no paika raha tsy te-handray tànana nef ailay iray zatra manolotra ? Dia ahoana koa rehefa toloranao tànana ny ankilany nefa izy tsy nandray akory ?
Ndao resahina.
Nahita aho fa tsy nangalatra
Nampidirin'i tsikisariaka | 25 Okt, 2007
Omaly no tontosa ny fanokafana amin'ny fomba ofisialy ny herinandron'ny Havatsa Upem Madagasikara tetsy amin'ny Tahala Rarihasina Analakely. Nizotra ara-dalà na ary nahafinaritra tokoa ny lanonana, toy ireny mahazatra ireny ihany e ! mikabary dia fifankafantarana sy tsidika eny amin'ny fafana dia avy eo ny tsaingoka iraisana. Ny tolakandro dia antsa tononkalo, Alarobia moa ny andro dia be ny mpianatra no tonga tao. Ny nahafinaritra ahy dia ny namaky ny tononkalon'ny namana ka ity no hitako dia novakiako ary izay no nilazako hoe "nahita aho fa tsy nangalatra". Mialoha izany aloha dia torahako voninkazo avy hatrany ny mpanoratra fa tsara sy tian'ny mpihaino ilay izy sady niangolà ko rahateo. Indro ary :
IANAO...
Tazaniko ny hariva sy fara-vodilanitra
Ny voninkazo manitra...
Ianao no tsinjoko any !
Henoiko ireny vorona misioka tsy miato
Mivazo tena kanto...
Ianao no henoko eo
Izay rehetra misy, miserana anoloako
Dia lasa feno loko...
Miloko ny endrikao !
Tsy misy intsony izaho fa efa... ianao
No miaina anatiko ao...
Feno anao ny fiainako.
Nosoratan'i DadaRabe (RABE Andriamaro Paoly) tany Aix-en-Province tamin'ny 24.12.03
Mpikambana ao amin'ny Havatsa Upem any Paris
Servitude de passage
Nampidirin'i tsikisariaka | 23 Okt, 2007
Resaka mandreraka ny momba ny fananan-tany eto Madagasikara. Asa iza ihany ireo mahazo tany vetivety ireo. Toa tsy resaka fananam-bola ilay fa resaka fahalalana olona. Ary raha vao tsy izay dia taraiky eo ianao ka na teo aza ny vola dia lasa ividianana zavatra hafa.
Betsaka ny tany hamidy fa mandany zato pejy ny momba azy. Ao ireo mora atonina ny mpivarotra saingy amam-bolana vao tena hita ny tena tompony, amin'izay indray mbola ifampizaran'izy mianakavy ny tany dia raikitra ny hoe, ny ahy tsy amidiko izany fa ny an-dranona ihany... dia miala maina amin'iny.
Fa ao koa ny hoe vetivety dia vita ny resaka kinanjo hay ry mpanera no mampiesona fa ny tanin'olona tsy amidiny fa izy samy mpanera no miseho ho tompony ka aza mba voany fa mahita ny miaka-midina tsy fidiny eo rehefa avy nandoa ny vola saram-pitsidihana sy ny saran-dà lana sy ny sisa.
Fa ity no tranga manaraka, itsy misy tany hamidy ary ny tompony mihitsy no miresaka aminao. Tsy maka sarotra izany amin'ny fitsidihana sy ny... ady varotra. Ny indro be anefa dia izao : malaza be fa tany maty io tany io, nahoana ? satria hono tany mihitsoka, tany mihidy.... fa tsy misy là lana (non accessible). Aiza no misy an'izany rey olona ? Ny tany manodidina anefa dia misy olona avokoa fa io tany io izany tsy omen'ireo olona manodidina là lana. Vokany : tsy mety lafo ilay tany. Tsy hay fa misy disadisam-piaraha-monina ao ! tsy omen-dRanona là lana io tany io satria mananona sy mananona "ôri-ôra". Dia rafitra ny manodidina samy manao tamboho dia iny fa mihitsoka ao tokoa ilay tany.
Aiza ho aiza tokoa amin'ny lalà n'ny fananan-tany moa ilay hoe fanomezana "servitude de passage" dia ahoana sy ahona ny momba azy ?
Aiza ve ka tonga hatramin'ny hoe : "tany samy mahaleo tena ireo anaty kadasitra na dia mifanakaiky aza ka tsy mifanome là lana izany" sy ny hoe "avy ary avaratra no akaiky an'io ka any ny là lana ho azy..." sns sns.
Ny hevitrao ?
Herinandron'ny HAVATSA UPEM
Nampidirin'i tsikisariaka | 23 Okt, 2007
Isan-taona dia misy ny herinandron'ny Havatsa Upem ka eo amin'ny faraparan'ny volana Oktobra foana izy io ary marihina amin'ny fampiratiana ny asa soratr'ireo mpikambana rehetra na ny eto an-tanindrazana na ny an'ireo izay any am-pielezana rehetra any.
Ahitana ihany koa ny tantaran'ny Fikambanana hatrizay 55 taona nisiany izay. Ity faha-55 taona ity moa dia nomarihina tao amin'ny CFM Anosy ny 8 septambra 2007 lasa teo. Nisy ny fiaraha-misakafo, hira, dihy ary korana. Isaky ny 31 Oktôbra moa dia misy ny Alin'ny Pôety saingy efa novitaina tamin'io 8 septambra io ny lanonana izay nisian'ny fanolorana Salotr'hasina ho an'ireo mpikambana ary fanolorana mariboninahitra hoan'izay nahazo izany (jereo www.thina.artiste-malgache.com : Havatsa 55).
Rahampitso Alarobia 24 Oktobra 2007 amin'ny 11 ora maraina no fanokafana amin'ny fomba ofisialy ny fampiratiana ka manasa izay rehetra eto Iarivo mba handalo ka hitsidika izany.
Misaotra indrindra mialoha e !
Handefa akony eto ihany amin'ny fotoana mahamety azy ny tenako.