Santionany asa soratra voaranty tamin'ny Herinandron'ny Havatsa

Nampidirin'i tsikisariaka | 22 Nov, 2010

TSY IANAO NO TIAKO

Izaho lay nankafy
Nankamamy tsotr’izao
Naneho ny foko hoe tia
Dia tsoriko aminao
Fa tsy ianao aloha no tiako
Fa ny fitiavanao no mamiko
Tanterakao ny faniriko
Izay no fahasambarana amiko.
Resin-tsento aho omaly
Dia somokotra ianao
Nampitsiky, falifaly
Izany fo anatiko ao
Voafafanao ny jaly
Namatotra ahy hatrizao
Reko mirana ny aiko
Vao mikarakara ianao
Voatohantohana aho, lazaiko
Izay no tiako fa tsy ianao

Thina
12.10.09


4 Hevitra & 0 Verindrohy (trackback) amin\'ny "Santionany asa soratra voaranty tamin'ny Herinandron'ny Havatsa"

  1. Tsara ilay tononkalo ka, misaotra mizara e!

    Nampidirin'i trouver un emploi 27 Aog 2011, 20:30
  2. Tsy tafiditra ato amin'ity kaontiko ity intsony anie aho e !

    Nampidirin'i Tsikisariaka 16 Mar 2016, 11:15
Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article