TAOM-BAOVAO

Nampidirin'i tsikisariaka | 1 Feb, 2010

Arahabaina nahatratra ny volana Febroary indray ô
Mahafinaritra fa miarahaba foana an ! Io Febroary io tokoa hono dia volana voalohany ho an’ny “hafa”, ary midika ho “fidiovana” izy io amin’ny teny latina “februarius”. Taom-baovao any ho any koa izany anio.

Fa ny tena taom-baovaon-tsika Malagasy dia ho avy tsy ho ela : 16 MARTSA 2010.
Toy izao no azo ambara :

-          Averina eto indray aloha fa ny andro ifanitsahan’ny volana sy masoandro ao amin’ny antokon-kintana Alahamady raha tazanina avy ety ambonin’ny tany (avy eto Madagasikara izany). Ary io no manambara ny taom-baovao Malagasy ka hankalazaina indrindra eny AMBOHIMANGA amin’ity taona ity.

 

- Ny Alahady 14 Martsa 2010 amin’ny roa ora sy sasany tolakandro : Fotoam-pivavahana ao amin’ny FJKM Ambohidrabiby ho vavaka fangataham-pitahiana ho an’ny tanindrazana.


- Ny Alatsinainy 15 Martsa 2010 hifoha Talata 16 Martsa 2010 amin’ny 12 ora sy 2 minitra alina. Eny amin’ny vohitra masina no hiainga ny “AFO TSY MATY” amin’ny telo ora.

 

-  - Tohizana amin’ny “Fafirano” sy “Tatao” izany ny marainan’ny 16 Martsa ary manomboka amin’ny folo ora (10 ora) maraina ny fanatanterahana ny lanonana ôfisialy.

 

Lavitra akaiky ilay daty fa dia mba tadidio ihany e ! soraty any amin’ny diary. Dia izao, tsy ananako ny antsimpirihan’ireo fa mpampita ihany koa aho ka tsy manan-kavaly aloha raha misy ny fanontaniana manitikitika.
Mirary soa ary e !


5 Hevitra & 0 Verindrohy (trackback) amin\'ny "TAOM-BAOVAO"

  1. Raha tsy diso aho dia fizarana vary amin-tantely no atao hoe "TATAO". Misy afaka manazava misimisy kokoa ve ? Misaotra nizara vaovao mahafinaritra.
    Toetra RAJA

    Nampidirin'i Toetra RAJA 01 Feb 2010, 18:11
  2. Mirary antsika rehetra samy ho tratry ny taombaovao malagasy izany e!
    Misaotra anao koa nampita ny vaovao sy nanome fanazavana. Ho ahy manokana aloha dia io no volana nahaterahako "volana adalo" avy @ teny arabo hoe "a(l) + dalo" izay midika "sihô" (ilay sihô" fasiana rano ary misy rano miraraka ny sariny ao amin'ny "horoscope zodiac - verseau). Dia mifanandrify @lay nolazainao zany fa hanadio tena amin'ny rano feno sihô i Zafintaolo @ ity volana adalo ity hihihihi hadio tokoa fa vaovao ny taona.

    Nampidirin'i zafintaolo 02 Feb 2010, 17:56
  3. Misaotra anareo ! izay no hifaneraserana eto mba mifameno ny vaovao sy ny fahalalana.
    Ny Tatao dia izay izy resaka sakafo izay ary amin'ny fomba tena malagasy.
    Ilay fidiovana tenenin'i Zafintaolo koa tena hatao soa fianatsa e ? sady fomba tian-kaverina moa izany e ! Iray "sihô" an ! hi hi hi
    Fa dia mirary taombaovao finaritra ho antsika rehetra e !

    Nampidirin'i Tsikisariaka 03 Feb 2010, 07:25
  4. Ho an'ity 2013 ity dia anio isika miandry azy e. Dia miarahaba sahady sy mirary soa hoan'ny rehetra.

    Nampidirin'i Tsikisariaka 11 Mar 2013, 11:33
  5. 2016 izy tamin'ny 10 Marsa

    Nampidirin'i Tsikisariaka 16 Mar 2016, 11:18
Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article

 This is the ReCaptcha Plugin for Lifetype