Anjara biriky : Iriko tsy hijaly ny "TENY GASIKO"

Nampidirin'i tsikisariaka | 31 Mar, 2008
TENY GASIKO 

Ny azy indrainy eran-tany
Mba hahery na aiza na aiza
Toy ireny tsy mba misy
Izany teny gasy izany
Tsy ahoako anefa izany
Fa ho hiraiko, ankalazaiko
Ny tenindrazako lalaiko
Ho andrianiko hatrany 

Na lazainy hoe tenim-barotra
Sy tapakila ahafahany
Mitety izao tontolo izao
Ilay teny hafahafa
Tsy dia sarotra
Fa haiko
Ny teny gasiko tsy ariako
Andrandraiko satria tiako 

Io no efa nibadako
Nianarako niteny
Teny ampy nihantako
Tamin'i Dada sy i Neny
Mbola afaka aho nandrato
Ireny fahaizako ireny
Tenim-pahatanorako
Hafa indrindra samy teny 

Ny teny gasiko
Teny mamiko 
03.04.01 


Izaho, hoy aho, dia mpandala ny teny malagasy. Tsy hanome tsiny ahy angamba ianareo raha manamafy sy manindra ilay hoe "gasy" aho satria efa tena voizina izy io amin'izao. Asongadina tanteraka mantsy ankehitriny ny "vita gasy". Tsy ilay entana fotsiny fa ny fiteny azy mihitsy.

Mba ampitaiko àry izay mba hitako :
Tanindrazantsika fa tsy Tanindrazan-tsika satria tokony hitovy daholo ny fanoratana ny tovana amin'io, tanindrazako mitambatra toy ny amin'ny tanindrazanao sy ny tanindrazany.

Amin'ny tovana -ina sy -ana. Somary manahirana fa rehefa milaza anarana dia -ana no ampiasaina fa rehefa enti-milaza izy dia -ina. Tsy miankina amin'ny tsipelin'ilay fototeny velively izy io.
Ohatra : Fampahafantarana (anarana) - Ampahafantarina (Enti-milaza)
Ho tanterahina ny lanonana. Samy miezaka amin'ny fanatanterahana azy ny rehetra.

Fanoratana fa tsy fanoratra toy ny amin'ny hoe fambolena fa tsy famboly.
Penina fanoratana - fanoratako
(f-an-(s)orat(r)a-ana- fa tsy hoe fanoratro, - famboleko, fambolentsika... Ny fototeny no mandray avy hatrany hoe soratro, soratrao..., volinao, volinareo Izany hoe amin'ny fitaovana no ampiasaina iretsy voalohany tsaoka fanoratana. Fa ilay faharoa dia any amin'ny fomba : fomba fanoratra, fomba famboly...

Ny andro amin'ny teny malagasy : Sabotsy fa tsy Asabotsy (ao anaty Rakibolana Malagasy)
Ny volana amin'ny teny malagasy : Aprily fa tsy Avrily. Ireo volana ireo manomboka amin'ny Janoary ka hatramin'ny Desambra dia avy amin'ny teny English (January, February....), noho izany dia avy amin'ny april ilay izy fa tsy avril ka ho lasa avrily izany.


Mba hezahina ny mampiasa teny malagasy madio tsy misy fangarony fa manjary toy ieny mihinana VARY BE AKOTRY ireny e ! Aleo miato kely aloha mitady izay tokony ho teny malagasy mahalaza izay tiana hotenenina na soratana ka rehefa afa-po vao mampiasa teny hafa ka tokony hatao anaty farango sosona " " ny teny vahiny nampiasaina. Ny mpihaino na mpamaky dia tokony hanampy ilay mpiteny/mpanoratra raha toa malalaka ny sehatra mba hifandrimbonana ny asa dia ho tratra ny tanjona rehefa iraisana ny ezaka. 

Izay aloha ny anio fa amin'ny manaraka indray. Ampatsiahivina hatrany fa TAONA IRAISAM-PIRENENA HO AN'NY TENY ITY 2008 ITY ka andao hasoavina ny TENINTSIKA dia ny MALAGASY izany.


14 Hevitra & 0 Verindrohy (trackback) amin\'ny "Anjara biriky : Iriko tsy hijaly ny "TENY GASIKO""

  1. izany mihitsy e!

    maninona raha ahitsy oe "teny malagasiko" sa lava laotra! lol

    Nampidirin'i news2dago 31 Mar 2008, 14:25
  2. Tsy hoe lava loatra fa tena tiako niangotiana mihitsy ilay hoe "teny gasy" - toy ny hoe "akoho gasy" : matsiro ooo ! - sy ny sisa. Io hoy aho efa tena aindraindra "gasy", "vita gasy". Io tononkalo io koa moa efa tamin'ny 2001 e ! fa sady efa mirindra araka izany no izay voasoratra dia voasoratra e !aleo tsy ovaina ... raha sitrakao News2dago. Ilay izy rahateo tsy hoe diso tsipelina fa tena safidy niangolàna. Misaotra anao naneho hevitra. Nampidirin'i Tsikisariaka 31 Mar 2008, 14:42
  3. Izaho koa zatra manonona ny hoe 'gasy' (rehefa manoratra aho vao ataoko 'malagasy') satria avy amin'ny teny frantsay 'mal' sy 'gâché' mantsy hono io malagasy io! ?

    Nampidirin'i Lalasoa 31 Mar 2008, 15:20
  4. Lalasoa => ka io mihitsy no tsy azoazoko @ ireto frantsay ireto e! manimba ny kolon-tsaina ny hafa foana! mahagaga

    Nampidirin'i news2dago 31 Mar 2008, 16:25
  5. Misaotra tsikisariaka a! news2dago, tsikisariaka > toa samy marina daholo ny "malagasy" sy ny "gasy" raha ny fahalalàko azy 'ko :-). Ny "malagasy" dia teny mihaja ("soutenu" hoy ny frantsay). Ny hoe "gasy" kosa dia fiteny andavanandro ("courant", fa tsy "argot" akory). Fa dia samy "ofisialy". Indraindray tokoa mantsy dia adinontsika fa misy fiteny andavanandro mba tafiditra ho ofisialy ihany. Nampidirin'i tokinao 31 Mar 2008, 18:25
  6. Misy fahamarinany tokoa 'kay ilay nolazainao momba ny tantaran'ny teny hoe "malagasy" : jereo ange ato e!.

    Fa na izany kosa aza anefa, izaho manokana dia tsy mieritreritra an'io rehefa miteny hoe "malagasy" ny tenako :-).

    Nahay zavatra indray aho 'zany androany :-)

    Misaotra e!

    Nampidirin'i tokinao 31 Mar 2008, 19:01
  7. voaray ny lesona fa misaotra o ! mbola savaranon'ando daholo moa izao fa miandry ny andiany faharoa, fahatelo,fahaefatra avy aminareo rehetra avy (araraotina isaorana ihany koa ikalakely nahavita enti-mody voalohany ao an-tranony ao)

    Nampidirin'i ikalamako 31 Mar 2008, 19:17
  8. aiza ary i sipa gasy le :-P

    Nampidirin'i simp 31 Mar 2008, 22:06
  9. miandry valin-dalao fotsiny hono i sipagasy tssssss

    Nampidirin'i ikalamako 31 Mar 2008, 22:18
  10. sipa gasy manko e ! Nampidirin'i ikalamako 31 Mar 2008, 22:23
  11. tsikisariaka, misaotra e
    Vaovao amiko indray io resaka -ina sy -ana io. Izay izany no nahazoana ny hoe "valahana" :-P

    Lalasoa, ny nihavian'ny teny hoe malagasy raha tsy diso aho toa avy amin'ny teny malay tsihaihay izany midika hoe mpiantsambo. Fa tsy avy amin'ny teny frantsay aloha e, fa ny frantsay no nanova.

    Nampidirin'i lap 01 Apr 2008, 07:26
  12. lap > hi hi valahana hono ! avy amin'ny inona ? valaka ve ? Marina aloha fa rehefa reraka dia ny valahana no tena iantraikany e ! Ny valahana kanjo efa anarana fa tsy matoanteny akory e ! sa trondron'ny Aprily iny ? ha ha ha, ianao izay an !!

    Lalasoa > hita fa tsara ery ny mihaino ilay hoe "gasy" e ? eny e, mety daholo ! gasy ka manja ô ? sa ahoana ry News2dago ?

    Tokinao > misaotra e e e novakiako ilay izy ! ka tsy aleo ihany manao hoe "gasy" fotsiny ?

    Simp > aiza ho aiza ato tokoa moa i sipa gasy (...) ?

    ikalamako > ekena e !

    Nampidirin'i Tsikisariaka 01 Apr 2008, 13:03
  13. TENA VARIANA BE ANY AMBADIKA ANY AHO DIA TSY VITA INTSONY EFA 3 TAONA ATY AORIANA NY FIZARANA REHETRA TOKONY NANARAKA.MIALA TSINY E! INOAKO ANEFA FA MBA HITANAREO IHANY NY SEHATRA HAFA AN ?

    Nampidirin'i tsikisariaka 30 Jio 2011, 11:27
  14. afaka manoratra eto aho fa tsy tafiditra amin'ny pejiko eee

    Nampidirin'i Tsikisariaka 23 Feb 2017, 15:16
Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article