TAIZA AHO OMALY "lundi de Paques" ?

Nampidirin'i tsikisariaka | 27 Mar, 2008

ARAHABAINA NAHAVITA PAKA DAHOLO E !

EFA NANORATRA LAVA BE MIHIITSY AHO FA ASA IZAY NANJO FA NALEFA NEFA TSY HITA ILAY IZY. ITY HIRA IRAY ITY NO HAMINTINAKO AZY DIA FANTATRAREO HOE : "TAIZA ARY AHO OMALY". TSY HAIKO NY MAMPIDITRA HIRA DIA NY TONONY NO ALEFAKO E ! ANKAFIZO IHANY...

 


 

 

MISY AFO MIVAIVAY IZAY MBA TOKONY HOVONOINA
NANDORO AHY IZAY ELA IZAY KA ILAKO ANAO
TOVANAM-PERY ANANKIRAY IZAY MBA IRIKO MBA TSABOINA
NAMPIJALY AHY HATRIZAY IANGAVIAKO ANAO

FA MBOLA TSY MORA NY HAMONO ILAY AFO MAHAMAY
AMPIO RE RAHA MISY FITIAVANA
FA MBOLA TSY MORA NY HITSABO AHY MATOA AHO TOY IZAO
SENTO KELY TSINDRAINDRAY DIA MANDRATRA FO
TOA ATAONY TSY AFA-BELA NOVEREZIN-JO

MISY TANTARA IRAY EFA INIAKO TSY HO TSAROINA
ANATY ALIM-PITO AHO VAO INJAY MITAMBERINA
TANDINDON'ILAY OLONA IZAY
HADINOINA MIHA-VOATSIAHY
ADIM-PIAINANA VOARAY TAONA MARO IZAY

FA MBOLA TSY MORA NY HAMAHA ILAY FATOMATINAY
HATRAMIZAO AHO TSY METY MINO HOE RAVA NY ANAY
FA MBOLA TSY MORA NY HANOLO AZY SATRIA HATRAMIZAO
MBOLA REKO MAMELOVELO AO IREO TALOHA
MBOLA INJAO FA MIELOELO FA TSY METY HIFOHA

REBIKA manontolo nankalaza ny faha-20 taonany tetsy Anjonjombe
(Hery, Benja, Lucien, Noely, Heritiana, Rampal, Nirina, Rivo, Lôla, Patrick - ireo mpitendry hafa - ireo mpandihy - izahay rehetra mpankafy !)

Mankalaza sy mirary soa hatrany e !

 


11 Hevitra & 0 Verindrohy (trackback) amin\'ny "TAIZA AHO OMALY "lundi de Paques" ?"

  1. teny antsonjombe ve?

    Nampidirin'i news2dago 25 Mar 2008, 16:51
  2. Hitan'i Tsikisariaka teny Antsonjombe ve i New2dago ? hi hi

    Nampidirin'i pissoa 25 Mar 2008, 17:05
  3. :-) ireo tafiditra imbedabe ireo ny lahatsoratra kah.

    Jereo ange ity e http://tsikisariaka.blaogy.com/ dia jereo fa miverina intelo ity lahatsoratra ity :-)

    Na izany na tsy izany dia mirary soa fa vitan'ny fety izany. Izahay tsy afaka nitsangatsangana fa mbola ratsy ny andro... amin'ny herintaona indray manarina e.

    Nampidirin'i Hery 25 Mar 2008, 18:04
  4. News2dago > Teny Antsonjombe tokoa aho... izaho rahateo tonga foana hatramin'izay rehefa manao fety ny Tarika Rebika e ! Dimy taona lasa izay no nijereko farany azy ireo... teo Antsonjombe ihany !

    Pissoa > ka sady mitazana aho no maminany hoe ohatran'iza daholo moa ? hi hi hi
    Efa nanoratra aho hoy aho fa tena tsss tsy hitako, ireo lahatsoratra tenenin'i Hery ireo efa tsy ilay taloha lava be fa ity ihany. Nefa misy hoe Pissoa tao anatiny !

    Hery > Tena ratsy be mihitsy angaha ny andro tany ? indrisy e. Aza miandry amin'ny herintaona fa mbola ao ny fety hafa e ! afaka milanonana foana sa ahoana ?

    Ikalamako > Gaga aho fa nankaiza indray no tsy nikoràka tato e !!!

    Nampidirin'i Tsikisariaka 26 Mar 2008, 05:51
  5. mafinaritra ee :)

    Nampidirin'i simp 26 Mar 2008, 16:08
  6. simp > izaho koa izany mihitsy e ! any amin'izay misy mahafinaritra foana... sa moa ianao izao no finaritra maheno vaovao ?

    Nampidirin'i Tsikisariaka 27 Mar 2008, 06:04
  7. mafinaritra rebika no finaritra fa misy mpankafy no finaritra maheno vaovao :)

    izy doly zany...

    Nampidirin'i simp 27 Mar 2008, 22:13
  8. za saika ijery Rebika mitsy, fa nande ha tany Tamatave zay tamin'io. Dé ny CD no nalefako foana tany anaty tomôbila...
    Lavitra loatra akia , ny any aminao...

    Nampidirin'i Chryss 28 Mar 2008, 06:19
  9. Waouh Chryss a ! Izaho mpankafy mihitsy efa hatry ny ela hoy aho. Dia tamin'io aho tsy sahy niera fa ingahirainy moa efa mahalala fa tia Rebika aho dia hoy izy ny Zoma talohan'iny : "Ianareo handeha hijery Rebika ? Izaho mantsy hiasa kely hanao devis" Oadray, faly ery ny tenanay dia nanomna ny fitsangatsanganana e ! finaritra aok'izany.

    Nampidirin'i Tsikisariaka 31 Mar 2008, 09:09
  10. Misaotra tsikisariaka a :-). Dia mirary sioa koa e

    Nampidirin'i tokinao 31 Mar 2008, 18:05
  11. okay Tokinao a ! misaotra e !

    Nampidirin'i Tsikisariaka 04 Apr 2008, 09:05
Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article