ASARAMANITRA
Nampidirin'i tsikisariaka | 8 Mar, 2008
Anio dia poa-droa, raha ny teto Iarivo no fantatro, fa sady andron’ny vehivavy no Asaramanitra ihany koa. Ny voalohany an’izao tontolo izao fa ilay faharoa kosa dia an’ny Malagasy. Vanim-potoanan’ny Asara tokoa izao fa anio no Asaramanitra izay mifanitsy indrindra amin’ny lazain-“drizareo” hoe taona vaovao. Samihafa amin’ilay Alahamadibe amin’ny volana Oktôbra io. Misy hetsika mifandraika amin’izao etsy amin’ny Tahala Rarihasina Analakely Antananarivo androany 08.03.08… Ho taterina eny ihany ny akony raha mahazo ny tenanay e !
Koa arahabaina izany nahatratra ny Asaramanitra isika rehetra. Dia ao anatin’izany koa no irariana soa ny Andriambavilanitra rehetra amin’izao 8 martsa izao.
Koa arahabaina izany nahatratra ny Asaramanitra isika rehetra. Dia ao anatin’izany koa no irariana soa ny Andriambavilanitra rehetra amin’izao 8 martsa izao.
tena mba tsy arako indray iny kano!
Nampidirin'i news2dago 08 Mar 2008, 13:30misaotra nilaza vaovao e
Dia miarahaba an'i Tsikisariaka sy ny Andriambavilanitra rehetra tratry ny fetin'ny vehivavy sy ny asaramanitra
Nampidirin'i DadaRabe 08 Mar 2008, 13:52Dia miarahaba anareo vehivavy malagasy rehetra e! Misaotra koa nampahafantatra an'io fety iray io.
Nampidirin'i Tokinao 08 Mar 2008, 14:19oay eeee soa fa nampatsiahy an'le asaramanitra enao fa naika adinoko ny anniversaire an'le Raiko iray zay. Merci :)
Mirary soa anareo vehivavy rehetra ihany koa.
Nampidirin'i simp 08 Mar 2008, 16:40Misaotra ânareo rehetra NewsDago, DdRb, Tokinao, Simp, niarahaba sy nirary soa ho an'ny vehivavy (izaho koa zay !... merci !!!) dia valiako hoe "ho ela velona ny lehilahy !"
Bon anniversaire ilay Rain'i Simp, izy koa lehilahy an ! ho ela velona koa !
Ilay resaka Asaramanitra dia ho hita eny ihany izay mba ahazoako vaovao fa ny fotoam-bita tsy mahaleo ny sampona, izaho tsy lasa tany akory fa nisy sakana. Nalahelo aho kanefa izay no sitra-Janahary e ! Isan-taona aho tsy diso io fotoana io sady izaho mpankasitraka ny hetsika gasy toy ny ataon-dry zareo ao amin'ny Rarihasina, vazimba prod sns...
Nampidirin'i tsikisariaka 08 Mar 2008, 19:18mankalaza e !!!
Nampidirin'i ikalamako 09 Mar 2008, 00:33Izahay moa tsy maharaka mihitsy ny fanisan'andron'ny gasy mihitsy. Fa rehefa mandre hoe asaramanitra, dia miarahaba an'izay tratrany rehetra (nahatratra azy hoy ny namana sasany). Dia misaotra an'i tsikisariaka koa nampahafantatra.
Nampidirin'i lap 10 Mar 2008, 01:16nisy alina tsymaty ve ilay asaramanitra ?
Nampidirin'i Rajiosy 10 Mar 2008, 21:58Maninona Rajiosy ??? tsy azoko.
Izaho nge mpihaino radio dia maharaka kely e ! fa iny Sabotsy iny aho tena rempotra dia tsy afaka nankany nefa hoy aho isan-taona aho miatrika io Asaramanitra io foana. Nisy an'ilay 8 mars koa moa tamin'iny (wa wa wa teo amin'ny esplanade) dia tsy haiko e ! samy tsy natrehako dia izao aho tsy mahalala ny akony.
lap > Tsy misy fisaorana fa izaho aza tsy afaka milaza ny tohiny akory
Nampidirin'i tsikisariaka 12 Mar 2008, 14:10Fa hafa ihany aloha sady manja ny an'ny gasy e ! ary io tsy hoe resaka "traditionnel" no atao mibahana fa ny soa toavina, kolon-tsaina ary maha-izy ny gasy e !
Nampidirin'i tsikisariaka 14 Mar 2008, 05:59alina tsymaty izany ve tsy tokony ho nuit blanche no tian'i rajiosy lazaina kosa e, hoe nisy moviman ziska lôby !
Nampidirin'i ikalamako 14 Mar 2008, 14:11hay vé révéiô ty lazain-dRajiosy e ! saiky tsy arako, misaotra an'ikalamako. Toa tsy nisy tamin'itony Asaramnitra tony ka ! ilay amin'ny Alahamadibe no misy alinatsymaty any Ambohijanaka fa somary lavitra dia "bedy" aho tsy mahazo mandeha any.
Nampidirin'i tsikisariaka 14 Mar 2008, 14:40hay vé révéiô ty lazain-dRajiosy e ! saiky tsy arako, misaotra an'ikalamako. Toa tsy nisy tamin'itony Asaramnitra tony ka ! ilay amin'ny Alahamadibe no misy alinatsymaty any Ambohijanaka fa somary lavitra dia "bedy" aho tsy mahazo mandeha any.
Nampidirin'i tsikisariaka 14 Mar 2008, 14:40Tratry ny Asaramanitra o ! Ny Fetin'ny Fahaleovantena no tiako ho tsindriana amin'io !
Nampidirin'i 26 Jiuin 1960 - 26 Juin 2008 26 Jio 2008, 09:58Ho ela velona anie Madagasikara, iray tsy mivaky !
Tratry ny Asaramanitra o ! Ny Fetin'ny Fahaleovantena no tiako ho tsindriana amin'io !
Nampidirin'i 26 Juin 1960 - 26 Juin 2008 26 Jio 2008, 09:58Ho ela velona anie Madagasikara, iray tsy mivaky !
Tratry ny Asaramanitra o ! Ny Fetin'ny Fahaleovantena no tiako ho tsindriana amin'io !
Nampidirin'i 26 Juin 1960 - 26 Juin 2008 26 Jio 2008, 09:58Ho ela velona anie Madagasikara, iray tsy mivaky !
Misaotra dia Samy hahatratra ny hoavy avokoa ry 26 juin a !
Nampidirin'i tsikisariaka 27 Jio 2008, 10:48Ho ela velona ny FAHALEVANTENAN'NY GASY e !