Tsy tamy irery ny loza

Nampidirin'i tsikisariaka | 3 Mar, 2008

Betsaka ny loza mitranga ankehitriny : rivotra, halatra, vonoan'olona sns... Indraindray dia misy ny loza mifampisarika ka mampifanesy azy ireny. Ndeha anie hotantaraiko aminareo ity zava-nitranga ity e !

Tamin'ny Sabotsy 23 Fabroary 2008 alina dia nandalovan'ny mpangalatra ny trano iray teny Ambatofotsy avaradrano ary dia foana ny lakozia, lasa avokoa izay fitaovana zakany tao. Ny tompon-trano anefa tamin'io matory ao amin'ny efitra mifanila amin'ny lakozia tsy nandre izay ambonin'ny tany. Nony tafafoha vao vaka sy ana ry zareo fa nafoy tao anatin'ny indray mipi-maso ny fananana. Nandeha teo ny fankaherezana sy ny finiavana hitràka teo anoloan'izany. Ry zareo koa mbola tanora afaka hihary soa aman-tsara. Mila ezaka kely dia tafaverina eo izay mety ho azo.

Tonga ny Alakamisy manaraka (28.02.08) an'iny dia tera-bao Ramatoa. Somebiseby ny iray trano, ny vahiny tsy maintsy ho raisina amin'ny fomba mihaja sy feno fitiavana, ny tena vao eo no novizan'ny ratsy fanahy. Dia atao ahoana fa dia natao hatrany ny ezaka fa mba fifaliana ity tonga, fahasoavana ity nitranga ka dia velom-pifaliana sy tsiky ny mpianakavy rehetra.

Ny ampitson'iny, zoma 29.02.08, nisy ny fanasana nifanaovan'ny fianakaviana, alim-pandihizana izay nisian'ny zanaka iombonana nifaninana tamin'itony tovovavy kanto (miss) ka dia nandeha namonjy izany ilay vao nahazo zazakely (ilay rangahy an ! fa Ramatoa moa tsy mankaiza fa mitaiza). Vita ny fifaninanana, nandihy ny rehetra teo am-piandrasana ny valiny tanaty tebiteby...
Tampoka teo dia nisy niantso ny finday iray teo ambony latabatra, izaho tamin'io tsy mba nandihy fa niandry latabatra (soa ihany), noraisiko ilay finday, avy dia fantar'ilay olona ny feoko ary hoy izy hoe :".... misy manafika izahay fa vonjeo, efa ao am-baravarana ry zareo !" "eny" hoy aho sady nitsangana aho niantso ny manodidina ary nanontany hoe an'iza ity finday ity... ary teo vao fantatro koa hoe iza ilay niantso fa nifangaro tamiko ny feon'ireo mpiantso anay.

Nikoropaka ny mpianakavy... ilay tena tompon'ny finday no tsy tazana fa vao notadiavina, efa nalefa nandeha aloha ny fiara iray misy olona teo amin'ny 5 lahy ry zareo ? nandha namonjy tany... tany amin'ilay toerana vaky lakozia voalaza tetsy ambony ihany io !!! Loza izany. Nony kelikely vao nipoitra ilay Ramose, kay moa izy naka rivotra sy nifoka sigara tao amabadiky ny fidirana dia tsy nisy nahita no sady tsy nandre ny korapaka teo. Dia nambara taminy tamim-pahatoniana ny resaka ka taitra mafy izy, kivy tanteraka ! tsy laitra notohaina anefa fa dia ny hirifatra ihany handeha hamonjy ny vady aman-janany no tao an-tsainy... nifandroitana teo ka lasa ihany ary dia ny zanako lahy 14 taona no nanaraka azy tany sy nampitony azy eny am-pandehanana. Tonga soa aman-tsara tany ny fiara rehefa avy nanao "rallye".

Izahay tao amin'ny "bal" niandry trano tao satria ny fety efa rava tamin'ny 2.30 maraina. Ilay fifaninanana ve ? eny e ! fahatelo ilay zanakay tamin'ny fifaninanana (2è dauphine) Efa tsara satria mbola isan'ny nahazo salotra sy loka.

Ny tany Avaradrano : tsy nisy naninona ny vady aman-janak'ingahy teo, misaotra an'Andriamanitra. Lava ny alina nanaovana ny fanarahan-dia ny mpangalatra, nisy ihany ny entana notsimponina teny an-dàlana, nisy ihany koa ny noahiana saingy... tsy nisy tratra ny mpangalatra. Maraina foana ny andro, mbola tsy vita ny raharaha teny amin'ny zandary sy ny sisa. Ny mpanontrona efa lasa nody rehefa nilamindamina ny tany.

Sabotsy 01 Martsa : nanenoneno foana ny findaiko.... nifandimby niantso ahy izay mbola tany ivelany tany ary efa "suspens" 20 minitra teo vao....
... re ny vaovao fa tratry ny lozam-pifamoivoizana ingahy ! ilay ranadahy tratry ny mpangalatra sy vao tera-bao teo ! an-tenda ny aiko, tsy afaka nihoraka sy nitomany mafy satria tao an-trano i Papa sy i Mama.... mody mandaha ao an-dakozia aho na ao amin'ny "douche" mba hitomany dia mamafa maso indray rehefa hiverina tatsy !

Tonga indray ny antso fa tsy maintsy hiainga aho hamonjy ilay maratra sy ny taxi nanatitra azy teny amin'ny "urgences HJRA" satrai ny olona sasany nijery "constat" sns... inona no hevitra ? mody ny findaiko no nahodinkodiko ary nilaza aho hoe : "Mama a, tsisy crédit tsony aho fa ndeha hijery crédit !... " dia nomeny vola koa aho hamidy zavatra hafa. Dia ataoko ahoana indray izany ity hafany nefa aho handeha, niantso olona aho mba hiandry ao amin-drizareo sady nampitondraiko ilay hafatra sy ny hoe : "lazao zareo fa tsisy crédit raha tsy alavidavitra"... dia nihodinkodina teny ny ora. Nanana ny tsindrimandriny ilay reniko ary nibip ny ankizy rehetra izay tsy nisy namaly, mbola porofo ny fisian'ny tranga izany fa tsy nisy sahy nilaza taminy aloha. Tonga teny amin'ny hôpitaly aho ! Efa sérum sy oxygène no nandravaka ny endrik'ilay anadahiko. Tsy afaka miteny izy. Soa ihany fa mahatsiaro saina na dia mbola reraka mafy aza izy. Izay aho vao niantso an'i Mama ka bedy be. Mitomany be izy miresaka amiko. Maditra daholo hono izahay fa maninona ny zanany. Tsy maninona izy hoy aho fa efa ho avy any haka anareo ny ankizy.

Nihaona daholo izahay 8 mianaka (izy mivady sy izahay 6 mianadahy naterany) nony avy eo. Nontronin'ireo vadinay avy izany.

Mafy noho ny mafy izany ry reto a ! Mampalahelo. Izahay rehetra aza moa mahatsiaro voadona mainka fa Ranadahy izay niharan'izany rehetra izany ? hita tena kivy tokoa izy ary mbola eny amin'ny hôpitaly amin'izao. Fa dia eo ny rehetra manontrona azy.

Koa mivavaka ho azy mba hiverenan'ny fahasalamany tanteraka !