Herinandron'ny HAVATSA UPEM

Nampidirin'i tsikisariaka | 23 Okt, 2007
Isan-taona dia misy ny herinandron'ny Havatsa Upem ka eo amin'ny faraparan'ny volana Oktobra foana izy io ary marihina amin'ny fampiratiana ny asa soratr'ireo mpikambana rehetra na ny eto an-tanindrazana na ny an'ireo izay any am-pielezana rehetra any. Ahitana ihany koa ny tantaran'ny Fikambanana hatrizay 55 taona nisiany izay. Ity faha-55 taona ity moa dia nomarihina tao amin'ny CFM Anosy ny 8 septambra 2007 lasa teo. Nisy ny fiaraha-misakafo, hira, dihy ary korana. Isaky ny 31 Oktôbra moa dia misy ny Alin'ny Pôety saingy efa novitaina tamin'io 8 septambra io ny lanonana izay nisian'ny fanolorana Salotr'hasina ho an'ireo mpikambana ary fanolorana mariboninahitra hoan'izay nahazo izany (jereo www.thina.artiste-malgache.com : Havatsa 55). Rahampitso Alarobia 24 Oktobra 2007 amin'ny 11 ora maraina no fanokafana amin'ny fomba ofisialy ny fampiratiana ka manasa izay rehetra eto Iarivo mba handalo ka hitsidika izany. Misaotra indrindra mialoha e ! Handefa akony eto ihany amin'ny fotoana mahamety azy ny tenako.

Gasy iraisam-pirenena

Nampidirin'i tsikisariaka | 19 Okt, 2007
Alina (18.10.07) dia Ambohim-pihaonan'ny Gasy mielim-patrana na tany am-pielezana tany am-pita tany ny tetsy Soavimbahoaka. Iraisam-pirenena mihitsy satria tao ny avy any OTTAWA (Canada) izay isaorana mitafotafo satria tompon'ny trano, tao ny avy any BELFORT (France) izay mpanentana mavitrika be, Izy roa ireo hiverina any avy indray ato ho ato, tao ny avy any VIETNAM, vao tonga vao haingana ary hitoetra eto amin'izay, tao indrindra koa ilay mpampianatra anay ni-blaogy izay avy any ITALIE, mandalo eto DAGO koa izy, dia ny avy eto an-toerana moa tsy hadino fa "mpiandry tanàna izahay"... 11 izahay no tao ary raha ny voalaza dia isan'ny maro hatramin'izay nihaonana izay (oeeeee !). Nahafinaritra tokoa ny fihaonana satria nanamarika ny "tena fisiana" raha somary aloka aza ny soratra sy sary mahazatra taty amin'ny blaogy ka dia hita vatana tokoa ry... (...dreindrendreindrein !!...) : - Hery "Tsiky dia ampy", - Tattum, - Elodieriana, - Barijaona, - Mia, - Jentilisa, - El Tsifaka - ary i Tsikisariaka (azafady raha misy diso tsipelina). - Nisy namana hafa telo tao (vahinin'ny efa mpi-blaogy) izay inoana fa hi-blaogy koa atsy ho atsy (enga anie!) : FALY NIFANKAFANTATRA E E E E Dia raikitra ny tsaingoka sy fisotro sy ny tafa isan-karazany izay manodidina ny BLAOGY ny maro isan-jato. Ny hevi-dehibe nampitaina dia ny fanentanana ny tanora amin'ny resaka blaogy ary koa ny fanaovana horonan-tsary alefa any amin'ny blaogy iraisam-pirenena iray izay iresahana ny fahasamihafana. Mbola hisy ny fihaonana manaraka amin'ny Sabotsy 27 Oktobra 2007 amin'ny 10 ora eny Ankadivato (Barijaona). Koa mbola alefa indray ny fanasana ho an'izay tsy tratra antso na ny tsy afaka tamin'ity fihaonana voalohany amin'ny andiany fahaefatra ity. I Elodierana efa any Ottawa amin'izany ka raha tsy tafahaona moa dia "soava dia retsy a !" Ho ela velona ny mpi-blaogy e !

Fikarohana hafakely (sociolinguistique)

Nampidirin'i tsikisariaka | 17 Okt, 2007

Betsaka ny fikarohana azo atao ankehitriny. Ny mahaliana ahy dia ny resaka teny hita eny anatin'ny fiaraha-monina (sociolinguistique) ka sao mba misy afaka manampy sy manome hevitra. Mikaroka aho momba ny tantara sy fiavian'ireny teny ireny. Ohatra : "Manao Rasesily" izay midika hoe mangalatra (amin'ny resaka lalao karatra sns). Fa iza kay io Cécile io ary taiza no niseho ny tantara ary toy ny ahoana ? Ao koa ny hoe "Tain'alikan'ny Zily (Gilles)", fa naninona koa izany ary taiza ? - Ny kiraron'i Beminahy etsetra etsetra. Misaotra mialoha e !

«Mialoha   1 2