TAOM-BAOVAO
Nampidirin'i tsikisariaka | 1 Feb, 2010Arahabaina nahatratra ny volana Febroary indray
ô
Mahafinaritra fa miarahaba foana an ! Io Febroary io tokoa hono dia volana
voalohany ho an’ny “hafa”, ary midika ho “fidiovana” izy io amin’ny teny latina
“februarius”. Taom-baovao any ho any koa izany anio.
Fa ny tena taom-baovaon-tsika Malagasy dia ho
avy tsy ho ela : 16 MARTSA 2010.
Toy izao no azo ambara :
-
Averina
eto indray aloha fa ny andro ifanitsahan’ny volana sy masoandro ao amin’ny
antokon-kintana Alahamady raha tazanina avy ety ambonin’ny tany (avy eto
Madagasikara izany). Ary io no manambara ny taom-baovao Malagasy ka
hankalazaina indrindra eny AMBOHIMANGA amin’ity taona ity.
- Ny
Alahady 14 Martsa 2010 amin’ny roa ora sy sasany tolakandro : Fotoam-pivavahana
ao amin’ny FJKM Ambohidrabiby ho vavaka fangataham-pitahiana ho an’ny
tanindrazana.
- Ny Alatsinainy 15 Martsa 2010 hifoha Talata 16 Martsa 2010 amin’ny 12 ora sy 2
minitra alina. Eny amin’ny vohitra masina no hiainga ny “AFO TSY MATY” amin’ny
telo ora.
- - Tohizana
amin’ny “Fafirano” sy “Tatao” izany ny marainan’ny 16 Martsa ary manomboka amin’ny
folo ora (10 ora) maraina ny fanatanterahana ny lanonana ôfisialy.
Lavitra akaiky ilay daty fa dia mba tadidio
ihany e ! soraty any amin’ny diary. Dia izao, tsy ananako ny antsimpirihan’ireo
fa mpampita ihany koa aho ka tsy manan-kavaly aloha raha misy ny fanontaniana
manitikitika.
Mirary soa ary e !
Raha tsy diso aho dia fizarana vary amin-tantely no atao hoe "TATAO". Misy afaka manazava misimisy kokoa ve ? Misaotra nizara vaovao mahafinaritra.
Nampidirin'i Toetra RAJA 01 Feb 2010, 19:11Toetra RAJA
Mirary antsika rehetra samy ho tratry ny taombaovao malagasy izany e!
Nampidirin'i zafintaolo 02 Feb 2010, 18:56Misaotra anao koa nampita ny vaovao sy nanome fanazavana. Ho ahy manokana aloha dia io no volana nahaterahako "volana adalo" avy @ teny arabo hoe "a(l) + dalo" izay midika "sihô" (ilay sihô" fasiana rano ary misy rano miraraka ny sariny ao amin'ny "horoscope zodiac - verseau). Dia mifanandrify @lay nolazainao zany fa hanadio tena amin'ny rano feno sihô i Zafintaolo @ ity volana adalo ity hihihihi hadio tokoa fa vaovao ny taona.
Misaotra anareo ! izay no hifaneraserana eto mba mifameno ny vaovao sy ny fahalalana.
Nampidirin'i Tsikisariaka 03 Feb 2010, 08:25Ny Tatao dia izay izy resaka sakafo izay ary amin'ny fomba tena malagasy.
Ilay fidiovana tenenin'i Zafintaolo koa tena hatao soa fianatsa e ? sady fomba tian-kaverina moa izany e ! Iray "sihô" an ! hi hi hi
Fa dia mirary taombaovao finaritra ho antsika rehetra e !