TSODRANO HO AN'ILAY VAVITOKANY
Nampidirin'i tsikisariaka | 16 Nov, 2009
Ry Rova kely, ry sombinaiko,
Sahirana ery ho’aho ny saiko
Tojo izao… androm-pifaliana
Hirosoanao am-panambadiana
Mbola tsaroako ny fahizay
Ianao vao nianatra niteny
Nibadabada niantso ahy
Niantsampy tamin’i Neny
Nototoranay fitia
Ilay hany lavitra sahala
Nezahanay mba tsy halia
Saingy iarahana mahalala
Fa misy anjara tsy azo lavina
Misy fo tandrify anao
Ifanoloranao fitiavana
Ka dia tojo amin’izao
Eny anaka, lasa ianao
Ny foko injao mamelovelo
Ataoko ahoana ny hinia
Tsy haneho ny alahelo ? (….)
Ry vavitokana tsy foiko
Hikopak’elatra handeha
Sitrako ary koa inoako
Fa ianao… ho rehareha
Ka hamelo-maso hatrany
Ny anaran-dray sy reny
Tsy hadinonao na dia any
Ireo anatra… sy teny
Hoentinao hikolokolo
Ilay tokantrano vao
Hampitsiky, hamelom-bolo
An’i Andry vadinao
Efa nekenay handray anao
Sy irinay mba hampateza
Izay ho fifaliam-ponao
Ry Rova Mialy Zo Maneva
Be ny vetsom-po tsy tàna
Fifaliana arahin-tsento
Fa mahery ny tso-drano
Atolotray manomboka eto
Mahaleova, mahalasàna
Ry sombinaina mamy indrindra
Maharena tokantrano
Be fitia sy tsara rindra
Thina 23.07.09
Sahirana ery ho’aho ny saiko
Tojo izao… androm-pifaliana
Hirosoanao am-panambadiana
Mbola tsaroako ny fahizay
Ianao vao nianatra niteny
Nibadabada niantso ahy
Niantsampy tamin’i Neny
Nototoranay fitia
Ilay hany lavitra sahala
Nezahanay mba tsy halia
Saingy iarahana mahalala
Fa misy anjara tsy azo lavina
Misy fo tandrify anao
Ifanoloranao fitiavana
Ka dia tojo amin’izao
Eny anaka, lasa ianao
Ny foko injao mamelovelo
Ataoko ahoana ny hinia
Tsy haneho ny alahelo ? (….)
Ry vavitokana tsy foiko
Hikopak’elatra handeha
Sitrako ary koa inoako
Fa ianao… ho rehareha
Ka hamelo-maso hatrany
Ny anaran-dray sy reny
Tsy hadinonao na dia any
Ireo anatra… sy teny
Hoentinao hikolokolo
Ilay tokantrano vao
Hampitsiky, hamelom-bolo
An’i Andry vadinao
Efa nekenay handray anao
Sy irinay mba hampateza
Izay ho fifaliam-ponao
Ry Rova Mialy Zo Maneva
Be ny vetsom-po tsy tàna
Fifaliana arahin-tsento
Fa mahery ny tso-drano
Atolotray manomboka eto
Mahaleova, mahalasàna
Ry sombinaina mamy indrindra
Maharena tokantrano
Be fitia sy tsara rindra
Thina 23.07.09
Nipenimpenina ery ilay Ray fa handeha hanorin-tokantrano hoe ilay zanany vavitokana. Mba te-haneho ny fihetseham-pony anatrehan'ny besinimaro izy ka nandrafetako io tononkalo io. Vinanio anie ny ranomasony maneho ny hafaliana sy ny sento mifangaro tamin'ilay andro iray teo am-panaovana "ilay tsodrano"!
Nampidirin'i Tsikisariaka 16 Nov 2009, 09:03eee, akory atao fa zay ro lalam-piainana. Mbola handalo eo isika dia hahatsiaro azy - lollll (efa misy sopapa vonona ato zany @ zay :P)
Nampidirin'i ikalamako 16 Nov 2009, 10:58aoka re r'ikalamako a !
Nampidirin'i tsikisariaka 16 Nov 2009, 11:09vao niaka-taona ny tovovaviko sy nahalala izany fitiavana izany dia henoko nisintaka moramora koa ilay fitian-jazakely ! fa dia izay moa ny fiainana. Soa fa vosoratra ao amin'ny bokin'ny fiainako ny fisiany ary tsy ho voakosoky ny fizarana (épisode) vaovao rahateo ny momba anay.
Tsy maintsy ho avy io andro handehanany io ! efa vonona aho ka !
Nahalahehibe anaka zany i tsikisariaka !Ohatrany hitako raha ny lahy be-ko ato no handeha !hummmm ,soa mbola misy taona elaela ! :-)
Nampidirin'i fahamarinana 16 Nov 2009, 11:24Soa ihany ny zanako fa lahy :-)
Dia arahabaina i Rova (Rova be fa manja kely foana) sy nareo ray amandreniny
Nampidirin'i Hery 16 Nov 2009, 11:52Ndryyyyy, io tkou ilay andro mahafaly sy mampalahelo an'ireo RAD e !!
Nampidirin'i mmmhh 16 Nov 2009, 12:15Miarahaba an'i Rova Mialy sy Andry zany kou, ...
faha : héhé vetivety ange zay dia tonga e, ary mitovitovy ihany ny départ na lahy na vavy klé, sa ????
Nampidirin'i ikalamako 16 Nov 2009, 13:03hery : misy mahasamihafa azy loatra ve ? Toa ny fon-dray sy ny fon-dreny mamoaka zanaka no samihafa fa tsy dia ny zanaka avoaka loatra k'ity. Asa anefa, iaho tsary manana lahy hihihi.
Raha maditra izy aloha dia tena hoe ndeha @ zay manambady any fa reraka aho !!!
ôôô, tsara be izany !
Nampidirin'i Kdaombaramita 16 Nov 2009, 15:40o ry Fahamarinana a ! efa nahalehibe tokoa aho fa mbola tsy niainga e !
Nampidirin'i tsikisariaka 16 Nov 2009, 16:05io Rova io zanaky ny namana (jereo ny hevitra nampidirina voalohany etsy ambony).Inoako fda handalo eto amin'ity blaogy ity ny RAD mba haneho hevitra.
Ny an'i Hery mbola rahoviana fa dia araraoty ilay "fitian-jazakely " e!
Handeha ianao ry zanako vavy, lehibe ianao izao e! Lalam-piainana izany dia mirary soa e!
Nampidirin'i maeva74 18 Nov 2009, 18:55izay RAD rehetra moa izany afaka maneho hevitra. ny tanora koa e ! fa izay ihany araraoty ny fotoana indrindra ny hatanorana fa rehefa antitra eo anie ho be ny tanora .... nefa ny ataovy amin'ny tsara sy ny rariny ary antonony manko e !
Nampidirin'i tsiks 09 Des 2009, 08:05izay RAD rehetra moa izany afaka maneho hevitra. ny tanora koa e ! fa izay ihany araraoty ny fotoana indrindra ny hatanorana fa rehefa antitra eo anie ho be ny tanora .... nefa ny ataovy amin'ny tsara sy ny rariny ary antonony manko e !
Nampidirin'i tsiks 09 Des 2009, 08:14izay RAD rehetra moa izany afaka maneho hevitra. ny tanora koa e ! fa izay ihany araraoty ny fotoana indrindra ny hatanorana fa rehefa antitra eo anie ho be ny tanora .... nefa ny ataovy amin'ny tsara sy ny rariny ary antonony manko e !
Nampidirin'i tsiks 09 Des 2009, 08:14不倫
Nampidirin'i tanaka 23 Des 2009, 10:29熟女
人妻
知り合いの人妻
完全無料出会い系
競馬 情報商材
投資信託
FX情報商材
馬柱
現金化
congrats ! you are one of the BOMS!
Nampidirin'i Jogany - The Cool admin at Best of Malagasy Blogs 04 Jan 2010, 09:05Félicitations vous êtes parmi les BOMBS!
Aharabaina fa anisan'ny BOMBS ianao!
http://www.bestofmalagasyblogs.com/les-bombs-sont-laches/