Nodimandry izay namana izay....
Nampidirin'i tsikisariaka | 26 Okt, 2009NILAOZANY…
“Tsy vitan’ny nilaozanao teto an-tany fandalovana
‘Zany foko mitoreo, toran’ireo fahatsiarovana
Tonga teto mihitsy aho fa ianao hono efa lasana
Nizotra niankandrefana any ‘ndeha hamonjy ‘zato fasana”
Izany sisa vetsovetso naverimberiko tan-tsaina
Tsy afa-nitomany akory, tao am-po no nitaraina
Hoe miangatra ny lanitra, misompatra e itony tany
Dia nindaosiny mandrakizay nentiny any lavitra any
Ilay niarahana nitafa, ilay namana tsy foy
Ilay zokibe mpanambitamby, mpanoro làlana mpivoy
Irony lakan-tsikitsiky, laroim-bazo tsy hita fetra
Foana izany ankehitrio, tsiaro sisa izay rehetra…
Thina A.
(Antanimena, 14.10.09)
Mahereza njy !!!
Nampidirin'i ikalamako 26 Okt 2009, 12:08Misaotra akia ikalamako a !
Nampidirin'i Tsikisariaka 26 Okt 2009, 18:18Mankasitraka e!Tsara sy kanto ilay tonokalo
Nampidirin'i maeva74 26 Okt 2009, 18:47Mahereza!
Maeva74
Misaotra Maeva !
Nampidirin'i Tsikisariaka 27 Okt 2009, 12:12Andrianiko hatrany ny teniko, tenintsika, tenindrazantsika e ! sa ahoana ?
Mankasitraka ny tononkalonao na dia mampalahelo aza.
Nampidirin'i mangamaso 27 Okt 2009, 13:04Mahereza
Misaotra ry Mangamaso a ! tsy hita fa raiketina an-tsoratra ny aingam-panahy mandalo e ! ary iny rahateo zava-nisy niainana marina !
Nampidirin'i Tsikisariaka 27 Okt 2009, 13:25Izaho rahateo elaela tsy nitoraka blao-gy e ! dia mba mizara ny zava-misy sy ny talenta kely.
Mankasitraka e !
Dia mahereza tokoa fa inoako fa isan'ny mafy izany !Kanto ilay Tonokalo ,mahalaza ilay finamana teo aminareo !
Nampidirin'i fahamarinana 31 Okt 2009, 21:38Fahamarinana araka ny anaranao izay voalazanao.
Nampidirin'i Tsikisariaka 01 Nov 2009, 09:54Mankasitraka e !
不倫
Nampidirin'i たなか 23 Des 2009, 10:31熟女
人妻
知り合いの人妻
完全無料出会い系
競馬 情報商材
投資信託
FX情報商材
馬柱
現金化