TSY AFA-MAMALY
Nampidirin'i tsikisariaka | 13 Okt, 2008"e e e e raha te-hanoratra ianareo, tsy afa-mamaly ny taratasy aho e, mbola sahirana a !"
Nindramiko io andalan-tononkiran'i Mahaleo io mba ho hafatra apetrako androany. Be ny manontany hoe "lasa aiza ary ikala Tsikisariaka ?". Valiny : Ilaozany mitsiky sy misariaka etsy sy eroa fotsiny. Aleo ihomehezana kely. Mbola revo amin'ny fianarana fa mafy ny te-hisondrotra amin'ity fiainana ity e !
Hisondrotra ho aiza anefa ? te-hanana fiainana tsaratsara kokoa e! satria mahatsapa fa mbola tsy izy foana izao iainana izao. "Sarotra ny fivelomana" hoy i Dama izay dia naleony nifindra monina. Ka na ho aiza ianao na ho aiza anie tsy misy lafatra e ! eny e, fa mba miezaka fotsiny miova dingana. Miala amin'ny efa nisy mba ho amin'ny ambony kokoa. Fa mila miharitra koa aloha satria ny faniriana ho ambony mavesatra, ny tanjona avo dia avo, ny sakana anefa marobe ary ny fefy tsy voaisa. Mbola ezaka koa ny fisedrana izany rehetra izany ! Ny fahavononana hahatratra ny tanjona dia efa risika lehibe iatrehana azy.
Zaraina izany mba ho zaka ny ady aty an-tanin-katsaka e !
Fa aza tsiny raha ela be vao voavaly ny taratasy. Mahereza daholo dia aza manadino an !
Tsikisariaka (Tsiks)
herezo ny dia àry ramatoa tsiks
Nampidirin'i Rajiosy 13 Okt 2008, 21:14Dia mahereza Tsiks a :).
Nampidirin'i Tokinao 13 Okt 2008, 21:23mirary soa ooo
Nampidirin'i simp 13 Okt 2008, 22:33kourazy foana akia dia tratràra soa ny tanjona a!
Nampidirin'i ikalamako 14 Okt 2008, 11:14Ary tsy ratsy ilay anarana hoe Tsiks :-) (Mbola mitady anarana foana)
Nampidirin'i Hery 14 Okt 2008, 16:43mazotoa e!
Nampidirin'i news2dago 19 Okt 2008, 12:02any ejypta moa i tsiks io sa aiza?
Miarahaba sy misaotra anareo rehetra izay tsy tononiko sao misy hadino dia hananan-tsiny e !
Singaniko fotsiny ny an'i Sefo hoe mitady anarana ? nafohezina letsy fa lava loatra a ! sady tany aloha tany no nnisy nanao an'io dia noraiketiko ihany ka ! satria tsy nisy naka tsinona ko !
Eny tokoa ry NewsDago, eto Egypta izahay, tsy mety leo tongolo na dia be aza aty kanefany ô satria eo ambony eo no misy an'ny rasalama dia raha tohizana ny route circulaire dia mandalo an'ny Tsiadana Ambanidia vao tafakatra eny Ambohitsaina ! Oadray ! kay ? fa aiza marina izy izany leitia ? tsy misy misaron-doha loatra aty ka ! ha ha ha .... Hafa ihany ny eto Dago lehiretsy a !
Nampidirin'i tsiks 20 Okt 2008, 18:01不倫
Nampidirin'i tanaka 23 Des 2009, 10:33熟女
人妻
知り合いの人妻
完全無料出会い系
競馬 情報商材
投資信託
FX情報商材
馬柱
現金化