IO ARY ILAY VAOVAO !

Nampidirin'i tsikisariaka | 26 Mey, 2008

Lafatra e !!!!

Izay no azoko ilazana ny fahafinaretana azoko omaly. Arahabaina aloha ny Reny rehetra dia irariana soa koa ! Izaho moa teny ANTSONJOMBE no nankalaza izany nianoka ny fifaliana niaraka tamin'ny ROSSY sy ny tariny nanao fampisehoana.

Tsy dia fahita firy ny hoe fampisehoana goavana kanefa dia tsy nilahatra be nahasorena fa maromaro ireo fivarotana tapakila teny an-toerana ka ny fidirana eo am-bavahady noho ny fandaminana amin'ny fisavana ho antoky ny fandriam-pahalemana ihany no ataoko hoe nilaharana kely. Ny sakafo dia azo nisafidianana ary tsy dia lafo fa takatry ny rehetra. Tsy ferana moa ny efa nitondrana izay sahaza avy any an-trano fa fitsangatsanganana moa no atao.

Namaky lay tamin'ny kalokalo ingahy "sôtisôty", hi hi hi, i Hery Puissance io e ! dia nisesy ireo tarika nanafana ny sehatra mandram-piakatr'i GRand ! Tatsy ambadiky ny sehatra dia nisy ny fakàna sary niaraka tamin'i Paul (Rossy en personne) izay somary nilaharana ihany koa satria ifandrombahana, ny havana rahateo mandalo fotsiny ka tsy mahagaga ! ny nahasosotra dia ry zalahy mpangaro-paosy koa mba nisisika namita ny asany dia rava ilay fiaraha-maka sary e !!!!

Tamin'ny 3 ora tolakandro no niakatra ry ROSSY ary raha tsy diso aho, mbola fenofeno hatrizao ny foko (snif snif)..., dia ilay hira hoe "na dia lavitra feno fandrika aza ny làlana mandeha mankany..." no nataon'i Rossy ary dia sento niraisana no teo Antsonjombe, feno ny fon'ingahy, latsaka ny ranomasony...... tsy vitsy koa izahay tantin'ny mpijery no namafa ranomaso fa tena........ faly e ! faly fa tafahoana indray, faly fa feno rahateo Antsonjombe, faly fa hilanona tokoa. Iny dia nalefan'ingahy CARLITO sahady ny setroka fandravahana dia mba sarotsarona ilay ranomaso na dia... [Carlito io dia vazaha kely naman'i Rossy ary nanome tànana tokoa tamin'ity seho ity]

Dia nifandimby amin'izay ny tarika nanohana sy nanampy azy ! Izy, hoy aho, Rossy io an ! tena mihetsi-po foana ka nisy ny fotoana izay somary mandeha kely ny "prélude" dia miandry kely fa "ému" be ilery !!! fa tsy maninona fa "feeling" daholo izany !!! Tao ry RAMILISON, IMANGA, KOEZY, .... sns fa tsy ary voatanisa sao ananan-tsiny. Ny tsy hay hadino dia ireo tompon'ny "free style" any avaratra any, tsy hoe JIJY moa ny filaza azy ? ireny ilay ataon'ingahy Parson taloha ireny e ! Ny anaran-dreo koa tsy tsaroako fa nisy an-dRakotofika, dia i Mahazatsy moa ? sns sns. Dia nisy vehivavy anankiroa koa --- Nahafinaritra e ! 

Somary nibahan-toerana ireo ambony ireo ka nanjary betsaka ny hira tsy natao toy ilay hira nalefako iny indrindra indrindra "TSAIKY TIAKO" ! fa hoy i Rossy hoe : "mbola hisy ny manaraka" ka dia manentana sahady indray aho, fa raha tsy Antsahamanitra dia Palais des Sports alohan'ny handehan-drizareo mody !

Nony nilatsaka kely ny aizina dia nafana ny teny an-tsehatra ary dia nidoboka ny afomanga, ravo ny rehetra, hatramin'ireo izay tsy nijery fety aza nisitraka ny taratry ny afomanga ihany koa. Fa izahay tao anatiny aloha nahita afo hafa talohan'izany, isan'ny ravaka teny an-tsehatra io, afo fotsy manjopiaka e ! tsy hitako faritana fa .... tsara !

Dia ity misy mampisento mahafinaritra be, nohirain'i Marc JOLI ilay hira hoe "An"i Malala", vazaha izy fa tena misy tsirony koa ny nanaovany an'ilay hira (izaho tsy manana horonan-tsary fa inoako fa halefan'ireo naka sary tao any amin'ny fahitalavitra any izy io tsy ho ela ary ho voasingana tokoa, raha izaho aloha no misafidy e !) Fa avy eo notohizan'izy sy i Rossy ny fampiaraham-peo ka.... nahafinaritra sy tena nampisento tokoa !

Dia avy eo tsy mba briquet na labozia na taratasy dorana (toy ny mahazatra) no ravaka teny amin'ny mpijery fa namirapiratra ny jiron'ny finday rehetra !!!!!!!! alivo sary an-tsaina anie e !

.... Farany dia nidongy izahay mpijery, tsy mahafoy sahady hoe hisaraka kanefa moa ny fotoana manam-petra, ny làlana rahateo tsy maintsy hajaina, ny andro alina, ny fianakaviana miandry ka dia vita ihany.....

Izaho manokana moa dia niandry ny fifandraisan-tànana tamin'ny namana Rossy izay ankizy niara-nitombo tao amin'ny RNM tao e ! tsy diso anjara tamin'ny fakàna sary faraparany.

Izay no tadidiko aloha... Tsy mbola nahazo sary alefa eto aho fa dia aleo aloha hiomana sahady hiatrika ilay seho manaraka.

Ny vaovao farany koa dia hoe hisy isan-taona ny fampisehoana ary hisy seho lehibe toy ny Donia eto Antananarivo ka efa misy ny mpanohana namaly antso.

Ny aina no matezà sy veloma hiatrika izany e ! Dia mirary soa ROSSY a ! Tsy hadino koa i Joséphine izay Directeur Artistique an'ny tarika ROSSY, eny e ! ny Tarika iray manontolo izany e ! ampian'ny mpikarakara indrindra moa fa ny mpankafy sy ny mpijery !!!!!

 

 


14 Hevitra & 0 Verindrohy (trackback) amin\'ny "IO ARY ILAY VAOVAO !"

  1. Lava be ilay izy na dia efa nofintiniko aza ! izany aza mbola hadinoko ny nilaza ny momba an'i M. Fox mpaka sary vahiny hivoy ny kanto gasy any ivelany any. Merci M. Fox

    Nampidirin'i tsikisariaka 26 Mey 2008, 13:01
  2. Ampy largement anaovany izany rehetra izany ry ise ny vola nahodiny niaraka tamin'ilay Ratsy iry a !

    Nampidirin'i Akon'ny fahatsiarovana 26 Mey 2008, 15:26
  3. :)

    re-fintino kely hoe

    elaela zany an

    Nampidirin'i simp 26 Mey 2008, 17:59
  4. Misaotra amin'ny fitantarana Tsikisariaka a !

    Ity ny fampintinana ho an'i simp :-P

    - Feno olona, ary tsy nilahatra be tamin'ny nividy tapakila fa teo amin'ny vavahady no nilahatra kely.
    - Hery Puissance no namaky lay, fa i Rossy naka sary niaraka tamin'ny olona aloha. Nisy mpangaro-paosy koa tao lol.
    - Betsaka mpihira hafa
    - Nisy afomanga ! Ary tsy labozia na afokasoka tsony ny namiratra teny amin'ny mpijery fa finday !
    - Nisy vazaha nihira ilay Any Malala niaraka tamin'i Rossy. Nilay be ony.
    - Tsy nataony ilay hira tian'i Tsikisariaka (Tsiaky Tiako) dia malahelo be izy.
    - Fa mbola mety hisy fampisehoana ihany na ao Antsahamanitra na ao am'Palais.
    - Nidongy ny mpijery rehefa nirava ... saingy be dia be ny antony tsy maitsy niravana hi hi.

    Izay no tadidiko.

    (Teneno hoe Misaotra Pissoa a hi hi hi).

    Nampidirin'i xxx 26 Mey 2008, 19:38
  5. simp indray io ! elaela tokoa mdr

    Nampidirin'i ikalamako 26 Mey 2008, 20:04
  6. tsisy fisaorana xxx a

    ary i xxx mandika fitsipika
    !daka xxx :b:b:b

    Tsiks,
    ok ok
    misaotra nitantara eee
    mampite hitapolaka izy zany hihi

    Nampidirin'i simp 27 Mey 2008, 00:29
  7. Misaora tamin'ny tatitra feno sy nahaliana tokoa fa dia mananetena ny sary ho avy tsy ho ela izahay e :D

    Nampidirin'i tomavana 27 Mey 2008, 10:18
  8. ok jiaby jiaby e !merci merci. indrindra ho an'ilay namintina ! xxx ? okay.

    Afa-po ve simp ? rehefa tsy afa-po ndeha mitapôlaka @ seho manaraka ! Za ho'aho mibôsy be dia tsy tafa mihitsy e ! fa mba ni-relax kely tamin'ny fetin'ny Reny e !

    Io ndray ikalamako, tsy izaho akory no iresahany fa ikalasimp !! lalina izany.

    Tsisy fisaorana tomavana a ! mizara hafaliana e !

    Dia karaha akory tsara hoe ry Akon'ny fahatsiarovana ? Tena ako hafa indray izany terena ho tsaroako izany ka ! misaotra nampahatsiahy e ! fa misy pejy tena hadinoko na tsy fantatro mihitsy !!!!!!!

    Efa alina be kay zao, mbola hi-revise anaty nofy dia hifoha maraina hisisika bus sy hiady plasy e !

    Ho mbarakaly si aby e !

    Nampidirin'i tsiks 27 Mey 2008, 22:19
  9. nann indry no nataoko hoe elaela tokoa... (tokony nataoko à la ligne angamba !)

    Nampidirin'i ikalamako 01 Jio 2008, 20:35
  10. okay ikalamako a ! malahelo andry aho ! Fa mbola sahirana e ! mitsiditsidika eo ihany. Mampamangy.

    Nampidirin'i tsiks 03 Jio 2008, 12:54
  11. 出会い出会い系サイト出会い喫茶出会い掲示板ナンパ出会いカフェ人妻出会い無料系サイト優良出会い系攻略完全無料。アダルトビデオアダルト動画アダルトアニメアダルト画像アダルトサイト無料DVDアダルト風俗サンプル無料風俗優良アダルトサイト比較海外。人妻画像人妻パラダイス知合い人妻援護会人妻コレクション風俗告白。熟女画像東京熟女掲示板動画熟女ビデオおまんこオナニーエロ画像エロフラッシュアニメエロ動画エロゲームエロ漫画無料エロサイト。エッチ画像エッチ動画エッチ小説写真エッチアニメエッチ0930。セックスアナルセックス画像セックス動画セックスフレンドスワッピングSEX写真セックスボランティセックス体位東京セックス仕方SEX。おっぱい画像おっぱい村長おっぱい楽園掲示板おっぱい命おっぱいゲーム。巨乳動画巨乳画像アイドル巨乳掲示板風俗。セフレ募集セフレ掲示板セフレ画像掲示板セフレの作り方出会い無料素人セフレ。童貞狩りエロ漫画童貞狩り童貞喪失童貞オークション素人童貞逆援不倫パートナー不倫出会い人妻不倫不倫を楽しみたい方にはお薦め人妻画像など満載出会いサイトを楽しむならココ無料出会いで一緒に遊ぼう出会いはLOVEアゲインで決まり

    Nampidirin'i 出会い 24 Jol 2008, 11:42
  12. Zen zen wakarimasen !!!!!!

    Nampidirin'i tsikisariaka 28 Jol 2008, 19:53
  13. アダルトセックスがしたいなら、エッチ出会い系サイトが簡単にセックスできるのでおすすめ。人妻熟女不倫関係を作りたい、熟女とセックスがしたい、セフレを作ってエッチがしたいという方、エッチ出会いをを体験してみましょう。風俗よりも出会い系サイトがおすすめ。童貞でも素人セックスができる!おっぱいが大きい巨乳エロ娘とアダルトセックスをしましょう

    Nampidirin'i 出会い 29 Jol 2008, 16:11
  14. aza mampijaly fa zahay tsy mahay kanji tsony e !

    Nampidirin'i tsiks 06 Aog 2008, 20:25
Hampiditra hevitra









 authimage