BANGA IRAY NY KINTAN’NY GASY
Nampidirin'i tsikisariaka | 15 Apr, 2008
Lavo ilay andrarezina, hoy ny Ntaolo. Very ny kintana iray, hoy ny Tarika nisy azy. Torotoro ny fon’ny Malagasy rehetra fa tsy ny Artista ihany. Ary na ireo vahiny eto an-toerana sy any am-pita aza dia tsy vitsy no nahalala an’i Romule (ROMULE RABARIVOLA). Ontsa tanteraka ny tena e ! tsy manan-kambara loatra.
“IZAHO KOSA ANEFA NAHATSAPA TAMIN’IZAY FA IZAY NO FANDAHARANA”
Vao tsy ela anefa fa tamin’ny faraparan’ny taona 2007 no noraisina ho Mpikambana tao amin’ny Havatsa Upem izy na dia efa mpiara-dia tamin’ny Fikambanana aza. Inoana sy antenaina anefa fa tsy hijanona hatreo ny lazany teo amin’ny sehatry ny kanto fa tsy maintsy hisy any aoriana any ny tsiaro ho azy, famelomana sy fanolokoloan’ny Fikambanana ny sangan’asany fa izy kosa : handry am-piadanana anie ! Mirary fiononana feno hoan’izay mahatsapa ny fahoriana noho izao nandaozan’i Romule izao indrindra ny ankohonany.

Veloma, teny kely iray monja,
Manambara fisarahana...
...
Veloma, izay no farateny kely,
Farateny, farateny ifanaovana
Tsy hanadino velively
Na ny handao na ny hilaozana..
sniff sniff
Nampidirin'i ikalamako 15 Apr 2008, 23:05couin, couin !
Nampidirin'i tsikisariaka 15 Apr 2008, 23:09mampalahelo akia a ! tena mahatsapa fahabangana mihitsy aho. Misy ilay hira tiako be izay tsy dia mpandeha firy amin'izaho, nitaiza ny tena fahatanorako... "NOHO IREO SOMBINAINA"
Télépathie ve ry tsikisariaka? Io efa nadikako io ny tonon'ilay hira! Mihira mafy be an'ilay hira aho ato raha hanampy indry!
Nampidirin'i Lalasoa 15 Apr 2008, 23:17re snif snif
Nampidirin'i ikalamako 15 Apr 2008, 23:54hira tanaty cahier de chant-ko foana io
Tairo Lalasoa a ! an !
Okay ikalamako a !
Ho ela velona anie ny fahatsiarovana an'i Romule.
Nampidirin'i tsikisariaka 16 Apr 2008, 22:15