TAPÔLAKA e !
Nampidirin'i tsikisariaka | 2 Apr, 2008
Raikitra àry fa ho avy ny ngezalahy amin’ny mozika ! avy any France ny lehilahy ary hanao fampisehoana anankiroa govana be :
Ny voalohany dia amin’ny Alahady 20 Aprily 2008 eny Antsonjombe
Ny faharoa kosa dia amin’ny Zoma 25 Aprily 2008 ao amin’ny Palais des Sports
Isaorana ny Media Consulting izay mikarakara izany lanonana izany izay ahitan-tsika ny Tarika Rossy manontolo (au grand complet !).
Entanina kosa isika tsy an-kanavaka izay tia fety indrindra fa ireo izay nahatsapa ny fahabangana navelan’ny Tarika Rossy hatrizay. Tongava hitapôlaka e !
Indro aloha santionany nalaina tao amin’ilay rakin-kira misy sary “Ino vaovao”, ankafizo àry ilay “TSAIKY TIAKO”- Rossy.
Ny voalohany dia amin’ny Alahady 20 Aprily 2008 eny Antsonjombe
Ny faharoa kosa dia amin’ny Zoma 25 Aprily 2008 ao amin’ny Palais des Sports
Isaorana ny Media Consulting izay mikarakara izany lanonana izany izay ahitan-tsika ny Tarika Rossy manontolo (au grand complet !).
Entanina kosa isika tsy an-kanavaka izay tia fety indrindra fa ireo izay nahatsapa ny fahabangana navelan’ny Tarika Rossy hatrizay. Tongava hitapôlaka e !
Indro aloha santionany nalaina tao amin’ilay rakin-kira misy sary “Ino vaovao”, ankafizo àry ilay “TSAIKY TIAKO”- Rossy.
Tsara tokoa akia izany vaovao izany. Dia hiaraka hamonjy Tapôlaka-Glady izany i Tsikisariaka sy i Lehilahytsyresy. Raikitra ve ? ...Fa hono ho'aho, fa angaha "tsy complet" ny Tarika Rossy nandritra ny fotoana elaela ?
Nampidirin'i lehilahytsyresy 02 Apr 2008, 12:42Fa iza tamin-dry zareo no tsy teto Madagasikara ?
Juste mba fanontaniana ny ahy io, fa tena mba curieux sy liana te-hahafantatra koa i LhlTsrs retsy a.
Any mahita izy ry Lehilahytsyresy izany a ! Tandremo mody tsy mahita an !
Nampidirin'i Tsikisariaka 02 Apr 2008, 13:25"Complet" foana kanjo izy e ! na taiza na taiza ny fampisehoana nataony. i Rossy mihitsy no tsy eto e ! tsy efa fantatrao izany? fa tsy maninona izany e ! ny zava-dehibe dia hoe : HANAO FAMPISEHOANA eto an-tanindrazana ry zareo.
tsara izany e! fa hn oa tsy aahorana oe hisy hisambotra ve i rossy alo
Nampidirin'i news2dago 02 Apr 2008, 13:44Tsy mino aho ! nefa asa ! efa voaoman'ny Media Consulting avokoa ny rehetra fa izay mihoa-pefy ve tsy ahita izay notadiaviny e ! Ny ahiako moa dia fanaraoraotana hitarika korontana no be !
Raha mba bokony aho mba nitsimpona izay mpigafy saingy bitika aho no sady hanala azy no tena anton-diako sady hanontrona io namako efa ela tsy hita io.
Nampidirin'i Tsikisariaka 02 Apr 2008, 14:01ary enao zany tena tia mijery fety be mihitsy a! enao anga nijery rija rasolondraibe koa teo?
Nampidirin'i news2dago 02 Apr 2008, 15:03News2dago > tia mijery fety mihitsy aho fa maninona ?
Izaho aloha tsy nijery Rija Rasolondraibe teo. Tamin'izy mbola nihira "hiran'izao tontolo izao" dia efa nijery aho, mpihaino ny K7-ny koa. Izao aho mitady CD na K7 misy ireny hirany taloha ireny.
Fa izao aho sasa-miandry io datin'ny Fampisehoana ataon'i Rossy sy ny tariny io !!!!!
Nampidirin'i tsikisariaka 02 Apr 2008, 16:13Aleo fa zaraiko ity fa vao nomen'i Rossy ahy vao teo mihitsy :
http://www.rfimusique.com/musiquefr/articles/099/article_17199.asp
Nampidirin'i tsikisariaka 02 Apr 2008, 16:17za aloha tia Rossy e,
saingy indrisy fa tsy any aho amin'io!!!
alefaso eto ny sary tsikisariaka ho jerena indray a
ary tsara ity hirany ity an
Nampidirin'i ikalakely 02 Apr 2008, 17:07Misy hiran'i Rossy maromaro tsara kosa aloha eee. Ohatra hoe le eo anilan'ny tiana iny zao, mahatsiaro,...
Nampidirin'i simp 03 Apr 2008, 00:26ikalakely > ié, tsara io hira io, isan'ny mahafinaritra ahy ao anatin'ilay VCD-ny. Mbola hianatra haka sary sy handefa aho e !
Simp > iny hira "eo anilan'ny tiana" iny dia hira voalohandohany tany amin'ny 1979 tany fony mbola ankizy mpanentana tao amin'ny Radio Madagasikara izahay sy ry Rossy. Izy sy i Vololona no nihira azy tamin'izany. Tsara foana !
Lehilahytsiresy > hay, ny dikan'ilay hoe "au grand complet" dia ny "formation" tany France sy ny teto Dago no mitambatra hanao io fampisehoana goavana sy raitra io !
Nampidirin'i Tsikisariaka 03 Apr 2008, 13:50RAikitra indray izany ve ny tapôlaka glady ?
Nampidirin'i DadaRabe 05 Apr 2008, 00:39Ny "feeling" no tapôlaka fa ny fampisehoana dia nataony hoe : "IO ARY LE (ilay) VAOVAO !" Misy hirany milaza io hoe : "io àry 'lay nolazaiko anao zaza iny !"
Tongava maro e ! fa tsy handiso fanantenana akory ny Tarika Rossy iray manontolo. Hoy ny ankizy hoe "grand" !!!
Nampidirin'i Tsikisariaka 07 Apr 2008, 15:38Mampahery antsika rehetra mpitia ny tarika Rossy fa fomban'ny olona tsy tia zany zatra misopatra lava zany.Tohanatsika foana ilay namana artiste tiantsika dia mahery ho azy izy.
Nampidirin'i mikasoa 11 Apr 2008, 12:23Mbola tsy mety tafody foana leitsy ah!!!!
Tena mba tsy mety kosa ny ataon'ny ministera kah! efa ravana ny FMF de aveo koa foanana ny concert.Fa matahotra inona e?
Nampidirin'i MikaSoa 11 Apr 2008, 15:06Mahereza ry Rossy fa fombany io an! Ny enjehina any aloha fa tsy any aoriana.Aza manaiky lembenana fa mahazaka tsika na ho vy na ho vato e!
Efa eto Dago izy ary efa misy ny fandaharam-potoana ! ny azo antoka aloha hatramin'ny androany dia ilay etsy Antsonjombe amin'ny 25 mai e !
Nampidirin'i tsikisariaka 30 Apr 2008, 16:21Manantena ny hihaona amin'izay mpakafy rehetra indrindra ny mpitoraka eto an !
Izahay mbola mianatra be amin'izao fa efa miomana ihany hijery Rossy ka !
Nampidirin'i Rhya 30 Apr 2008, 16:24Fa saingy amin'izao izy tototry ny famerenana. Tsy hifanomezan-tsiny fa mbola hihaona e !
Ok Mikasoa ! amin'ny 25 mai mihaona raha tsy misy ny olana an !
Nampidirin'i tsikisariaka 30 Apr 2008, 16:25ENY ANTSONJOMBE ny 25 MAI
TONGAVA MARO !!!!!
Nampidirin'i Tsiks 05 Mey 2008, 18:09Oay azafady ! kay ilay hira hoe SITRAKAO VE no nohirain'i Rossy sy Vololona fa ity EO ANILAN'NY TIANA ity dia tena hira nahafantarana an'i JO marina kay !!!!!
Nampidirin'i Tsikisariaka 05 Mey 2008, 18:11