Nandalo ny rivo-DOZA !!!
Nampidirin'i tsikisariaka | 20 Feb, 2008
Manjombona ny andro aty, misidina any an-doha any ny aingam-panahy fa tsy ampy ny fotoana handrafetana azy an-tsoratra e ! tsy maninona fa tsy very ireny fa tahiry anaty.
Nisy an'ilay cyclone IVAN mantsy eto dago izay nikiry tsy nety nivoaka fa mananihany nanimba zavatra sy misetra ny ain'ny gasy fotsiny. Aiza ve ka natao hivoaka ny Talata fa naleony nanoratra U, nitamberina dia nanao ny ataony mandrak'alininy dia tao Ihorombe tao no miziriziry omaly maraina. Ny RDB nilaza hoe tombanana hivoaka ny tolakandro hoy ny météo, hono, kanjo nony nijery TV alina dia kay nivoaka tamin’ny 11.30 maraina ity izy. Efa hatry ny Alatsinainy no tsy nianatra ny mpianatra, Talata ihany koa. Alarobia vao nandeha ka rafitra ihany ny “contrôle” efa niomanan'ireo ankizy atrehina tamin’ny Alatsinainy.
Lasa tokoa IVAN (jereo ny blaogin’ny FOKO fa misy sary ao). Fa ikala HONDO izay efa teo teo aloha no nisampotina tonga manampy trotraka ny efa fahavoazana teo...
Orana mijojo. Hatsiaka mamirifiry. Ny sasalamba miandry andro maina. Tsy mba mampiasa irony fitaovana raitra aty fa manaikitra be ny herinaratry ny Jirama. Ny Jirama moa dia efa gafian'ny loza voajanahary koa ankehitriny ka na dia nohiraina aza ny delestazy mifarana dia tsy vanon-tsy ho tapaka ny jiro. Iainana daholo izany fa ho aiza moa ? Ny "mahereza" izao no foto-tsakafon'ny Gasy satria efa vonona ny hizaka izay miseho e ! Ary dia zaka ihany moa e !
Omaly nifanena tampoka ny mpiara-monina fa ho ao amin’ny Lehiben’ny Fokontany hono fa tra-boina mila fialofana sy fanampiana. Hoy, hono, Ingahy tompon’andraikitra : “Efa feno ka tsy hitako intsony !” Dia ny manodidina nanao hoe : “Ilazao Prezidà mba hifanaraka amin’i Mômpera dia mba ao aloha no mialoka ianareo...” Nihanahana ireto olona tra-boina satria mbola hiverina any indray ve izany ??? Tsy maintsy ka ho aiza ary ? (Tsy reko intsony ny tohiny fa dia mirary soa ho azy ireny aho...).
Fa tsy tambo isaina mantsy izy ireny ankehitriny... Be loatra ny orana, ny trano tsizarizary tsy nahatohitra ny hotsaka dia nirodana... Taty akaikinay, tsy nisy tototra fa any ambadika any dia misy foana ny tena loza izay mihatra aman’aina.
Ny sary nasehon’ny TV alina koa tena mampalahelo e ! ohatra iray ny fahatapahan’ny lalana any Alarobia Vohiposa izay tototry ny rano ny tetezana. Ny RN rehetra moa dia niharam-pahavoazana daholo e ! fa io iray io no tena tapaka.
Izay no ainga vitako fa mahaontsa loatra ka tsy afaka hikalo angamba aho ka !
Omeko ireo namako mpiantsa ny sehatra ary e !

Misaotra nitantara tsikisariaka a!
Tsy hita izay ambara satria mampalahelo izany zava-mitranga rehetra izany :-(
Nampidirin'i Tokinao 20 Feb 2008, 17:38mahereza daholo rey olona fa dia hitanay tokoa ny hamafin'ny manjo !
Nampidirin'i ikalamako 20 Feb 2008, 17:48Mahereza mahereza.
Ho tahian'Andriamanitra anie ny rehetra e !
Mbola manjombona sy manorana mitsitapitapy eto Iarivo ary ny loza atahorana dia ny erikerika mahatondra-drano sy ny danik'andro manjera trano, sanatria anie izany.
Nampidirin'i Tsiks 22 Feb 2008, 10:57Nanao ahoana nefa ianao? Tsy naninona ?
Nampidirin'i DadaRabe 22 Feb 2008, 17:13Ny irariana dia hilamina ny rehetra é!
any amin'ireo traboina ny saina.
Misaotra ny Tompo sy misaotra anao nahatsiaro fa tsy naninona izahay. Izahay anefa mipetraka ambany rihana fa mbola tratry ny trano mitete e ! Misy vaky hono ny tafo any ambony any dia manaraka rindrina. Nitifitra koa ny orana dia mitsoriana eo ambaravarankly ny rano....... Ny tra-boina no tena nampalahelo fa ny anay moa mbola tsy izay !
Nampidirin'i Tsikisariaka 29 Feb 2008, 15:05Dia iny koe ry Jokwe nandalo dia namela takaitra tany Avaratra tany, loza ! ny anarana hafakely fa ny toetra ratsyiiiii !
Nampidirin'i tsikisariaka 08 Mar 2008, 20:30