Ny fahiniko ve ? Ary ny anao ?

Nampidirin'i tsikisariaka | 7 Feb, 2008

 

Hisentoako ny fahiniko
Ka angamba tsy hotsiniko
Raha zaraiko eto androany
Izany vetsom-poko izany

???????????????????????

 

 


22 Hevitra & 0 Verindrohy (trackback) amin\'ny "Ny fahiniko ve ? Ary ny anao ?"

  1. ikalamako : Tsy haiko reo olona teneninao irao ka. Fa i Keta-doza dia mampianatra taranja malagasy tokoa. Ary izy no nitiavako taranja malagasy tany ampianarana, nahatonga ahy hahay fanadihadiana lhtsoratra, famakafakana lohahevitra, sns.

    Misy ohabolana iray izay tsy ho adinoko mihitsy : "Ny fihavanana toy ny jiafotsy, vao tsy ialan-kasokasoka, tonta tsy ialan-dromoromo". Tsy ho adinoko io satria io no nampianarany anay ny "famelabelarana lohahevitra", ary nandritra ny telovolana iray na roa (1 ou 2 trimestres) dia io hatrany no averimberina tao am-pianarana. fa dia nahaomby aloha e! Misaotra azy e! Noho izy no nahazoako 15/20 @ malagasy tany @ bakalorea :-)

    tsikisariaka > ny tadidiko tsara koa dia ilay mila miainga aloha rehefa andeha hianatra zoma satria mahatara ilay misisisisika ao an-tsenan'Anjoma fahiny.

    Ho antsika mbola tsy nahita : ikalamako dia efa nametraka tsiahy an-tsary momba ny "promotion"-n-dry zareo tao @ Rabe sao mba hainareo koa :
    http://ikalamako.blaogy.com/album/458/231

    na tsindrio ny anarako (Tokinao)

    Nampidirin'i Tokinao 14 Feb 2008, 19:39
  2. Misaotra Tokinao a ! sady mampatsiahy io link ao amin'ikalamako io ! tena mifandrohy amin'ity fahiniko ity mihitsy iny satria.... FAHININAY !

    Za efa tara indray Zoma dia nisambotra mpivarotra Art malagasy nanao Tantine miera fa tara, satria tsy maintsy nitondra RAR tamin'izay, ha ha ha ! dia nety aloha e !

    Nampidirin'i Tsikisariaka 15 Feb 2008, 15:21
«Mialoha   1 2
Hampiditra hevitra









 authimage