MAMBOLY HALA
Nampidirin'i tsikisariaka | 29 Nov, 2007
Ny siaka tafahoatra
Sy teny ratsinao
Rehefa mba mitroatra
Eh mba avelao
Fa na dia tia tokoa
Mety mbola ho leo
Maratra moa ny fo
Ka tofoka hatreo
Tsy hay atao malala
Tsy mamy intsony koa
Satria mamboly hala
Raha tezitra ny fo
18.09.04 – 00 h 41
ezahina ho faly foana tokoa ny fo mba hamboly tia.
Nampidirin'i ikalamako 29 Nov 2007, 11:02izay mihitsy r'ikalamako a !
Nampidirin'i Tsikisariaka 29 Nov 2007, 12:47Tsara ilay sarin-teny "mamboly hala". Nanaitra ahy kely ny lohatenyka hoy aho hoe tsy "ala" ve ? kay moa ka "hala".
Mahafinaritra
DdRb
Nampidirin'i DadaRabe 29 Nov 2007, 12:48tena "hala" ka ! samy fambolena fa samihafa, ny iray zavamaniry dia ny ilany toetra. Misaotra mankasitraka e !
Nampidirin'i Tsikisariaka 29 Nov 2007, 13:04Mazotoa mamboly ary é!
Aza adino ny manondraka nefa aza atao be loatra raha tezitra ny fo.
:-)
DdRb
Nampidirin'i DadaRabe 29 Nov 2007, 14:39ô ry DdRb, mifanohitra amin'izany ny eto ange e ! tokony fandraràna aza no natao ka no...
Nampidirin'i Tsikisariaka 29 Nov 2007, 16:18RARANA NY MAMBOLY HALA
AZA MAMBOLY HALA
etsetra etsetra.
Toneo ny fo, sns sns
ôri, ôra
Tena tsy azo atao izany hoe : raràna ny mamboly hala izany.
Misagaoja ny resaka ary mandoro "ala" indray no ataon'ny olona koh ! :-)
DdRb
Nampidirin'i DadaRabe 29 Nov 2007, 19:13DadaRabe a : hala fototenin'ny "mankahala", "fankahalana". Dia ratsy izany ny mamboly hala fa aleo mamboly tia, :-P
Nampidirin'i ikalamako 29 Nov 2007, 20:36Eny ary ry Ikalamako à ! voaray tompoko !
DdRb
Nampidirin'i DadaRabe 29 Nov 2007, 21:53DdRb > Izay aloha e ! mety hisangaoja eo tokoa sao lazainy fa tsy mahazo mamboly ala ? ka ny mamboly ala angaha moa misy ? Mamboly hazo no misy ko ! ny mandoro ala no be sy mora aminy.
Ikalamako > misaotra amin'ny fanamafisana ny fanazavana e !
Tam-tam : SAMIA MAMBOLY "TIA" e ! ka ao amin'ny Baiboly aza mamporisika ny hitiavana ny fahavalo. MAMOKARA "TIA" izany.
Nampidirin'i Tsikisariaka 30 Nov 2007, 11:00Efa hay tsara amin'izay izany ny midina andalana an!
Nampidirin'i jentilisa 30 Nov 2007, 11:21tahaky ny inona r'ise a ! hi hi hi. Tsy efa mba T2 ve aho izao e ! tsy miandry herintaona dia mifindra kilasy. Manao ahoana aloha i Jentilisa e ! izay indray vao mba nandalo teto amiko an !
Nampidirin'i Tsikisariaka 30 Nov 2007, 13:09asika tsy azoko... ny lohateny sy ny vontoatiny.
Nampidirin'i Ryana 02 Des 2007, 18:17Mankasitraka ê!
Ryana
saika ? fa efa azonao izy amin'izao ? izay no zava-dehibe rehefa voampita ny hafatra. Ilay izy ankamantatra koa ao anatiny daholo Ryana a !
Nampidirin'i Tsikisariaka 03 Des 2007, 16:11Misaotra e
saika ? fa efa azonao izy amin'izao ? izay no zava-dehibe rehefa voampita ny hafatra. Ilay izy ankamantatra koa ao anatiny daholo Ryana a !
Nampidirin'i Tsikisariaka 03 Des 2007, 16:12Misaotra e
Jereo fa io HALA io izao no nahafaty an'i Benazir Bhutto, nefa dia resaka pôlitika fotsiny ankoatra ny fahasilamoina. Mampalahelo ilay fiainana an !
Nampidirin'i Rhya 28 Des 2007, 14:10