TSIARO MAMY
Nampidirin'i tsikisariaka | 24 Nov, 2007TSIARO MAMY
Hovelomiko eto indray ny vetsovetsoko fahiny
Fony isika mbola adala, toy ireny tsisy tsiny
Nifamboraka fitia, nifampizara alahelo
Tapa-kevitra hifandray, hiombon-tsiambaratelo
Firy taona lasa izay, tsaroako mihitsy tsy haiko hadino
Irony teny maminao satry foana tsy hangina
Tsy nisy bedy, teniteny, faly foana nankafiziko
Toy ireny tsy hisy farany ny androntsika fa tadidiko
Mbola tiako hitohy ihany ireny lasantsika ireny
Ka na tezitra aza ianao na midongy aho indraindray
Tokony hoe ho mamy foana mahafaly ireo teny
Hifandraisantsika roa hatrizao ka rahatrizay
Hitanao fa rehefa sendra mifamaly izaho sy ianao
Manindry fo no azo atao mba tsy hihitatra ny ady
Iniako atao ny mahatsiaro ny tsiky sy hatsaram-ponao
Hodiako tsy hay ny tezitrao, izaho eo mirana sahady
20.03.01 – 10h 45
azafady tompoko fa diso aho fa vaovao koa dia somary mikavia. Rhya no nanoratra ho an'i Tsikisariaka eo ambony.
Nampidirin'i Rhya 27 Nov 2007, 10:27inona no holazaiko ? tsy mitombin-tsaina ilay olona.
mila manampy fitiavana ianao Rhya. Mbola tsy tena tia ianao matoa manao an'izany hoe mitady izay hampandresy ny ambom-ponao, mba manàna fandeferana re a ! raha tena tianao "izy" dia izay no "fika", aza eritreretina ny toetra ratsiny, izay tena tianao taminy no ataovy masaka an-tsaina, "tsiaro mamy" e ! dia izay ! azonao ve ?
Nampidirin'i Tsikisariaka 27 Nov 2007, 10:32Samy manana ny fomba fitiavany re ry Tsikisariaka ô ! sa ahoana ?
DdRb
Nampidirin'i DadaRabe 27 Nov 2007, 14:38ka izao anie DdRb e ! izy misisika ny hiady ka te-handresy. Izaho mba te-hanoro hevitra hoe mandefera dia ny fitiavana no ampitomboy, diso ve aho ?
Nampidirin'i Tsikisariaka 27 Nov 2007, 15:24Tsy diso ianao kah ! izay ilay fomba fitiavanao. Tsy diso koa izy. Izay ilay fomba fitiavany.
Sa ahoana re ?
DdRb
Nampidirin'i DadaRabe 27 Nov 2007, 23:01Izaho te-hikiry hoe tsy fitiavana ny azy matoa mitady hamboly hantsana izy toy izay hataoko rehefa misy olona tsy ho tiako dia izay nahasosostra ahy taminy no tsarovako mafy.
Nampidirin'i Tsikisariaka 29 Nov 2007, 08:34Hay moa ao anatin'ny fitiavana ihany koa ny fisisihana hifankahala sy hisaraka ?
Ny zavatra namporisihiko anefa dia momba ny hoe fitiavana hifanatonana (raha mbola tiana ilay ankilany).
Misaotra indrindra an'i Joan nampilaza.
Nampidirin'i tsikisariaka 29 Nov 2007, 10:06Mankasitraka, Tsikisarika â!
Nampidirin'i Ryana 02 Des 2007, 18:16Fanontaniana: tena niainana izany io?
Mankalaza ê!
Ryana
ok Ryana ! mankatelina koa e !
Nampidirin'i Tsikisariaka 03 Des 2007, 16:13Ho ela velona ny fahatsiarovana e ! ilay mamy indrindra no tena tsindriako eto.
Nampidirin'i Tsikisariaka 07 Des 2007, 16:15nojereko ilay nolazain'i Joan etsy ambony fa tsy haiko ka !
Nampidirin'i Tsikisariaka 14 Des 2007, 15:43Mino aho fa nandalo teto izay Mpijerijery izay dia nahita ka miandry izay hevitra any amin'ny mailaka ary aho e ! misaotra
Nampidirin'i Tsikisariaka 20 Des 2007, 15:35