TSIARO MAMY

Nampidirin'i tsikisariaka | 24 Nov, 2007

TSIARO MAMY

Hovelomiko eto indray ny vetsovetsoko fahiny
Fony isika mbola adala, toy ireny tsisy tsiny
Nifamboraka fitia, nifampizara alahelo
Tapa-kevitra hifandray, hiombon-tsiambaratelo  

Firy taona lasa izay, tsaroako mihitsy tsy haiko hadino
Irony teny maminao satry foana tsy hangina
Tsy nisy bedy, teniteny, faly foana nankafiziko
Toy ireny tsy hisy farany ny androntsika fa tadidiko  

Mbola tiako hitohy ihany ireny lasantsika ireny
Ka na tezitra aza ianao na midongy aho indraindray
Tokony hoe ho mamy foana mahafaly ireo teny
Hifandraisantsika roa hatrizao ka rahatrizay  

Hitanao fa rehefa sendra mifamaly izaho sy ianao
Manindry fo no azo atao mba tsy hihitatra ny ady
Iniako atao ny mahatsiaro ny tsiky sy hatsaram-ponao
Hodiako tsy hay ny tezitrao, izaho eo mirana sahady  

20.03.01 – 10h 45
 


33 Hevitra & 0 Verindrohy (trackback) amin\'ny "TSIARO MAMY"

  1. Tena nisy tsiaro mamy tamin'izany 23.03.01 izany ! Zaraiko aminao.
    Mankafiza.

    Nampidirin'i tsikisariaka 24 Nov 2007, 19:18
  2. Oay, diso kely aho fa 20 mars ilay izy : 20.03.01

    Nampidirin'i tsikisariaka 24 Nov 2007, 19:18
  3. Misaotra nizara tsiky a!!

    Nampidirin'i Tokinao 25 Nov 2007, 10:45
  4. Fa nisy inona tamin'ny daty io?
    Fa mafinaritra vakina ka :), misaotra

    Nampidirin'i Tattum 25 Nov 2007, 11:06
  5. Tsiky a : tandremo izany a! saika adinonao ny datin'ilay tsiaro mamy hihihi. Mba mananihany e.

    Tattum : hoy môpera hoe : mistery io zanako. hihihi

    Nampidirin'i Tokinao 25 Nov 2007, 13:00
  6. tsy hoe hadinoko ilay izy fa maika ery ny tanako manoratra dia nandiso !

    ilay daty mantsy tsy azo hadinoina. efa tsingerina io fa ilay mistery efa tany alohany e !

    misaotra namaky sy nankasitraka.

    Nampidirin'i Tsikisariaka 25 Nov 2007, 17:02
  7. Tattum > aleo atao ankamantatra ilay daty dia omeko loka izay mahita, hi hi hi

    Nampidirin'i Tsikisariaka 25 Nov 2007, 17:19
  8. Tattum > aleo atao ankamantatra ilay daty dia omeko loka izay mahita, hi hi hi

    Nampidirin'i Tsikisariaka 25 Nov 2007, 17:19
  9. Mahaliana be ilay izy ry Tsikisariaka fa tantarao a !

    Nampidirin'i rhya 25 Nov 2007, 17:51
  10. Fitia fahazaza ireny ...

    ... inona ary ny valin'ilay ankamantatra ...

    Nampidirin'i pissoa 25 Nov 2007, 18:26
  11. Manao ahoana indray Tsikisariaka à

    Mamy ny fahatsaiarovana an !

    Mahafinaritra foana é!

    DdRb

    Nampidirin'i DadaRabe 25 Nov 2007, 18:38
  12. ka fahatsiarovana ve sisa tavela, sa mba nisy ihany votoatiny ? :-P

    Nampidirin'i ikalamako 25 Nov 2007, 23:07
  13. Rhya > Mbola ankamantatra fa tsy avy dia tantaraina...

    Ikalamako > Tena misy votoatiny ka ! avereno vakiana ny andininy farany dia ho azonao.

    Pissoa > mbola tsy izay

    DdRb > Tena "TSIARO MAMY" re a !

    Nampidirin'i Tsikisariaka 26 Nov 2007, 07:22
  14. Tokinao> :)
    Izay marina angamba! :D

    Tsikisariaka> ankamantatra ve? fitsingerin-taona ve? sa hoe samy nandeha samy nitady fa tsy nifanadino? :D

    Nampidirin'i Tattum 26 Nov 2007, 11:52
  15. Mamy tokoa moa izany ry Tsikisariaka.
    Izay ilay fahatsiarovan é!

    DdRb

    Nampidirin'i DadaRabe 26 Nov 2007, 13:12
  16. Tattum > ny tsingerin-taona dia marina fa hoe momba ny inona ilay izy dia misitery sady...... tsiambaratelo ary e ! mahazo antsasa-doka ianao.

    Afa-po daholo an ! Ilay izy mantsy natao vazivazy hoe ankamantatra nefa zavatra tena "sérieux" ihany no tian-kampitaina.
    Niteny an'ikalamako aho etsy ambony hoe vakio ilay andalana farany.
    Tantara marina izy io. Dia tonga ilay andro, ilay tsingerinandro sa tsingerintaona. Io tononkalo io no nataon'ny mpanoratra. Tsy hoe natao hamolivoly fo fotsiny fa indrindra zaraina amin'ny rehetra hoe.... mba hampateza ny fiarahana dia ny tsara sy nahafinaritra anao tamin'ilay olona no atao masaka an-tsaina dia mitombo ilay fitiavana fa raha toa ny lafiratsiny no atao mavesa-danja dia tsy misy raharaha vanona eo.

    Noho izany dia aoka mba ho "TSIARO MAMY" hatrany no zezika entina hampitomboana ny fifankatiavana e ! sa ahoana ?

    Nampidirin'i Tsikisariaka 26 Nov 2007, 13:29
  17. hafa kely fa dia hatao e ! ho "tsiaro mamy" tokoa moa izany amin'ny antsoin'i DadaRabe

    Nampidirin'i rhya 26 Nov 2007, 13:38
  18. :-D

    Nampidirin'i ikalamako 26 Nov 2007, 14:14
  19. dia rehefa sendra misy olana dia miezaka mafy sy haingana manao "tsiaro mamy" dia tsy miitatra ny ady e !

    Nampidirin'i Tsikisariaka 26 Nov 2007, 14:37
  20. Zany tokoa ry Tsikisariaka e ? misaotra mampianatra. Ny anay ve saika hoe rehefa miady dia hamafisina ny ady fa samy tsy te-ho resy tsinona.

    Nampidirin'i Tsikisariaka 27 Nov 2007, 10:26
Hampiditra hevitra









 authimage