MOMBA IZAY EFITRANO IZAY

Nampidirin'i tsikisariaka | 15 Nov, 2007
Etsy ambany etsy misy miresaka momba ny efitranony… dia izaho nihevitra fa hoe :

ity efitrano ity  
dia mbola miara-miaina  
ny sento sy taraina  
iainanay ety,   

ity efitrano ity  
no zoro iafenana,  
iaretana tsy ferana  
ny ratsy sy ny fy   

kay ity efitrano ity  
mirakitra tantara  
sisa aty afara...  

izaho irery mantsy  
no toran'ny tsiaro,  
amin'ny "aloka mangia  
ity efitrano ity"  

15.11.07   
(Setrin’ny “Ity efitranoko ity” an’i DadaRabe)

16 Hevitra & 0 Verindrohy (trackback) amin\'ny "MOMBA IZAY EFITRANO IZAY"

  1. namaliako ny tononkalon'i DadaRabe teo io fa tafiditra spam angamba fa naveriko indroa dia tsy tafa, dia soa fa mbola mitohy ity resaka ity ka dia hoy aho hoe:

    ny ahy mbola hotadidiako ny tena efitrano fa toa maromaro ihany...
    hahahahiiiiiiiii
    (izaho nomade tsinona an ! sa SDF?)

    Nampidirin'i ikalamako 15 Nov 2007, 15:48
  2. Ilay efitrano an !
    Tsy azoko hoe Ikalamako ve no manoratra sa i Tsikisariaka ???

    Nampidirin'i DadaRabe 15 Nov 2007, 16:07
  3. manjary asa manokana mihitsy ry zareo ny manaraka ny dinidinikareo amin ny blaogy roa samy hafa... tena raharaha. Ohatry ny manao fangalam-piery izany, mankatsy, mankaroa... nefa ny lohahevitra iray ihany, ny miserasera mitovy... Fa nahoana kay raha tsorina kokoa ê?
    Mahereza sy mazotoa daholo ê! Izaho angamba hahalana kokoa ny fandalovako satria lasa mila fotoana be.*
    Tsarà daholo ê!
    Ryana

    Nampidirin'i Ryana 15 Nov 2007, 17:44
  4. ha ha ha Eisy ry Ryana é!
    Ny tena marina tamin'izy io ry Ryana dia tsy nety tafiditra mihitsy tary ambadika dia eto no manohy korana é!

    Mazotoa raha sahirana é!

    DdRb

    Nampidirin'i DadaRabe 15 Nov 2007, 21:12
  5. izay mihitsy ry DadaRabe, lasa spam daholo ny hevitra any "an'efitranonao" dia voatery mindrana efitranon'olona ikalamako. I tsikisariaka no manoratra momba ny efitranony io ambony fa ny hevitr'ikalamako tsy tafiditra tany amin'i DadaRabe dia nararaotina ampidirina ato. Tany an'efitranonao aho nilaza fa "tsy tadidiko daholo ny efitranoko fa nisy maromaro amin'ny maha SDF sa nomade ahy"...
    Marina ny an'i Ryana raha tsy arany intsony ilay tantara.

    Nampidirin'i ikalamako 15 Nov 2007, 21:37
  6. Manao ahoana daholo e ! Misaotra amin'ny fanohizana ny fanehoan-kevitra momba ilay efitranony eto amin'ny takelak'i Tsikisariaka.

    Araka ny fanazavana etsy ambony dia nigafy ny mpams (spam) dia tsy navelany hitohy tatsy ny koràna.

    Ny nanoratra ny tononkalo eto ve ? raha vakiana tokoa anie ny taratasin'ikalamako etsy ampbony dia izy izany no nanoratra ity tononkalo eto ity ry DdRB e ? Aleo hoe izy ampitenenina ?

    Anao ny sehatra Ikalamako, misy azonao ambara ve ?

    Nampidirin'i Tsikisariaka 16 Nov 2007, 07:36
  7. Efa io ambony io kay ny hevitr'ikalamako fa misaotra.

    Manondrana ny blaogy tato ho ato. Indraindray tsy hita fa any anaty spam vao tratra. Matetika koa anefa dia ampidirina fanindroany ilay izy tsy tazana fa rehefa akatonao ilay blaogy dia miverina ianao dia io indray fa ao ilay izy dia manjary miantsori-mianohatra ilay resaka, ny efa voavaly, ipetrahan'ny fanontaniana ihany. Miala tsiny e !

    Ka izay DdRb a ! tena nantena aho fa

    mbola ao fa tsy mandao
    ireo rehetra maminao
    tsy ho tsiaro sisa ihany
    fa "izy" koa no "izy" hatrany

    Nampidirin'i Tsikisariaka 16 Nov 2007, 07:41
  8. nareo marina, ohatran'ny hoe ny tena foana no diso...:-(

    Nampidirin'i ikalamako 16 Nov 2007, 10:39
  9. Ha ha ha mifanaraha rankizy à

    Ny mamy mamy foana
    na miherina ny taona
    ny tsiaro tsy adino
    ny fo anaty mino

    DdRb

    Nampidirin'i DadaRabe 16 Nov 2007, 13:17
  10. ka hoy ianao r'ikalamako hoe namaliako ny tnkln'i DdRb teo io, dia "io" inona fa tsy ilay tononkalo ve ? hi hi nisangôjy !

    DdRb > ny mamy anie dia tavela foana na dia nivadika ho tsiaro aza e ! fa izy ilay tsy tao intsony no indrokelin'ilay efitrano...

    ka soa fa nisy itony tsiaro
    nampitamberin-java-maro
    ka na sento aza mitambolona
    ........................

    eh, fa lasa aiza tkoa 'lay "olona" ry DdRb ?

    Nampidirin'i Tsikisariaka 16 Nov 2007, 14:37
  11. Tsiaro
    maro
    mifangaro
    ampiakaro

    DdRb

    Nampidirin'i DadaRabe 16 Nov 2007, 16:30
  12. Eny ary, fa mazava
    Araka izay voalaza
    Fa tsiaro sisa
    Mitanisa
    Irony fiainam-paradisa

    Izaho koa no be ontany
    Te-ahafantatra hatrany
    Ny zava-miafina any ho any
    Ka aleo mifona ihany e !

    Ianao ve DdRb, sy izay mandalo eto izany, tsy mahatsapa fa ny tsiaro koa mety ho mamy kokoa ?

    Nampidirin'i Tsikisariaka 19 Nov 2007, 12:49
  13. Mamy ve ny tsiaron'
    ireo lasa mifangaro ?
    sa embona mitazon'
    ity saina mba halazo ?

    Aza be ontany
    Ry namako izany !
    Raha mamy ny omaly,
    Matsiro koa androany !

    DdRb

    Nampidirin'i DadaRabe 19 Nov 2007, 21:03
  14. Izaho mahatsapa fa mamy kokoa ny tsiaro. Misy tononkalo iray izay fa amin'ny manaraka alefako.
    Fa amin'ny ankapobeny no hanontaniako ilay izy amin'ny rehtra fa tsy ho an'i DdRb irery akory.

    Nampidirin'i Tsikisariaka 22 Nov 2007, 21:06
  15. Efa hitako ilay izy ka, hevitra mahomby ny an'i Tsikisariaka.Hiezaka e ! Nampidirin'i rhya 29 Nov 2007, 09:41
  16. ok Rhya.

    Nampidirin'i Tsikisariaka 03 Des 2007, 16:14
Hampiditra hevitra









 authimage