BANGA IRAY INDRAY NY TONTOLON'NY ZAVA-KANTO
Nampidirin'i tsikisariaka | 13 Nov, 2007
Omaly tao amin'ny haino aman-jery teto an-drenivohitr'i Madagasikara dia nandrenesana ny fahafatesan'ny artista iray "indray". "Indray" hoy aho satria zary nifanesisesy tato ho ato ny fahalasanan'ny mpanakanto. Ireny no voateny dia satria misongadina ao anatin'ny fiaraha-monina ny mpanakanto ary fantatry ny besinimaro noho ny asany izay vohizin'ny fitaovan-tserasera isan-karazany.
Nodimandry ny namana mpanakanto "DARAFIFY" izay nilalao tao amin'ny sarimihetsika hoe "ADALA MATANJAKA". 32 taona ny lehilahy izao nindaosin'ny fahafatesana izao. Any Ambanja no ho tanterahina ny fandevenana anio.
Miombom-pahoriana amin'ny fianakaviany ny tenako ary mirary fiononana feno ho azy. Miara-miondrika ihany koa amin'ny fikambananm-ben'ny artista malagasy.
miara-ory.
Nampidirin'i ikalamako 13 Nov 2007, 11:20Lalina koa izany ry Tsikisariaka.
Tsy fantatro loatra i Darafify.
Dia miara-miory amin'ny fianakaviany.
DdRb
Nampidirin'i DadaRabe 13 Nov 2007, 22:45Aty amin'ny artista no ahalalako azy fa mpilalao sarimihetsika izy fa eo amin'ny sehatra fanatanjahantena izy no malaza satria mpanao moraingy hoe ary vao avy nanao moraingy izy tsy naninona kanjo tonga tany an-trano dia nihetsika ny aretim-pony (hono) dia izay.
Nampidirin'i Tsikisariaka 14 Nov 2007, 14:55Izy koa vao 32 ans dia tsy fantatro loatra.