MISAONA NY JAZZ
Nampidirin'i tsikisariaka | 7 Nov, 2007Indrisy….
Nilaozan’i Tôty isika. Vahotra ny lela manoloana izao fahabangana izao, tsy manan-kolazaina aho fa torotoro fo.
Mankahery ny fianakaviany ny tenako ary miombom-pahoriana amin’ny rehetra.
Handry am-piadanana anie i Tôty ary ho ela velona ny fahatsiarovana azy.
oups, mbola tsy vita ny inventaire-n'ny artiste ao izao !!!
Nampidirin'i ikalamako 07 Nov 2007, 10:28Miara-ory.
Eny iky.
Nampidirin'i tsikisariaka 07 Nov 2007, 10:38Tsy ny Jazz ihany no misaona ka.
Nampidirin'i Kwasi 07 Nov 2007, 15:54Miombon'alahelo @ rehetra.
loza koa zany ko samy mahereza fa za zao sendra nandalo de namaky ka gaga ihany fa nga narary ono izy iny
Nampidirin'i soa 07 Nov 2007, 17:05Dia tena tampoka tsy nampoizina koa izy izany! ny gazety mbola eo ampitenenana ny filany famonjena!
Nampidirin'i jentilisa 07 Nov 2007, 17:12Mirary fiononana ho an'ny fianankaviana sy ny mpankafy rehetra !
fiainana ...
Nampidirin'i pissoa 07 Nov 2007, 18:15Mitondra teny fampiononana ho an'ny fianakavianay.
HO tahiana anie ny fahatsiarovana azy !
DdRb
Nampidirin'i DadaRabe 07 Nov 2007, 20:00lasa i Toty????
Nampidirin'i dailynews 07 Nov 2007, 22:32ndry...nefa mba fantatro izy iny no sady nahay mozika tokoa.
mamangy sy mampionona ny fianakaviany izany.
Ny jazz no tena nahafantarana azy fa ny tontolon'ny kanto no very olo-manga ary ny fianakaviany no tompom-pahoriana voalohany. Koa tolorana fampiononana avokoa izay rehetra mangirifiry amin'izao fahalasanany izao.
Nampidirin'i Tsikisariaka 08 Nov 2007, 09:16Ny fahafatesana dia tonga tampoka foana fa izy kosa efa narary ihany.
Jereo ange ilay adikako atsy e !
lahatra sy anjara daholo e. Efa voasoatrata hoy ny mpino...
Nampidirin'i mpandalo 08 Nov 2007, 10:25izay indrindra ary samy hopaohiny daholo isika fa tombon-dàlana ny an'izay lasa aloha.Izay ilaozana no manetsetra fa izay lasa nahavita ny hazakazany e !
Nampidirin'i tsikisariaka 08 Nov 2007, 10:29miarahaba ny rehetra, ianao moa nametraka ny adresy site-nao tao amin'ny livre d'or http://harisoar.free.fr ka dia nandalo aho nijery ary gaga namaky ny fahalasanan'i Tôty, tsy hita moa izy ty fa dia fiainana daholo, isika olona mandalo fotsiny eto an-tany fa dia mampionona sy mankahery ny fianakaviany.
Nampidirin'i Malala 08 Nov 2007, 19:04Eny. Ary tena soa ihany kay ny fisian'itony karazan-tserasera itony fa misy anie olona tsy mahalala n'inon'inona mihitsy e ! dia mba miezaka aho fa nomena fitaovana eto am-pelan-tànako. Ka ny tena ao natin'ny tontolo kanto dia izay no antony hoe artista matetika no voaresaka.
Nampidirin'i Tsikisariaka 10 Nov 2007, 08:58