Fitiavana amin'ny lafiny marary

Nampidirin'i tsikisariaka | 1 Nov, 2007

Tiany kanefa tsy azy... 

 

AZY IANAO FA TSY AHIKO

Mamiko sy fiko

Ny miaraka aminao,
Tiako sy iriko
Ny fahasambaranao.
Fa tsy afaka hanjaka
Ho lasa tompon-daka
Ny foko sy fitiavako
Azy ianao fa tsy ahiko !  

Androany aho toa faly
Nanara-po mihitsy
Fa takona ila izany ;
Niezaka aho hitraka
Ho vonona hizàka
Tsaroako tampotampoka
Ny fahoriam-panahiko
Azy ianao fa tsy ahiko !  

Niondrika aho, nangina
Safo-dranomaso,
Fefika tomany
Tsy misy ho antenaina
Tsy misy koa andraso
Angamba hiala maina :
Marary ny fitiavako
Azy ianao fa tsy ahiko ! 

 4.10.96 – 17 h 15  


12 Hevitra & 0 Verindrohy (trackback) amin\'ny "Fitiavana amin'ny lafiny marary"

  1. Dia ahoana izany ry Tsikisariaka ?
    "Azy ianao fa tsy ahiko".

    Dia hijanona amin'izay izany ? :-)

    DdRb

    Nampidirin'i DadaRabe 01 Nov 2007, 21:38
  2. mmmhh

    Nampidirin'i ikalamako 02 Nov 2007, 00:10
  3. DdRb > afaka haninona moa ? ka "azy anie fa tsy ahiko" hono e ! dia raha tsaroanao ilay hoe "efa ela IZY no tiako" dia tsy maintsy izay. Indrisy mantsy....

    Ikalamako > mmmhhh ahoana e ? tokony hoe "tray, tray, tray," retsy a ! K'efa hoe amin'ny lafiny marary, tena marary (any izany an ?)

    Nampidirin'i Tsikisariaka 02 Nov 2007, 15:13
  4. Tsy hiala maina akory ianao
    Raha toa izy ka nandao
    Ny alina hono raha mangina
    Ny maraina mbola ho zina

    Nampidirin'i Kwasi 02 Nov 2007, 18:07
  5. Azy marina ! Nefa tsy mety ny maka zavatr'olona é! :-) sa ahoana moa ?

    DdRb

    Nampidirin'i DadaRabe 02 Nov 2007, 22:55
  6. kwasi > misaotra indrindra amin'ilay fankaherezana e ! mbola ho zina toko ailay maraina an ! izaho koa mantsy efa miezaka ny mionona satria "azy izy fa tsy ahiko e "

    DdRb > tsy azo atao ny maka zavatr'olona ! mainka fa ny olon'ny olona... fa hamafisiko ihany ilay hoe.. "ao am-po no handala" !

    Nampidirin'i Tsikisariaka 03 Nov 2007, 15:47
  7. Rara-kivy mihitsy ny tenanay mamaky ilay tononkalo ry TSikisarika. Tsara!
    Ryana

    P.S. fanontaniana: mpirahavavy angah ny blaoginao sy ny an'i DadaRabe? mitovy. Fa tsy sahala aloha ê! sakamalaho sy avozo...
    Tsarà
    Ryana

    Nampidirin'i Ryana 08 Nov 2007, 23:53
  8. Salut Ryana ! dia misaotra. Io retsy no tononkalo tena tiako indrindra amin'izay redirediko. Efa hitako koa ny tononkalon-dry "anakiray" fa mampihetsi-po koa zany an !

    Ny blaoginay sy DdRb mitovy ? Noho ny "fond" ve ? izay mihitsy. Safidy tena nitovy angamba.
    Sa hoe taratra ny maha-samy mpanoratra. Fikambanan'ny mpanoratra iray ihany koa no misy anay tsinona. Fa dia arak'izay hoe Avozo sy Sakamalaho !

    Nampidirin'i Tsikisariaka 10 Nov 2007, 09:05
  9. MIsaotra aloha amin'ilay "retsy" sy ny "indry" ...
    Nefa, raha tsy mahadiso, aleo mijanona amin'ny "ianao" ihany fa tsy zatra ny sofiko...
    Misaotra ê!
    Ryana

    Nampidirin'i Ryana 12 Nov 2007, 19:33
  10. Manakory Ryana !
    Ny sofina ? izaho angaha niteny raha tsy nanoratra ? hi hi hi eny ary fa vazivazy izany fa dia misaotra ANAO.
    Dia mba alefaso hoe ilay blaoginao ?

    Nampidirin'i Tsikisariaka 13 Nov 2007, 10:18
  11. Ts'ary manana îîî...
    :-)
    Tsy aleo koa ve mba misy tsy manana blaogy ihany ê, ianareo mampiresaka dia izahay revo miresaka koa.
    Mankalaza!
    Ryana

    Nampidirin'i Ryana 13 Nov 2007, 23:59
  12. izany an ! hafa kely indray iny. Fa aleo ary izay e ! sady mahavelom-bolo ilay misy miresaka.
    Tsarà ary.

    Nampidirin'i Tsikisariaka 14 Nov 2007, 14:39
Hampiditra hevitra









 authimage