SARO-TIA
Nampidirin'i tsikisariaka | 31 Okt, 2007Saro-piaro satria tia, tia ka lasa saro-piaro :
SARO-TIAHerivaikan’ny fitia
No atoraky ny masonao
Toa mipitrapitra ery
Nefa mibedy tsotr’izao
Dia nanatona aho kinanjo
Lamosinao no sisa tazako
Nenjehiko ihany an’anjoanjo
Nandosiranao ny tavako
Sarianao mangaringarika
Mody mihodina dia dify
Fangalam-piery toa misarika
Fitia dorehitra sy fify
Dia jereko ianao midongy
Miezaka mandefa tsiky
Dia avy eo milongilongy
Mitsapatsapa heriziky
Fa tahotrao ny fahatezerako
Ka ny masonao no inty nanitsy
Nanafatra an’ilay fijeriko
Ka dia takatro mihitsy
Fa… tsikaritrao ny didina ahy
Mampiresaka tsy miato
Te-hitroatra ianao tsy sahy
Nefa… te-hitora-bato
Saro-piaro kay ilay havako
Fa tsy te-hamosaka ady
Ampy ho anao re ny fitiavako
Sa tsy izay ilay tamin’ny voady ?
Dia… toneo ny fo, sombinaiko
Alamino ny sainao
Ny miavona tsy haiko
K’aza omenao tsiny aho
Fa maro ireny, tsy haiko… zovy?
Jeren’ny masoko fa tsy hitako
Ka izao no teniko, tsarovy
Mampijaly anao : tsy sitrako
Ny ato am-poko fantatrao
Rehefa tia aho, tena tia
Tsy misy haiko afa-tsy ianao
No malalako ho doria
(31.10.07 – 23.29)
misy namako izay taty niteny hoe "samy saro-piaro amin'ny azy ramatoa!".
Nampidirin'i ikalamako 31 Okt 2007, 22:51Marina an'izany!!!
Zany mihitsy e !
Nampidirin'i Tsikisariaka 31 Okt 2007, 22:56Fa raha raisiko ity tenin'ikalamako ty dia izao : na dia heverin'ny sasany fa iombonana aminy aza dia mahasaro-piaro azy koa ! samy tia hono e ! samy tompony izany dia samy saro-piaro ? (misasaka ny alina, izaho sy ny fahasarota-piaroko eto ihany)
Mafana an !
Rehefa tia tsy maintsy saro-piaro hono é! fa ny halalin'ny hasarotam-piaro no tsy mitovy.
Tsara é!
DdRb
Nampidirin'i DadaRabe 01 Nov 2007, 00:24Tsy mitovy tokoa ary na ny fanehoana azy aza samihafa. Misy koa fanehoana hasarotam-piaro hafa : mandefitra mangina... angamba te-ho saro-piaro nefa tsy tompony... dia any anaty sisa mamelovelo. (pejy hafa no anehoako azy fa araho)
Nampidirin'i Tsikisariaka 01 Nov 2007, 18:24Fa tena mararay kay rehefa saro-piaro e ? dia miezaka fotsiny tsy mikrizy !!!
Nampidirin'i Tsikisariaka 02 Nov 2007, 15:15Tsy aleo ve asro-piaro ny tia ê! mba raharaha kosa raha tena tsy miraika nefa ny toe-draharahja efa manahirana...
Nampidirin'i Ryana 08 Nov 2007, 23:56Ryana
ié, rehefa tiana dia mahasaro-piaro. Dia ahoana ny hevitr'i Ryana amin'ilay hoe : saro-piaro nefa tsy tompony ?
Nampidirin'i Tsikisariaka 10 Nov 2007, 09:08Tena raharaha tokoa ny saro(piaro nefa tsy tompony. Ary ny mahatsikaiky dia indraindray ny tsy tompony no saro-piaro lavitra noho ny "titulaire"
Nampidirin'i Ryana 10 Nov 2007, 22:34hahaahahah
Mety ho azo heverina ve ry Tsikisarika ny hoe manandrana manoratsoratra iray iarahana isika mpiserasera eto? Omenao ny "là" dia manohy izahay (feranao ny fitsipika: andininy iray isan'olona ohatra, andalana 4, ny filanton'ny rima, ...) mety hanao ahoana re?
Mankasitraka ê!
Ryana
Hita f'izany mihitsy ka io anie miverina amin'ilay hoe ny tiana no mahasaro-piaro e ! ka na tsy tompony aza nefa tia dia saro-piaro koa.
Efa fanaonay ao amin'ny Fikambanana io ry Ryana fa andraso kely aloha. Mbola tsy milamina ny tany izao ka toy izay koa ny saina sy ny inspiraka e ! Aleo hatao amin'ny 26 nov any angamba e ! Misaotra amin'ilay hevitra.
Nampidirin'i Tsikisariaka 12 Nov 2007, 16:07FA nahoana no 26 novambra? Ekena re ê! Mba fanontaniana ny ahy.
Nampidirin'i Ryana 12 Nov 2007, 19:31MAnkalaza!
Ryana
Tsy misy antony mafonja ho an'ilay daty fa any aho vao malaladalaka fa aza tsiny e ! Amin'ny herinandro ho avy io aho manko tsy manoloana ny solosaina mihitsy.
Nampidirin'i Tsikisariaka 13 Nov 2007, 10:27tonga indray aho
Nampidirin'i Tsikisariaka 26 Nov 2007, 14:11