Ny redirediko...
Nampidirin'i tsikisariaka | 29 Okt, 2007
Indro aloha ny redirediko (santionan-tsangan'asa) andramako alefa eto mba iandrasako ako sy tsikera sns. Misaotr a mialoha.
YOU AND YOURS
Many voices ’n smiles invade my mind
But yours are those which make me blind
Every word flies and sets every name
But yours is kept ’n is free from blame
I try to forget and want t’go away
But when you’re far from me… I’ll die
Come here, darling and heal my pain
For I’m your life and you are mine
Feb 13, 2007 – 11.00
IANAO SY NY ANAO
Tsiky maro, feo tsy vitsy no manafika ny saiko
F’ilay anao akia no tena mahajamba ahy fa tsy haiko
Ary ireo karazan-teny, mitambatra ho anara-maro
Fa ny anao tsy foiko loatra ary sarotra atakalo
Miezaka aho mba hanadino, te-handositra… lazaiko
Saingy nony lavitra ianao dia toa foana koa ny aiko
Koa avia sombinaiko sitranonao ny foko tia
Ianao no hany fiainako hatrizao ka ho doria
13.02.07 – 11.02
Nanondrana indray ilay fampidirana. Mba tsy ny endriny no hisian-kevitra maro dia andraso averiko hoe :
YOU AND YOURS
Many voices ’n smiles invade my mind
But yours are those which make me blind
Every word flies and sets every name
But yours is kept ’n is free from blame
I try to forget and want t’go away
But when you’re far from me… I’ll die
Come here, darling and heal my pain
For I’m your life and you are mine
Feb 13, 2007 – 11.00
IANAO SY NY ANAO
Tsiky maro, feo tsy vitsy no manafika ny saiko
F’ilay anao akia no tena mahajamba ahy fa tsy haiko
Ary ireo karazan-teny, mitambatra ho anara-maro
Fa ny anao tsy foiko loatra ary sarotra atakalo
Miezaka aho mba hanadino, te-handositra… lazaiko
Saingy nony lavitra ianao dia toa foana koa ny aiko
Koa avia sombinaiko sitranonao ny foko tia
Ianao no hany fiainako hatrizao ka ho doria
13.02.07 – 11.02
Nampidirin'i tsikisariaka 29 Okt 2007, 15:59Midira ao amin'ny fandrindrana. Jereo ny lahatsoratra. Avereno ny fampidirana azy.
Rehefa manao à la ligne dia sady manindry majuscule no manao entrée.
Courage
DdRb
Nampidirin'i DadaRabe 29 Okt 2007, 17:00Ny tononkalonao ve izany sady amin'ny teny malagasy no amin'ny teny anglisy e?
Nampidirin'i jentilisa 29 Okt 2007, 17:13asa izay holazain'i rossy fa "rediredy ange hono ka tsa ilaina e"... Vazivazy iray an-dalàna.
Nampidirin'i ikalamako 29 Okt 2007, 18:02Izaho koa ry jentilisa mba nanamarika an'io. Hainareo moa raha ity ka toa moramora aminareo hatramin'ny mamadi-dela!
Salanitra aby e ! Misaotra nampiako.
DdRb > efa lesona natao fa misaotra indrindra.
Jentilisa > tsy izy 460 akory fa ny sasany ihany ka ! tamin'ity dia io teny anglisy io no vokatry ny feeling voalohany dia avy eo nangolaina tamin'ny tenin-drazako amin'izay e ! fa maninona ?
Ikalamako > tsa ilaina akory rediredy zao ? misy fotoa raha jiaby ka na izy (...) aza efa reko nirediredy ko !
Nampidirin'i Tsikisariaka 30 Okt 2007, 09:30Tsara e, tsara e
fa aiza ny sasany fa za tsy teto foana ange e?
Tsy handinika lavitra aloha fa "tsiky dia ampy"
Nampidirin'i ikalakely 31 Okt 2007, 10:23kay kay kay ! misaotra e e e
Nampidirin'i Tsikisariaka 31 Okt 2007, 12:01Fa ny sasany ahoana ? mitsikia aloha mandram-paha !
Tsara e. Tena manako tsy hita hotsikeraina.
Nampidirin'i Kwasi 31 Okt 2007, 16:13Raha izaho no iantefan'ny rediredy hoatr'io tena mba ho hendry @ zay. ;-)
Aza miandry rediredy
Fa hendre foana hatrany
Aza miandry bedibedy
Fa hendre tsara ihany e e ee
Misaotra Kwasi a !
Nampidirin'i tsikisariaka 31 Okt 2007, 22:49Hi hi tsy mety e, tsy maintsy mila voafelaky ny rediredy aloha vao hendry ko!
Nampidirin'i Kwasi 02 Nov 2007, 17:56kwasi > K'efa hoe hendre ! dia ianao izany raha vao lalovan'ny rediredy dia voafelaka tsaratsara ? Koa tsy toratorana isaky ny mamaky tononkalo ?
Nampidirin'i Tsikisariaka 03 Nov 2007, 15:54Izao ary e ! mba hampahendry anao dia tsy handefa tononkalo intsony aho fa ny ahy dia ohatr'ireny daholo ka na izaho aza dia voafelaka, ha ha ha
Alefaso rangah f'aza manao an'izany a.
Nampidirin'i Kwasi 05 Nov 2007, 18:22kôzy ? mba avadibadiho àry ny pejy ato amin'ny blaogin'ny Tsikisariaka dia omeo ako hatrany indrindra rehefa iny voafelaka soa aman-tsara iny i Kwasi e ! Dia misaotra !
Nampidirin'i Tsikisariaka 06 Nov 2007, 08:57Tsy hita intsony i Kwasi ! izaho aloha nanohy namoaka tononkalo ihany e ...
Nampidirin'i Tsikisariaka 10 Nov 2007, 09:10Mampamangy rey olona a