Mandray tànana sa tsia ?

Nampidirin'i tsikisariaka | 25 Okt, 2007

Rehefa mifampiarahaba dia inona no mety mandray tànana ve sa tsia. Dia iza no tokony hanome ny tànany voalohany ? Ny zokiny, ny zandriny, ny lehibe ara-pahefana sa ny kely, ny vehivavy sa ny lehilahy ? sns sns fa iza ?

Ary raha toa indray ka tsy te-handray tànana dia ahoana ? azo lazaina fa tsy mahalala fomba ve izy sa ilay misosososo tànana no tsy mahalala fomba ?

Dia inona no paika raha tsy te-handray tànana nef ailay iray zatra manolotra ? Dia ahoana koa rehefa toloranao tànana ny ankilany nefa izy tsy nandray akory ?

Ndao resahina. 

 


12 Hevitra & 0 Verindrohy (trackback) amin\'ny "Mandray tànana sa tsia ?"

  1. Ny lehibe ara-pahefana no mandray tanana ny kely.

    Nampidirin'i kwasi 26 Okt 2007, 13:49
  2. Efa voaraiko ilay hevitrao tary ambadika tary fa misaotra. Ary ianao ve mahay teny anglisy fa toa nahita ny tononkalonao miteny anglisy aho tao amin'ny tahala rarihasina?

    Nampidirin'i jentilisa 26 Okt 2007, 13:58
  3. Kwasi > misaotra anao. Ary raha mitovy grady fa lehilahy sy vehivavy dia iza no tokony hanolo-tànana. Dia tsy fahalalam-pomba ve ny tsy fitiavana hanolo-tànana ,

    Jentilisa > Tsisy fisaorana. Misaotra nitsidika tao sy nanome akony. Ahoana no fahitanao azy tao e ! mahay aho sa tsy mahay ?

    Nampidirin'i Tsikisariaka 26 Okt 2007, 15:20
  4. Kwasi > misaotra anao. Ary raha mitovy grady fa lehilahy sy vehivavy dia iza no tokony hanolo-tànana. Dia tsy fahalalam-pomba ve ny tsy fitiavana hanolo-tànana ,

    Jentilisa > Tsisy fisaorana. Misaotra nitsidika tao sy nanome akony. Ahoana no fahitanao azy tao e ! mahay aho sa tsy mahay ?

    Nampidirin'i Tsikisariaka 26 Okt 2007, 15:21
  5. Misy toerana mantsy tena "fomban-tany" ny mandray tànana (toeram-piasana) dia rehefa tsy manome dia hafahafa. Ka na diam isy vahiny aza dia raisina tànana koa dia ny tena indray no sadaikatra mijery izany.

    Nampidirin'i Tsiks 26 Okt 2007, 15:35
  6. Izay atao mety daholo ry Tsikisariaka (na izay mety atao daholo). Andraso ho jerena izany "rehefa" mifankahita é! :-)

    DdRb

    Nampidirin'i DadaRabe 28 Okt 2007, 22:00
  7. Zavatra tsy hay ve moa no hibitabitahana hoy ny fiteny izay; Tsy maintsy hay ilay izy izany

    Nampidirin'i jentilisa 29 Okt 2007, 11:47
  8. DdRb > dia ho hita eo izany ko ! fa aleo tenenina mialoha hoe izay atao mety daholo fa ny mety tsinona mbola tsy voavaly ka tsy hita hoe atao fa aleo izay hoe atao mety izy !

    Jentilisa > Ka atoroy ilay tena izy ary e ! fa tsy ny fotoana sy ny toerana ary ny lanjam-pifandraisana ve nomamaritra azy aloha ?

    Nampidirin'i Tsikisariaka 29 Okt 2007, 15:11
  9. Hanaovanao filozôfia indry aho an ! :-)

    DdRb

    Nampidirin'i DadaRabe 29 Okt 2007, 15:31
  10. Hanontanio an'ikalamako moa ny tantaran'ny "tsy raisin-tànana" e ! izany izy daholo !

    Nampidirin'i tsikisariaka 01 Nov 2007, 18:42
  11. Raha mitovy grady indray dia toa ny lehilahy izy izay.

    Nampidirin'i Kwasi 02 Nov 2007, 17:59
  12. Fa izao ary e ! ary raha ianao manolo-tànana dia tsy nandray ilay olona ? inona no hataonao ary ahoana no fandraisanao an'izay ?

    Nampidirin'i Tsikisariaka 05 Nov 2007, 09:10