Nahita aho fa tsy nangalatra

Nampidirin'i tsikisariaka | 25 Okt, 2007
Omaly no tontosa ny fanokafana amin'ny fomba ofisialy ny herinandron'ny Havatsa Upem Madagasikara tetsy amin'ny Tahala Rarihasina Analakely. Nizotra ara-dalàna ary nahafinaritra tokoa ny lanonana, toy ireny mahazatra ireny ihany e ! mikabary dia fifankafantarana sy tsidika eny amin'ny fafana dia avy eo ny tsaingoka iraisana. Ny tolakandro dia antsa tononkalo, Alarobia moa ny andro dia be ny mpianatra no tonga tao. Ny nahafinaritra ahy dia ny namaky ny tononkalon'ny namana ka ity no hitako dia novakiako ary izay no nilazako hoe "nahita aho fa tsy nangalatra". Mialoha izany aloha dia torahako voninkazo avy hatrany ny mpanoratra fa tsara sy tian'ny mpihaino ilay izy sady niangolàko rahateo. Indro ary : IANAO... Tazaniko ny hariva sy fara-vodilanitra Ny voninkazo manitra... Ianao no tsinjoko any ! Henoiko ireny vorona misioka tsy miato Mivazo tena kanto... Ianao no henoko eo Izay rehetra misy, miserana anoloako Dia lasa feno loko... Miloko ny endrikao ! Tsy misy intsony izaho fa efa... ianao No miaina anatiko ao... Feno anao ny fiainako. Nosoratan'i DadaRabe (RABE Andriamaro Paoly) tany Aix-en-Province tamin'ny 24.12.03 Mpikambana ao amin'ny Havatsa Upem any Paris

18 Hevitra & 0 Verindrohy (trackback) amin\'ny "Nahita aho fa tsy nangalatra"

  1. DadaRabe a ! misy milaiso poezia-tsika e !!!!

    Nampidirin'i ikalamako 25 Okt 2007, 11:03
  2. Efa arako fa tsy maintsy hanisy sakay ikalamako ! efa zatra e ! za tsy matahotra, Havatsa ange DDRB ry kala anona ty e ? hi hi hi, aleo ihomehezana kely fa gaigy ihany ny adin'io mpiandry tanàna io DadaRabe a ! omeo ny karamany.

    Nampidirin'i Tsikisariaka 25 Okt 2007, 12:55
  3. Fa tsy meva ho'aho ny lamina ato amin'ity blaogiko ty e ! nefa rehefa soratana mety ihany, tsy haiko ! milahatra ho bambaray ny lahatsoratra fa tsy mivoaka ny midina an-dàlana sns... fa maninona ry Maîtresse Ikalamako ?

    Nampidirin'i Tsikisariaka 25 Okt 2007, 12:58
  4. Hay ! Misaotra an'i Tsikisariaka nitantara vaovao tany. Mahafinaritra :-)

    Misaotra koa nitondra ilay tononkalo.

    Tsy adinon'i Tsikisariaka anefa ny nilaza ny mpanoratra an !

    Misaotra an'Ikalamako saro-piaro amin'ny "poezia-tsika". Sitraka ho enti-matory é! :-)

    DdRb

    Nampidirin'i DadaRabe 25 Okt 2007, 14:33
  5. Oadray ! Tsy maintsy ka ! Izaho anie mpamaky fotsiny e ! Somary nihomehezan'ny mpihaino sy mpijery aza aho nanonona hoe.... nosoratan'i DadaRabe Havatsa Upem Paris
    Raha misy hafa vao mainka tsara fa mbola miantsa aho amin'ny Alarobia manaraka. Alefaso.

    Nampidirin'i Tsikisariaka 25 Okt 2007, 14:38
  6. Tsikisariaka : toro-hevitra blaogy :

    - Rehefa manao à la ligne ianao fa mitambatra rehefa mivoaka dia :

    tsindriana miaraka ny majuscule (flèche) sy ny à la ligne (Entré)

    Azonao ovaina ao amin'ny fandrindrana io.

    I Hery (tsiky dia ampy) no nanome ahy ny pasy.

    DdRb

    Nampidirin'i DadaRabe 25 Okt 2007, 14:41
  7. DdRb > misaotra amin'ilay toro-hevitra.

    Ikalamako sy ny hafa > Sady izao r'ikalamako a ! tsy tany amin'ny tanimbolinareo anie no hitako ilay poezia e fa taty an-tsahanay ka ! izahay aza no mpiandry ny saha ko ! dia notondrahanay ilay voninkazo dia naniry be sy namelana ary ny felany ihany no nangalako nitorahako an'ilay tompony aninkeo !!!! Aty aminay anie (inoako fa ny any koa) dia misoratra eo am-potory ny zava-maniry ny anarany (any amin'ny valan-javaboaary na any amin'ny tanan'olon-tsotra sy ny Ambasadaoro...). Maaaarrina é !

    Nampidirin'i Tsikisariaka 25 Okt 2007, 14:46
  8. IANAO...
    Tazaniko ny hariva sy fara-vodilanitra
    Ny voninkazo manitra...
    Ianao no tsinjoko any ! Henoiko ireny vorona misioka tsy miato
    Mivazo tena kanto...
    Ianao no henoko eo
    Izay rehetra misy, miserana anoloako
    Dia lasa feno loko...
    Miloko ny endrikao !
    Tsy misy intsony izaho fa efa... ianao
    No miaina anatiko ao...
    Feno anao ny fiainako.

    Nosoratan'i DadaRabe

    Nampidirin'i Tsikisariaka 25 Okt 2007, 14:50
  9. MIvazivazy re izy ry Tsikisariaka à ! :-)

    Tantarao ahy aloha ilay nolazainao hoe "tary amin'ny FIAP" é! inona no nitranga ?

    DdRb

    Nampidirin'i DadaRabe 25 Okt 2007, 14:52
  10. oeeeeeeee DdRb ! merciiii.

    Nampidirin'i Tsikisariaka 25 Okt 2007, 14:54
  11. oeeeeeeee DdRb ! merciiii.
    Ary ny 'retrait' r'ise ?

    Nampidirin'i Tsikisariaka 25 Okt 2007, 14:54
  12. inona ilay retrait lazain'i Tsikisariaka ?

    Ilay texte etsy ambony mihitsy no mbola azonao ovaina kah !

    DdRb

    Nampidirin'i DadaRabe 25 Okt 2007, 14:59
  13. ikalamako efa kiriolona efa zatra mpihinatsakay koh ! Samy manana ny manavanana azy, ny mpanao mofo manisy leviora...

    Nampidirin'i ikalamako 25 Okt 2007, 16:12
  14. Efa ela no nahalalako azy ry DdRb a ! izy manisy sakay, izaho manapoka rano e !
    Ilay "retrait" ve ? ohatra eo amin'ilay hoe "Ianao no tsinjoko any" tokony mihataka kely. Misaotra an !

    Nampidirin'i Tsikisariaka 25 Okt 2007, 17:07
  15. DdRb > Ilay FIAP ve ? Tao ve ianao tamin'ny nitokanana ny Havatsa Paris ny 30 avril 2005 ?

    Nampidirin'i Tsikisariaka 25 Okt 2007, 17:11
  16. Eny é! fantatro ilay nitokanana ny havatsa Upem fa ilay nolazainao hoe nitranga tao efa noresahinao an'i Toetra(alefaso ao amin'ny dadarabe@voila.fr raha manahirana anao.
    Tena tiako ho fantatra !

    ilay retrait ohatr'izay ? tsy haiko ! (miala tsiny)

    DdRb

    Nampidirin'i DadaRabe 25 Okt 2007, 17:32
  17. Eny ary fa rahampitso aho manoratra sy mitantara any ! fa efa hariva ka hody aho dieny tsy mamo ! lol
    Tsara mandry aby rahaligny ô !

    Nampidirin'i Tsikisariaka 25 Okt 2007, 17:48
  18. Ok ary é! Efa alina koa ny andro eto.

    DdRb

    Nampidirin'i DadaRabe 26 Okt 2007, 03:53