Herinandron'ny HAVATSA UPEM

Nampidirin'i tsikisariaka | 23 Okt, 2007
Isan-taona dia misy ny herinandron'ny Havatsa Upem ka eo amin'ny faraparan'ny volana Oktobra foana izy io ary marihina amin'ny fampiratiana ny asa soratr'ireo mpikambana rehetra na ny eto an-tanindrazana na ny an'ireo izay any am-pielezana rehetra any. Ahitana ihany koa ny tantaran'ny Fikambanana hatrizay 55 taona nisiany izay. Ity faha-55 taona ity moa dia nomarihina tao amin'ny CFM Anosy ny 8 septambra 2007 lasa teo. Nisy ny fiaraha-misakafo, hira, dihy ary korana. Isaky ny 31 Oktôbra moa dia misy ny Alin'ny Pôety saingy efa novitaina tamin'io 8 septambra io ny lanonana izay nisian'ny fanolorana Salotr'hasina ho an'ireo mpikambana ary fanolorana mariboninahitra hoan'izay nahazo izany (jereo www.thina.artiste-malgache.com : Havatsa 55). Rahampitso Alarobia 24 Oktobra 2007 amin'ny 11 ora maraina no fanokafana amin'ny fomba ofisialy ny fampiratiana ka manasa izay rehetra eto Iarivo mba handalo ka hitsidika izany. Misaotra indrindra mialoha e ! Handefa akony eto ihany amin'ny fotoana mahamety azy ny tenako.

5 Hevitra & 0 Verindrohy (trackback) amin\'ny "Herinandron'ny HAVATSA UPEM"

  1. Manao ahoana Tsikisariaka

    Mahafinaritra ny zavatra ataonareo. Mahereza é!

    Somary marary ilay blaogiko atsy fa tsy tafiditra foana izay ampidirina.

    Nanontany ahy ianao. Ity ilay valiny fa mihisatra ny atsy :

    Eto St Pierre aloha ahoi zao ry Tsikisariaka. Saingy ho hita eo ny tohiny satria hatramin'ny fiandohan'ity taona 2007 ity aho dia efa maromaro ny toerana nipetrahako (nomade é!). Tao La Charité sur Loire (frantsa), Cayenne, St Laurent du Maroni (Guyane), St Pierre et Miquelon (nosy aty amerika avaratra). Fa ny tena misy ny entako sy ny momba ahy rehetra dia ao Antananarivo (hatramin'ny jolay 2007). :-)

    Misy faribola itoerako ve amin'ny tononkalo ? Tsy haiko raha mahavaly azy ity : membre mpamorona ny Havatsa Upem Frantsa aho (jereo ny site) ary eo ampikarakarana boky (Mirazotra) izahay izao.

    Nampidirin'i dadarabe 23 Okt 2007, 16:43
  2. Tena azoko an-tsaina satria tsy vaovao amiko ilay Rabe. Fantatro ianao. Boribory ny tany ry DadaRabe ! izaho r'ise tao amin'ny FIAP tamin'ny 30 avril 2005 dia tsy nisy niraharaha ahy mihitsy nareo ! vao avy nilazaiko an'i Toetra io aninkeo.
    Fa ianao izao eto Iarivo sa any ho any ?

    Nampidirin'i Tsikisariaka 23 Okt 2007, 17:08
  3. Nanoratra in-leo tao amin'ny Blaoginao mihitsy aho fa tsy nety niditra mihitsy ilay izy ry DadaRabe !

    Nampidirin'i Tsikisariaka 23 Okt 2007, 17:10
  4. Manandrana aho fa manondrana ny blaogy tato ho ato.

    Nampidirin'i Tsikisariaka 25 Okt 2007, 16:50
  5. mety aloha hatreto sy hitako eto

    Nampidirin'i Mpandinika 25 Okt 2007, 16:51