Gasy iraisam-pirenena
Nampidirin'i tsikisariaka | 19 Okt, 2007
Alina (18.10.07) dia Ambohim-pihaonan'ny Gasy mielim-patrana na tany am-pielezana tany am-pita tany ny tetsy Soavimbahoaka. Iraisam-pirenena mihitsy satria tao ny avy any OTTAWA (Canada) izay isaorana mitafotafo satria tompon'ny trano, tao ny avy any BELFORT (France) izay mpanentana mavitrika be, Izy roa ireo hiverina any avy indray ato ho ato, tao ny avy any VIETNAM, vao tonga vao haingana ary hitoetra eto amin'izay, tao indrindra koa ilay mpampianatra anay ni-blaogy izay avy any ITALIE, mandalo eto DAGO koa izy, dia ny avy eto an-toerana moa tsy hadino fa "mpiandry tanàna izahay"... 11 izahay no tao ary raha ny voalaza dia isan'ny maro hatramin'izay nihaonana izay (oeeeee !).
Nahafinaritra tokoa ny fihaonana satria nanamarika ny "tena fisiana" raha somary aloka aza ny soratra sy sary mahazatra taty amin'ny blaogy ka dia hita vatana tokoa ry... (...dreindrendreindrein !!...) :
- Hery "Tsiky dia ampy",
- Tattum,
- Elodieriana,
- Barijaona,
- Mia,
- Jentilisa,
- El Tsifaka
- ary i Tsikisariaka
(azafady raha misy diso tsipelina).
- Nisy namana hafa telo tao (vahinin'ny efa mpi-blaogy) izay inoana fa hi-blaogy koa atsy ho atsy (enga anie!) : FALY NIFANKAFANTATRA E E E E
Dia raikitra ny tsaingoka sy fisotro sy ny tafa isan-karazany izay manodidina ny BLAOGY ny maro isan-jato.
Ny hevi-dehibe nampitaina dia ny fanentanana ny tanora amin'ny resaka blaogy ary koa ny fanaovana horonan-tsary alefa any amin'ny blaogy iraisam-pirenena iray izay iresahana ny fahasamihafana.
Mbola hisy ny fihaonana manaraka amin'ny Sabotsy 27 Oktobra 2007 amin'ny 10 ora eny Ankadivato (Barijaona). Koa mbola alefa indray ny fanasana ho an'izay tsy tratra antso na ny tsy afaka tamin'ity fihaonana voalohany amin'ny andiany fahaefatra ity.
I Elodierana efa any Ottawa amin'izany ka raha tsy tafahaona moa dia "soava dia retsy a !"
Ho ela velona ny mpi-blaogy e !
manja izany e !
Nampidirin'i ikalamako 19 Okt 2007, 10:39:-)
Tamin'ny misasakalina latsaka adiny iray sy valo ambin'ny folo minitra no ora heno nolazain'ny iray taminay talohan'ny niravana. Efa alina ihany, i Tsikisariaka moa somary tsy salama, i Elodierana koa hiainga amin'ny dimy ora maraina, ny hafa mbola hiasa maraina koa ary ny tranonay samy manana ny azy sy tsy akaiky ny an'ny sasany ka na dia nalain-kisaraka tokoa aza dia... nifametraka ny mandram-pihaona ihany rehefa vita ny fifandaminana teo amin'ny fifanaterana.
Nampidirin'i tsikisariaka 19 Okt 2007, 10:44Mbola hihaona.
Miarahaba anao fa tsy tonga saina hamaky aho raha tsy namoaka ny gasy iraisam-pirenena ianao!
Nampidirin'i jentilisa 19 Okt 2007, 10:53fa tsy tadidiko na misy olona tokony holazaina ny fahatongavany na tsia...tadidinao ve?
Nampidirin'i jentilisa 19 Okt 2007, 10:55Tsy haiko fa toa i Tattum no manana ny laharam-pindain'ny hafa angamba.Ry Aiky ohatra tsy tonga omaly ka sao tokony ilazana e !
Nampidirin'i Tsikisariaka 19 Okt 2007, 13:39Dia mangetaheta ambony laka izahay ry Tsikisariaka
DadaRabe
Nampidirin'i DadaRabe 23 Okt 2007, 00:02Eny ho'aho r'iDadarabe a ! Mahaiza mionona amin'ny tantara aloha ary e ! Aza matahotra ho taterina eto ihany ny tohiny mahafinaritra !
Nampidirin'i Tsikisariaka 23 Okt 2007, 10:51