Fikarohana hafakely (sociolinguistique)
Nampidirin'i tsikisariaka | 17 Okt, 2007Betsaka ny fikarohana azo atao ankehitriny. Ny mahaliana ahy dia ny resaka teny hita eny anatin'ny fiaraha-monina (sociolinguistique) ka sao mba misy afaka manampy sy manome hevitra. Mikaroka aho momba ny tantara sy fiavian'ireny teny ireny. Ohatra : "Manao Rasesily" izay midika hoe mangalatra (amin'ny resaka lalao karatra sns). Fa iza kay io Cécile io ary taiza no niseho ny tantara ary toy ny ahoana ? Ao koa ny hoe "Tain'alikan'ny Zily (Gilles)", fa naninona koa izany ary taiza ? - Ny kiraron'i Beminahy etsetra etsetra. Misaotra mialoha e !
ilay kiraron'i Beminah dia mandeha ila. NIsy tantara angamba.
Ry Cécile indray...tsy haiko tsikisariaka à !
DadaRabe
Nampidirin'i DadaRabe 19 Okt 2007, 01:43Za aza mba manontany ko ! Mikaroka mihitsy mantsy e...
Nampidirin'i Tsikisariaka 19 Okt 2007, 08:29Ombay mitady ny marina re dia miasaotra mialoha.
Misaotra DadaRabe fa tena ny tantara manontolo no tadiaviko re a. Iza ilay olona, avy aiza, taiza ilay tantara no niseho ary tamin'ny fotoana nisy inona ? Mbola maro izy ireny fa ireo ohatra noraisiko.
Nampidirin'i Tsikisariaka 19 Okt 2007, 08:32Mankasitraka.
boky nianarana tany amin'ny kolejy na tany amin'ny lycée nisy azy, efa haiko mihitsy io fa tsy tadidiko intsony hoe naninona moa...
Nampidirin'i ikalamako 23 Okt 2007, 03:38Mbô tadidio na tadiavo moa r'ikalamako a ! mbô ampio moa marina mafy e ! eny e, tsy maika akory. Misaotra sahady
Nampidirin'i Tsikisariaka 23 Okt 2007, 16:34