Resaka mandreraka ny momba ny fananan-tany eto Madagasikara. Asa iza ihany ireo mahazo tany vetivety ireo. Toa tsy resaka fananam-bola ilay fa resaka fahalalana olona. Ary raha vao tsy izay dia taraiky eo ianao ka na teo aza ny vola dia lasa ividianana zavatra hafa.
Betsaka ny tany hamidy fa mandany zato pejy ny momba azy. Ao ireo mora atonina ny mpivarotra saingy amam-bolana vao tena hita ny tena tompony, amin'izay indray mbola ifampizaran'izy mianakavy ny tany dia raikitra ny hoe, ny ahy tsy amidiko izany fa ny an-dranona ihany... dia miala maina amin'iny.
Fa ao koa ny hoe vetivety dia vita ny resaka kinanjo hay ry mpanera no mampiesona fa ny tanin'olona tsy amidiny fa izy samy mpanera no miseho ho tompony ka aza mba voany fa mahita ny miaka-midina tsy fidiny eo rehefa avy nandoa ny vola saram-pitsidihana sy ny saran-dàlana sy ny sisa.
Fa ity no tranga manaraka, itsy misy tany hamidy ary ny tompony mihitsy no miresaka aminao. Tsy maka sarotra izany amin'ny fitsidihana sy ny... ady varotra. Ny indro be anefa dia izao : malaza be fa tany maty io tany io, nahoana ? satria hono tany mihitsoka, tany mihidy.... fa tsy misy làlana (non accessible). Aiza no misy an'izany rey olona ? Ny tany manodidina anefa dia misy olona avokoa fa io tany io izany tsy omen'ireo olona manodidina làlana. Vokany : tsy mety lafo ilay tany. Tsy hay fa misy disadisam-piaraha-monina ao ! tsy omen-dRanona làlana io tany io satria mananona sy mananona "ôri-ôra". Dia rafitra ny manodidina samy manao tamboho dia iny fa mihitsoka ao tokoa ilay tany.
Aiza ho aiza tokoa amin'ny lalàn'ny fananan-tany moa ilay hoe fanomezana "servitude de passage" dia ahoana sy ahona ny momba azy ?
Aiza ve ka tonga hatramin'ny hoe : "tany samy mahaleo tena ireo anaty kadasitra na dia mifanakaiky aza ka tsy mifanome làlana izany" sy ny hoe "avy ary avaratra no akaiky an'io ka any ny làlana ho azy..." sns sns.
Ny hevitrao ?
Herinandron'ny HAVATSA UPEM
Nampidirin'i tsikisariaka | 23 Okt, 2007
Isan-taona dia misy ny herinandron'ny Havatsa Upem ka eo amin'ny faraparan'ny volana Oktobra foana izy io ary marihina amin'ny fampiratiana ny asa soratr'ireo mpikambana rehetra na ny eto an-tanindrazana na ny an'ireo izay any am-pielezana rehetra any.
Ahitana ihany koa ny tantaran'ny Fikambanana hatrizay 55 taona nisiany izay. Ity faha-55 taona ity moa dia nomarihina tao amin'ny CFM Anosy ny 8 septambra 2007 lasa teo. Nisy ny fiaraha-misakafo, hira, dihy ary korana. Isaky ny 31 Oktôbra moa dia misy ny Alin'ny Pôety saingy efa novitaina tamin'io 8 septambra io ny lanonana izay nisian'ny fanolorana Salotr'hasina ho an'ireo mpikambana ary fanolorana mariboninahitra hoan'izay nahazo izany (jereo www.thina.artiste-malgache.com : Havatsa 55).
Rahampitso Alarobia 24 Oktobra 2007 amin'ny 11 ora maraina no fanokafana amin'ny fomba ofisialy ny fampiratiana ka manasa izay rehetra eto Iarivo mba handalo ka hitsidika izany.
Misaotra indrindra mialoha e !
Handefa akony eto ihany amin'ny fotoana mahamety azy ny tenako.
Gasy iraisam-pirenena
Nampidirin'i tsikisariaka | 19 Okt, 2007
Alina (18.10.07) dia Ambohim-pihaonan'ny Gasy mielim-patrana na tany am-pielezana tany am-pita tany ny tetsy Soavimbahoaka. Iraisam-pirenena mihitsy satria tao ny avy any OTTAWA (Canada) izay isaorana mitafotafo satria tompon'ny trano, tao ny avy any BELFORT (France) izay mpanentana mavitrika be, Izy roa ireo hiverina any avy indray ato ho ato, tao ny avy any VIETNAM, vao tonga vao haingana ary hitoetra eto amin'izay, tao indrindra koa ilay mpampianatra anay ni-blaogy izay avy any ITALIE, mandalo eto DAGO koa izy, dia ny avy eto an-toerana moa tsy hadino fa "mpiandry tanàna izahay"... 11 izahay no tao ary raha ny voalaza dia isan'ny maro hatramin'izay nihaonana izay (oeeeee !).
Nahafinaritra tokoa ny fihaonana satria nanamarika ny "tena fisiana" raha somary aloka aza ny soratra sy sary mahazatra taty amin'ny blaogy ka dia hita vatana tokoa ry... (...dreindrendreindrein !!...) :
- Hery "Tsiky dia ampy",
- Tattum,
- Elodieriana,
- Barijaona,
- Mia,
- Jentilisa,
- El Tsifaka
- ary i Tsikisariaka
(azafady raha misy diso tsipelina).
- Nisy namana hafa telo tao (vahinin'ny efa mpi-blaogy) izay inoana fa hi-blaogy koa atsy ho atsy (enga anie!) : FALY NIFANKAFANTATRA E E E E
Dia raikitra ny tsaingoka sy fisotro sy ny tafa isan-karazany izay manodidina ny BLAOGY ny maro isan-jato.
Ny hevi-dehibe nampitaina dia ny fanentanana ny tanora amin'ny resaka blaogy ary koa ny fanaovana horonan-tsary alefa any amin'ny blaogy iraisam-pirenena iray izay iresahana ny fahasamihafana.
Mbola hisy ny fihaonana manaraka amin'ny Sabotsy 27 Oktobra 2007 amin'ny 10 ora eny Ankadivato (Barijaona). Koa mbola alefa indray ny fanasana ho an'izay tsy tratra antso na ny tsy afaka tamin'ity fihaonana voalohany amin'ny andiany fahaefatra ity.
I Elodierana efa any Ottawa amin'izany ka raha tsy tafahaona moa dia "soava dia retsy a !"
Ho ela velona ny mpi-blaogy e !
Fikarohana hafakely (sociolinguistique)
Nampidirin'i tsikisariaka | 17 Okt, 2007Betsaka ny fikarohana azo atao ankehitriny. Ny mahaliana ahy dia ny resaka teny hita eny anatin'ny fiaraha-monina (sociolinguistique) ka sao mba misy afaka manampy sy manome hevitra. Mikaroka aho momba ny tantara sy fiavian'ireny teny ireny. Ohatra : "Manao Rasesily" izay midika hoe mangalatra (amin'ny resaka lalao karatra sns). Fa iza kay io Cécile io ary taiza no niseho ny tantara ary toy ny ahoana ? Ao koa ny hoe "Tain'alikan'ny Zily (Gilles)", fa naninona koa izany ary taiza ? - Ny kiraron'i Beminahy etsetra etsetra. Misaotra mialoha e !
Tonga soa Tsikisariaka!
Nampidirin'i tsikisariaka | 14 Sep, 2007
Ity no lahatsoratra voalohany ao amin'ny blaoginao. Azonao fafaina na ovaina ao amin'ny Toeran'ny mpandrindra ity lahatsoratra andrana ity.
Misaotra anao mampiasa ny Blaogy.
Misaotra anao mampiasa ny Blaogy.