MOMBA IZAY EFITRANO IZAY

Nampidirin'i tsikisariaka | 15 Nov, 2007
Etsy ambany etsy misy miresaka momba ny efitranony… dia izaho nihevitra fa hoe :

ity efitrano ity  
dia mbola miara-miaina  
ny sento sy taraina  
iainanay ety,   

ity efitrano ity  
no zoro iafenana,  
iaretana tsy ferana  
ny ratsy sy ny fy   

kay ity efitrano ity  
mirakitra tantara  
sisa aty afara...  

izaho irery mantsy  
no toran'ny tsiaro,  
amin'ny "aloka mangia  
ity efitrano ity"  

15.11.07   
(Setrin’ny “Ity efitranoko ity” an’i DadaRabe)

BANGA IRAY INDRAY NY TONTOLON'NY ZAVA-KANTO

Nampidirin'i tsikisariaka | 13 Nov, 2007
Omaly tao amin'ny haino aman-jery teto an-drenivohitr'i Madagasikara dia nandrenesana ny fahafatesan'ny artista iray "indray". "Indray" hoy aho satria zary nifanesisesy tato ho ato ny fahalasanan'ny mpanakanto. Ireny no voateny dia satria misongadina ao anatin'ny fiaraha-monina ny mpanakanto ary fantatry ny besinimaro noho ny asany izay vohizin'ny fitaovan-tserasera isan-karazany. Nodimandry ny namana mpanakanto "DARAFIFY" izay nilalao tao amin'ny sarimihetsika hoe "ADALA MATANJAKA". 32 taona ny lehilahy izao nindaosin'ny fahafatesana izao. Any Ambanja no ho tanterahina ny fandevenana anio. Miombom-pahoriana amin'ny fianakaviany ny tenako ary mirary fiononana feno ho azy. Miara-miondrika ihany koa amin'ny fikambananm-ben'ny artista malagasy.

TÔTY, UN GRAND MUSICIEN S'EST ETEINT.

Nampidirin'i tsikisariaka | 8 Nov, 2007
De Domohina M. dans Le Quotidien p.21 du 08.11.07 Il fait partie des grands musiciens qui ont illuminé la scène du Jazz et de nouvelles tendances. Grand dans son talent mais très modeste. Il s'agit de Tôty qui s'est éteint à l'âge de 45 ans dans la nuit de mardi à l'HJRA. Il faisait partie du fameux groupe TRITRA dans les années 90 qui a initié le jazz fusion qui, à l'époque, a connu un succès grandissant sans oublier son passage chez Speedy Band. Il a également créé la surprise dans le groupe Oay ! en tant que premier musicien à jouer la basse à 6 cordes. Il se distingue également dans le métier d'arrangeur. Les hymnes des deux Jeux des Îles de l'Océan Indien ont porté les touches d'arrangement de Tôty. Nombreux sont entre autres les artistes qui l'ont côtoyé et qui ont réussi grâce à son aide et accompagnement. A de nombreuses reprises, il a animé les portes ouvertes sur le jazz en partageant avec les jeunes musiciens ses expériences dans le monde du jazz mais aussi en tant que musicien. Comme souvent sous la casquette du bassiste, il s'est avéré également un grand multi-instrumentiste, claviériste et non moins excellent batteur. Statut d'arrangeur oblige ! Tôty s'est éteint mais ses oeuvres resteront gravées dans toutes les mémoires.

MISAONA NY JAZZ

Nampidirin'i tsikisariaka | 7 Nov, 2007

Indrisy….

Nilaozan’i Tôty isika. Vahotra ny lela manoloana izao fahabangana izao, tsy manan-kolazaina aho fa torotoro fo.

Mankahery ny fianakaviany ny tenako ary miombom-pahoriana amin’ny rehetra.

Handry am-piadanana anie i Tôty ary ho ela velona ny fahatsiarovana azy.

Ndeha hiara-hiasa : Tononkalo sy hira

Nampidirin'i tsikisariaka | 5 Nov, 2007
Misedra adim-piainana ihany koa ny mpanoratra ka indraindray dia mitady ho difotra izy rehefa vizan’ny adim-piainana ny aingam-panahiny indraindray. Tototra ao ny asa sorany fa tsy mba misy mpikolokolo. Sehatra iray hanatosahan’ny mpanoratra ny tora-pony rehetra amin'ny tranga rehetra anefa ny sanganasany ka inoana sy irina tsy ho faty na dia mivangongo fatratra ao fotsiny aza. Izany indrindra no hanaovana antso avo amin’ny mpanakanto hafa ny mba iaraha-mikolo ireny sanganasa ireny. Ny mpanoratra mantsy dia manoratra foana, manoratra hatrany ary tsy mihevitra ny hanisa izany akory fa dia ao fotsiny iny. Ny mpamaky dia migoka ny tsirony rehefa mandalo eo imasony ireny asa soratra ireny ary dia mandray ho an’ny tenany izay voalaza, indraindray voafendrofendro, matetika koa anefa dia velom-bolo satria azo lazaina ho fanafody fanafan'ny aretim-panahy ny sentom-po zaraina. Mainka moa fa raha lasa hira izy ireny dia voarotsirotsy avokoa ny mpiara-belona. Dia mirana rahateo ny mpiara-miasa mamoaka vokatra. Koa izay manan-talenta amin’ny fanomezana feo ny tononkalo dia manolo-tànana re, andao hiara-hiasa. Misaotra mialoha e !
«Mialoha   1 2 3 4 5 6 7 8 9  Manaraka»