ASARAMANITRA
Nampidirin'i tsikisariaka | 8 Mar, 2008Koa arahabaina izany nahatratra ny Asaramanitra isika rehetra. Dia ao anatin’izany koa no irariana soa ny Andriambavilanitra rehetra amin’izao 8 martsa izao.
Betsaka ny loza mitranga ankehitriny : rivotra, halatra, vonoan'olona sns... Indraindray dia misy ny loza mifampisarika ka mampifanesy azy ireny. Ndeha anie hotantaraiko aminareo ity zava-nitranga ity e !
Tamin'ny Sabotsy 23 Fabroary 2008 alina dia nandalovan'ny mpangalatra ny trano iray teny Ambatofotsy avaradrano ary dia foana ny lakozia, lasa avokoa izay fitaovana zakany tao. Ny tompon-trano anefa tamin'io matory ao amin'ny efitra mifanila amin'ny lakozia tsy nandre izay ambonin'ny tany. Nony tafafoha vao vaka sy ana ry zareo fa nafoy tao anatin'ny indray mipi-maso ny fananana. Nandeha teo ny fankaherezana sy ny finiavana hitràka teo anoloan'izany. Ry zareo koa mbola tanora afaka hihary soa aman-tsara. Mila ezaka kely dia tafaverina eo izay mety ho azo.
Tonga ny Alakamisy manaraka (28.02.08) an'iny dia tera-bao Ramatoa. Somebiseby ny iray trano, ny vahiny tsy maintsy ho raisina amin'ny fomba mihaja sy feno fitiavana, ny tena vao eo no novizan'ny ratsy fanahy. Dia atao ahoana fa dia natao hatrany ny ezaka fa mba fifaliana ity tonga, fahasoavana ity nitranga ka dia velom-pifaliana sy tsiky ny mpianakavy rehetra.
Ny ampitson'iny, zoma 29.02.08, nisy ny fanasana nifanaovan'ny fianakaviana, alim-pandihizana izay nisian'ny zanaka iombonana nifaninana tamin'itony tovovavy kanto (miss) ka dia nandeha namonjy izany ilay vao nahazo zazakely (ilay rangahy an ! fa Ramatoa moa tsy mankaiza fa mitaiza). Vita ny fifaninanana, nandihy ny rehetra teo am-piandrasana ny valiny tanaty tebiteby...
Tampoka teo dia nisy niantso ny finday iray teo ambony latabatra, izaho tamin'io tsy mba nandihy fa niandry latabatra (soa ihany), noraisiko ilay finday, avy dia fantar'ilay olona ny feoko ary hoy izy hoe :".... misy manafika izahay fa vonjeo, efa ao am-baravarana ry zareo !" "eny" hoy aho sady nitsangana aho niantso ny manodidina ary nanontany hoe an'iza ity finday ity... ary teo vao fantatro koa hoe iza ilay niantso fa nifangaro tamiko ny feon'ireo mpiantso anay.
Nikoropaka ny mpianakavy... ilay tena tompon'ny finday no tsy tazana fa vao notadiavina, efa nalefa nandeha aloha ny fiara iray misy olona teo amin'ny 5 lahy ry zareo ? nandha namonjy tany... tany amin'ilay toerana vaky lakozia voalaza tetsy ambony ihany io !!! Loza izany. Nony kelikely vao nipoitra ilay Ramose, kay moa izy naka rivotra sy nifoka sigara tao amabadiky ny fidirana dia tsy nisy nahita no sady tsy nandre ny korapaka teo. Dia nambara taminy tamim-pahatoniana ny resaka ka taitra mafy izy, kivy tanteraka ! tsy laitra notohaina anefa fa dia ny hirifatra ihany handeha hamonjy ny vady aman-janany no tao an-tsainy... nifandroitana teo ka lasa ihany ary dia ny zanako lahy 14 taona no nanaraka azy tany sy nampitony azy eny am-pandehanana. Tonga soa aman-tsara tany ny fiara rehefa avy nanao "rallye".
Izahay tao amin'ny "bal" niandry trano tao satria ny fety efa rava tamin'ny 2.30 maraina. Ilay fifaninanana ve ? eny e ! fahatelo ilay zanakay tamin'ny fifaninanana (2è dauphine) Efa tsara satria mbola isan'ny nahazo salotra sy loka.
Ny tany Avaradrano : tsy nisy naninona ny vady aman-janak'ingahy teo, misaotra an'Andriamanitra. Lava ny alina nanaovana ny fanarahan-dia ny mpangalatra, nisy ihany ny entana notsimponina teny an-dàlana, nisy ihany koa ny noahiana saingy... tsy nisy tratra ny mpangalatra. Maraina foana ny andro, mbola tsy vita ny raharaha teny amin'ny zandary sy ny sisa. Ny mpanontrona efa lasa nody rehefa nilamindamina ny tany.
Sabotsy 01 Martsa : nanenoneno foana ny findaiko.... nifandimby niantso ahy izay mbola tany ivelany tany ary efa "suspens" 20 minitra teo vao....
... re ny vaovao fa tratry ny lozam-pifamoivoizana ingahy ! ilay ranadahy tratry ny mpangalatra sy vao tera-bao teo ! an-tenda ny aiko, tsy afaka nihoraka sy nitomany mafy satria tao an-trano i Papa sy i Mama.... mody mandaha ao an-dakozia aho na ao amin'ny "douche" mba hitomany dia mamafa maso indray rehefa hiverina tatsy !
Tonga indray ny antso fa tsy maintsy hiainga aho hamonjy ilay maratra sy ny taxi nanatitra azy teny amin'ny "urgences HJRA" satrai ny olona sasany nijery "constat" sns... inona no hevitra ? mody ny findaiko no nahodinkodiko ary nilaza aho hoe : "Mama a, tsisy crédit tsony aho fa ndeha hijery crédit !... " dia nomeny vola koa aho hamidy zavatra hafa. Dia ataoko ahoana indray izany ity hafany nefa aho handeha, niantso olona aho mba hiandry ao amin-drizareo sady nampitondraiko ilay hafatra sy ny hoe : "lazao zareo fa tsisy crédit raha tsy alavidavitra"... dia nihodinkodina teny ny ora. Nanana ny tsindrimandriny ilay reniko ary nibip ny ankizy rehetra izay tsy nisy namaly, mbola porofo ny fisian'ny tranga izany fa tsy nisy sahy nilaza taminy aloha. Tonga teny amin'ny hôpitaly aho ! Efa sérum sy oxygène no nandravaka ny endrik'ilay anadahiko. Tsy afaka miteny izy. Soa ihany fa mahatsiaro saina na dia mbola reraka mafy aza izy. Izay aho vao niantso an'i Mama ka bedy be. Mitomany be izy miresaka amiko. Maditra daholo hono izahay fa maninona ny zanany. Tsy maninona izy hoy aho fa efa ho avy any haka anareo ny ankizy.
Nihaona daholo izahay 8 mianaka (izy mivady sy izahay 6 mianadahy naterany) nony avy eo. Nontronin'ireo vadinay avy izany.
Mafy noho ny mafy izany ry reto a ! Mampalahelo. Izahay rehetra aza moa mahatsiaro voadona mainka fa Ranadahy izay niharan'izany rehetra izany ? hita tena kivy tokoa izy ary mbola eny amin'ny hôpitaly amin'izao. Fa dia eo ny rehetra manontrona azy.
Koa mivavaka ho azy mba hiverenan'ny fahasalamany tanteraka !
Vanim-potoanan'ny rivo-doza toy izao ary nitovitovy tamin'ny nafitsok'i Ivan iny ilay izy. Tamin'ny taona 2004 no niseho ny tantara.
Avy be ny orana. Nifofofofo mafy mihitsy ny rivotra ary efa nampilazaina mialoha rahateo moa ny teto Iarivo fa loza mihatra ny anjarany. Tsy nisy niasa sy nianatra tamin'izany fotoana izany. Tsy tsaroako hoe nandritra ny roa sa telo andro izy izay. Tapaka ny herin'aratra. Rehefa avy niteniteny ny radio dia tapaka koa na dia efa nividy pile aza aho andefasana ilay radio kely. Nony avy nisakafo sy niresadresaka teo izahay dia nohidiana ny trano ary dia natory. Dia resin-tory koa aho rehefa avy nampatory ny ankizy. Tena natory. [Ingahirainy tamin'io namita asa tany amin'ny faritany]
Nony afaka ora efatra tany ho any (angamba) dia tafafoha aho. Tony ny any ivelany. Tsy re intsony ny ora-mijojo. Nangingina koa ny rivotra izay nampandihy ny tafo sy ny hazo rehetra tany rehetra tany. Nojereko ireto ankizy... tena mbola anaty nofy. Somambisamby ny tara-pahazavana tazako eo anelanelan-kazon'ny varavaran-kely. Nijery famataranandro aho... "Amin'ny firy ary izao?" - Amin'ny 5ora sy 30mn ny tamin'ilay famataranandro kely fanao an-tànana. Nokapokapohako ilay izy fa hoy aho an'eritreritro "maty indray ity, shhhh". Dia lasa aho nijery ilay famataranandro be tao amin'ny efitrano ilany... "@ 5.30", "shhhh, maty daholo ny famataranandro..., fa naninona ary ?" (tratry ny cyclone hatrato koa ?)...
Tsy tadidiko raha nandrehitra radio aho na tsia....
Tapaka ny hevitro fa handeha hivoaka ny trano aho. Ohatry ny hoe handeha hanontany "lera" ? Tsy lera mantsy no tena notadiaviko fa hoe ....... "MARAINA SA HARIVA ARY IZAO ?". Nanao mafana tsara aho dia nohidiko tsara avy any ivelany ny trano dia lasa aho.
Diniho tsara fa rehefa ratsy ny andro, tsy ampy ny hazavana voajanahary ka hila hitovitovy mihitsy ny amin'ny 5.30 am sy 5.30 pm - Ny tao an-tsaiko dia manisa olona eny an-dalam-be ka raha vao bebe ny olona mandehandeha sy hoe raha misimisy ny mpivarotra mivoha amin'io fotoana io dia hariva ny andro. Ny mifanohitra amin'izay dia maraina izany. Ny tranonay moa midina ambaratonga faharoa miohatra amin'ny arabe. Niakatra ny totohabato izay aho ka rehefa vitako ny ambaratonga ambany misy ny tanananay dia efa tazana ny trano ery am-pitan'ny arabe... sekoly roa (ny voalohany an'ny fanjakana, ny faharoa an'ny tsy miankina) rava tafo no mitsena ny maso. Izany no tena hoe sola ! Ny hazo taminy aza nitsingidina tety ambany koa. Nandeha tao an-dohako tao daholo ny "Andriamanitro ô..." sns. Mbola nisy ihany kay ny rivotra tany ivelany tany. Soa ihany fa nanao akanjo maro sy matevina aho raha tsy izany dia zakan'ny rivotra tokoa. Olona iray no hany mba nifanena tamiko tao anaty totohatra.
Nony tonga teo amin'ny arabe aho dia variana fa voaravaky ny vato, tapa-kazo ary vangongom-pasika ny làlana. Zara raha nisy fiara nandalo. Olona nandeha an-tongotra roa na telo ihany koa no tazako teny. "MARAINA SA HARIVA ARY IZAO ?" Mbola tsy nivaly ilay fanontaniana.
Niampita aho ary mbola mitsofoka lalan-kely indray vao tonga any amin'ny ivon-tanàna misy ireo tsena sy ahitana olona betsaka. Indreny tokoa fa nitombo isa ny olona tazako na dia tsy betsaka aza. Samy mifonofono amin'ny akanjo mafana avokoa. Misaron-doha toa ahy koa... Eny am-pita no misy ireo mpivarotra enta-madinika isan-karazany.... Mandrehitra labozia daholo ry zareo.... "AMIN'NY FIRY ARY IZAO?"... tsy sahy nanontany aho satria tsy izay loatra no tiako ho fantatra. Ny olona tsy betsaka ohatry ny isanandro... amin'izaho rehefa miantsena hariva. Ary ny maraina ? F'angaha moa izaho mpivoaka maraina be ? Dia tsy haiko izany !
Hany heriko dia nandany fotoana kely mihitsy aloha aho hijereko ny fizotry ny andro na miha-mazava na miha-maizina. Nividividy vatsy aho... (labozia, afokasoka, tsaramaso, paty zôna, biski......). Ny nahagaga koa dia tsy nahita olom-pantatra nifanatsafana aho. Soa ihany koa e ! naleoko izaho ihany no mahita ny marina ho ahy.
Nony ela ny ela dia..... HARIVA NY ANDRO ! nihamaizina tsinona. Nandeha nody malaky aho sao dia tena ho maizina tokoa ny ao an-tohatra ka ny olon-dratsy indray no hifanenàna tao. Sady sao mifoha koa ny ankizy ka ho gaga tsy hahita ahy ao.
Nivaly ihany ny fanontaniako, ningonongonona tany an-tsaiko tany aho fa hay tamin'ny 5.30 pm ilay izy. Nony tao an-trano aho, mbola natory izy ireo. Nojereko avokoa ireo famatarandro nolazaiko teny ambony fa nihodina tsara...
Hay izaho mihitsy no tratry ny tamberin'andro. Rehefa avy eo mantsy vao tena hatory sy hanonofy ao anatin'ny alina.
Hisentoako ny fahiniko 
Ka angamba tsy hotsiniko
Raha zaraiko eto androany
Izany vetsom-poko izany
???????????????????????