IO ARY ILAY VAOVAO !

Nampidirin'i tsikisariaka | 26 Mey, 2008

Lafatra e !!!!

Izay no azoko ilazana ny fahafinaretana azoko omaly. Arahabaina aloha ny Reny rehetra dia irariana soa koa ! Izaho moa teny ANTSONJOMBE no nankalaza izany nianoka ny fifaliana niaraka tamin'ny ROSSY sy ny tariny nanao fampisehoana.

Tsy dia fahita firy ny hoe fampisehoana goavana kanefa dia tsy nilahatra be nahasorena fa maromaro ireo fivarotana tapakila teny an-toerana ka ny fidirana eo am-bavahady noho ny fandaminana amin'ny fisavana ho antoky ny fandriam-pahalemana ihany no ataoko hoe nilaharana kely. Ny sakafo dia azo nisafidianana ary tsy dia lafo fa takatry ny rehetra. Tsy ferana moa ny efa nitondrana izay sahaza avy any an-trano fa fitsangatsanganana moa no atao.

Namaky lay tamin'ny kalokalo ingahy "sôtisôty", hi hi hi, i Hery Puissance io e ! dia nisesy ireo tarika nanafana ny sehatra mandram-piakatr'i GRand ! Tatsy ambadiky ny sehatra dia nisy ny fakàna sary niaraka tamin'i Paul (Rossy en personne) izay somary nilaharana ihany koa satria ifandrombahana, ny havana rahateo mandalo fotsiny ka tsy mahagaga ! ny nahasosotra dia ry zalahy mpangaro-paosy koa mba nisisika namita ny asany dia rava ilay fiaraha-maka sary e !!!!

Tamin'ny 3 ora tolakandro no niakatra ry ROSSY ary raha tsy diso aho, mbola fenofeno hatrizao ny foko (snif snif)..., dia ilay hira hoe "na dia lavitra feno fandrika aza ny làlana mandeha mankany..." no nataon'i Rossy ary dia sento niraisana no teo Antsonjombe, feno ny fon'ingahy, latsaka ny ranomasony...... tsy vitsy koa izahay tantin'ny mpijery no namafa ranomaso fa tena........ faly e ! faly fa tafahoana indray, faly fa feno rahateo Antsonjombe, faly fa hilanona tokoa. Iny dia nalefan'ingahy CARLITO sahady ny setroka fandravahana dia mba sarotsarona ilay ranomaso na dia... [Carlito io dia vazaha kely naman'i Rossy ary nanome tànana tokoa tamin'ity seho ity]

Dia nifandimby amin'izay ny tarika nanohana sy nanampy azy ! Izy, hoy aho, Rossy io an ! tena mihetsi-po foana ka nisy ny fotoana izay somary mandeha kely ny "prélude" dia miandry kely fa "ému" be ilery !!! fa tsy maninona fa "feeling" daholo izany !!! Tao ry RAMILISON, IMANGA, KOEZY, .... sns fa tsy ary voatanisa sao ananan-tsiny. Ny tsy hay hadino dia ireo tompon'ny "free style" any avaratra any, tsy hoe JIJY moa ny filaza azy ? ireny ilay ataon'ingahy Parson taloha ireny e ! Ny anaran-dreo koa tsy tsaroako fa nisy an-dRakotofika, dia i Mahazatsy moa ? sns sns. Dia nisy vehivavy anankiroa koa --- Nahafinaritra e ! 

Somary nibahan-toerana ireo ambony ireo ka nanjary betsaka ny hira tsy natao toy ilay hira nalefako iny indrindra indrindra "TSAIKY TIAKO" ! fa hoy i Rossy hoe : "mbola hisy ny manaraka" ka dia manentana sahady indray aho, fa raha tsy Antsahamanitra dia Palais des Sports alohan'ny handehan-drizareo mody !

Nony nilatsaka kely ny aizina dia nafana ny teny an-tsehatra ary dia nidoboka ny afomanga, ravo ny rehetra, hatramin'ireo izay tsy nijery fety aza nisitraka ny taratry ny afomanga ihany koa. Fa izahay tao anatiny aloha nahita afo hafa talohan'izany, isan'ny ravaka teny an-tsehatra io, afo fotsy manjopiaka e ! tsy hitako faritana fa .... tsara !

Dia ity misy mampisento mahafinaritra be, nohirain'i Marc JOLI ilay hira hoe "An"i Malala", vazaha izy fa tena misy tsirony koa ny nanaovany an'ilay hira (izaho tsy manana horonan-tsary fa inoako fa halefan'ireo naka sary tao any amin'ny fahitalavitra any izy io tsy ho ela ary ho voasingana tokoa, raha izaho aloha no misafidy e !) Fa avy eo notohizan'izy sy i Rossy ny fampiaraham-peo ka.... nahafinaritra sy tena nampisento tokoa !

Dia avy eo tsy mba briquet na labozia na taratasy dorana (toy ny mahazatra) no ravaka teny amin'ny mpijery fa namirapiratra ny jiron'ny finday rehetra !!!!!!!! alivo sary an-tsaina anie e !

.... Farany dia nidongy izahay mpijery, tsy mahafoy sahady hoe hisaraka kanefa moa ny fotoana manam-petra, ny làlana rahateo tsy maintsy hajaina, ny andro alina, ny fianakaviana miandry ka dia vita ihany.....

Izaho manokana moa dia niandry ny fifandraisan-tànana tamin'ny namana Rossy izay ankizy niara-nitombo tao amin'ny RNM tao e ! tsy diso anjara tamin'ny fakàna sary faraparany.

Izay no tadidiko aloha... Tsy mbola nahazo sary alefa eto aho fa dia aleo aloha hiomana sahady hiatrika ilay seho manaraka.

Ny vaovao farany koa dia hoe hisy isan-taona ny fampisehoana ary hisy seho lehibe toy ny Donia eto Antananarivo ka efa misy ny mpanohana namaly antso.

Ny aina no matezà sy veloma hiatrika izany e ! Dia mirary soa ROSSY a ! Tsy hadino koa i Joséphine izay Directeur Artistique an'ny tarika ROSSY, eny e ! ny Tarika iray manontolo izany e ! ampian'ny mpikarakara indrindra moa fa ny mpankafy sy ny mpijery !!!!!

 

 

AKON’NY TAOM-BAOVAO MALAGASY

Nampidirin'i tsikisariaka | 19 Apr, 2008
Tamin’ny 6 aprily 2008 no nankalazaina teny Alasora ny Taom-baovao Malagasy.

Nisy ny afo tsy maty ny alin’iny izany hoe ny faha-5 ny aprily izay nentina ihany koa nanetanana sy nanamarihana ny afon’ny soatoavina Malagasy tsy maty aom-pon’ny Malagasy.

Niavaka araka ny maha-andro fety azy ny fitafy sy firandran’ny vehivavy raha singanina. Ny sakafo dia vary amin-dronono tondrahan-tantely. Amin’ilay fomba tena Malagasy e !

Tsiahivina fa ny taom-baovao Malagasy dia mifanitsy indrindra amin’ny asara izany hoe fiakaran’ny vokatra, fiafaran’ny mosary ary izany dia natambatra tamin’ny fijerena ny volana izay voambara fa nifanitsy tamin’ny masoandro eo amin’ny antokon-kintana alahamady. Noho ny maha-alahamady manokana azy dia izay no iantsoana io andro ALAHAMADIBE. Ireo vahiny manna-kaja nasaina ka tonga dia nitondra salohim-bary avokoa ho fanamarihana ny asaramanitra.

Efa miezaka moa ireo fikambanana samihafa toy ny Trano Koltoraly mba hampahafantarana ity vanim-potoana lehibe mendrika hajaina sy omena hasina ity. Tamin’ity dia nahitana ny solon-tena avy ao amin’ny Ministeran’ny Kolon-tsaina sy ireo Masoivohon’ny firenen-kafa toy ny American.
 

BANGA IRAY NY KINTAN’NY GASY

Nampidirin'i tsikisariaka | 15 Apr, 2008
Lavo ilay andrarezina, hoy ny Ntaolo. Very ny kintana iray, hoy ny Tarika nisy azy. Torotoro  ny fon’ny Malagasy rehetra fa tsy ny Artista ihany. Ary na ireo vahiny eto an-toerana sy any am-pita aza dia tsy vitsy no nahalala an’i Romule (ROMULE RABARIVOLA). Ontsa tanteraka ny tena e ! tsy manan-kambara loatra.

“IZAHO KOSA ANEFA NAHATSAPA TAMIN’IZAY FA IZAY NO FANDAHARANA”

Vao tsy ela anefa fa tamin’ny faraparan’ny taona 2007 no noraisina ho Mpikambana tao amin’ny Havatsa Upem izy na dia efa mpiara-dia tamin’ny Fikambanana aza. Inoana sy antenaina anefa fa tsy hijanona hatreo ny lazany teo amin’ny sehatry ny kanto fa tsy maintsy hisy any aoriana any ny tsiaro ho azy, famelomana sy fanolokoloan’ny Fikambanana ny sangan’asany fa izy kosa : handry am-piadanana anie !
 Mirary fiononana feno hoan’izay mahatsapa ny fahoriana noho izao nandaozan’i Romule izao indrindra ny ankohonany.

Ho Mbarakaly - Mandram-pihaona elaela e !

Nampidirin'i tsikisariaka | 10 Apr, 2008

Mbarakaly a raha ! (fomba fiarahabana any amin'ny faritr'i Mananjary any izany ary rehefa ela tsy nihaona vao manao izany fa raha toa akakikaiky ny tsy fifankahitana dia "akory lahaly" ihany).

Izaho indray dia hiteny hoe : "ho mbarakaly si vao hifanepaka sy hikorana e !". Tsy misy aingam-panahy mielina mihitsy fa feno ny fo... tsy nahaefa nanoratra tononkalo mihitsy... tsy ho eo kely aloha fa dia hanao mandram-pihaona. Ho elaela mihitsy, ho mbarakaly.

Koa mirary soa ho an'ny rehetra e ! samy ho tahian'Andriamanitra dia hitohy anie ny fifandraisana. Hiezaka hisava blaogy aho rehefa misy irika.

 

 

TAPÔLAKA e !

Nampidirin'i tsikisariaka | 2 Apr, 2008
Raikitra àry fa ho avy ny ngezalahy amin’ny mozika ! avy any France ny lehilahy ary hanao fampisehoana anankiroa govana be :

Ny voalohany dia amin’ny Alahady 20 Aprily 2008 eny Antsonjombe
Ny faharoa kosa dia amin’ny Zoma 25 Aprily 2008 ao amin’ny Palais des Sports

Isaorana ny Media Consulting izay mikarakara izany lanonana izany izay ahitan-tsika ny Tarika Rossy manontolo (au grand complet !).
Entanina kosa isika tsy an-kanavaka izay tia fety indrindra fa ireo izay nahatsapa ny fahabangana navelan’ny Tarika Rossy hatrizay. Tongava hitapôlaka e !

Indro aloha santionany nalaina tao amin’ilay rakin-kira misy sary “Ino vaovao”, ankafizo àry ilay “TSAIKY TIAKO”- Rossy.

1 2 3 4 5 6 7  Manaraka»