IANAO TALOHA...

Nampidirin'i tsikisariaka | 28 Jan, 2010
Normal 0 21 false false false FR X-NONE X-NONE MicrosoftInternetExplorer4

Miarahaba antsika rehetra amin’izao fahatrarantsika ny taona vaovao 2010. Mbola Janoary isika ary izaho dia tena matokyfa mbola tsy tara ny fiarahabako. Mirary soa e, ho tahian’Andriamanitra avokoa. Isan’ny fomba tena malagasy tokoa izany fifampiarahabana izany ka na volana Jona aza vao mihaona dia mbola injany re ilay feo malagasy hoe « TRATRY NY TAONA E ! », « DIA SAMY HO TRATRY NY HO AVY ». Ny tsipelina tsy iadiako hevitra fa ny fomba tsy ialàna. Sa ahoana ?

Indro ny voan-dàlana kely vao mafana mba hozaraiko aminareo rehetra. Mankafiza am-pitsikiana.

 

IANAO TALOHA...

Ianao taloha tsy nojereko
Ianao taloha toa tsy nekeko
F’ankehitriny kosa toa omeko
‘Zany tsikim-pahareseko

Ianao taloha nankahalaiko
Ianao taloha novazavazaiko
F’ankehitriny kosa ankalazaiko
Hoe mpanoro ahy amin’izay tsy haiko

Ianao taloha notsinoaviko
Ianao taloha tsy notiaviko
F’ankehitriny kosa sy amin’ny ho aviko
Namako mpambomba ahy amin’ny adiko

27.01.10 – 21.45


6 Hevitra & 0 Verindrohy (trackback) amin\'ny "IANAO TALOHA..."

  1. DIa mirary soa hatrany hatrany ho @ taona ho vay rehetra e !

    Ilay olona tsy tiana taloha ve no tsaroana teo ampanaovana azy angamba ô ? Ny tarehy ratsy ihany no tsy azo ovàna. Misaotra e !

    Nampidirin'i Kdaombaramita 28 Jan 2010, 18:38
  2. Ohatr'izay tokoa ry kidaombaramita e ?
    Ary sao dia tsy hoe tsaroana fa resahina mihitsy ?
    Na koa momba anao ilay nilaza fa tsy taitra taminy kinanjo kay taralila ihany, ianao an ! tadidiko iny dia nosoratako.

    Nampidirin'i tsikisariaka 28 Jan 2010, 19:38
  3. tiako ianao no sady halako
    fa mangidy koa no mamiko
    fahavaloko malalako
    samy anaranao raha amiko

    ... tsy dia mifanandrify loatra nefa toa hoatrahoatra izay ihany e ?

    Nampidirin'i ikalamako 29 Jan 2010, 01:27
  4. taloha mihitsy no halany fa nanjary tiany, manova ny andro sy ny volana e ! ary amin'izao dia tsy ahitany pentina toy ny taloha satria efa tiany ko ! tsy halany mihitsy raha tsy hoe manondrana angaha dia miverina amin'ny taloha dia lasa hoe
    IANAO ILAY TSY TIAKO
    NANJARY FIKO
    FA IZAO INDRAY HARIAKO
    ......

    Nampidirin'i Tsikisariaka 29 Jan 2010, 07:03
  5. Raha nalaliniko tsara ilay izy dia sendra nanoro hevitra tsara ("Hoe mpanoro ahy amin’izay tsy haiko" "Namako mpambomba ahy amin’ny adiko") ho anao izy dia nanjary nankafizinao fa tsy araka ilay noeritreretinao, izany hoe niova ny fijerinao azy ! Lasa conseillère perso ilay olona, tena 180° anie izany hodina izany e :))

    Nampidirin'i kdaombaramita 29 Jan 2010, 08:31
  6. ha ha ha ! lalin-tsaina ity kdaombaramita ity an ! 180° mihitsy, ka tena halany, tsy tiany, tsy tao anaty kajy mihitsy kanjo toa nanjary nahasoa... azy.
    Misaotra indrindra anao. Mahery koa mantsy ny tenindrazako e ! mahay milaza, mahay manafina, mahay miangola, mahay ... mahay e !

    Nampidirin'i Tsikisariaka 29 Jan 2010, 18:40
Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article

 This is the ReCaptcha Plugin for Lifetype