TSODRANO HO AN'ILAY VAVITOKANY

Nampidirin'i tsikisariaka | 16 Nov, 2009
  Ry Rova kely, ry sombinaiko,
Sahirana ery ho’aho ny saiko
Tojo izao… androm-pifaliana
Hirosoanao am-panambadiana

Mbola tsaroako ny fahizay
Ianao vao nianatra niteny
Nibadabada niantso ahy
Niantsampy tamin’i Neny

Nototoranay fitia
Ilay hany lavitra sahala
Nezahanay mba tsy halia
Saingy iarahana mahalala

Fa misy anjara tsy azo lavina
Misy fo tandrify anao
Ifanoloranao fitiavana
Ka dia tojo amin’izao

Eny anaka, lasa ianao
Ny foko injao mamelovelo
Ataoko ahoana ny hinia
Tsy haneho ny alahelo ? (….)

Ry vavitokana tsy foiko
Hikopak’elatra handeha
Sitrako ary koa inoako
Fa ianao… ho rehareha

Ka hamelo-maso hatrany
Ny anaran-dray sy reny
Tsy hadinonao na dia any
Ireo anatra… sy teny

Hoentinao hikolokolo
Ilay tokantrano vao
Hampitsiky, hamelom-bolo
An’i Andry vadinao

Efa nekenay handray anao
Sy irinay mba hampateza
Izay ho fifaliam-ponao
Ry Rova Mialy Zo Maneva

Be ny vetsom-po tsy tàna
Fifaliana arahin-tsento
Fa mahery ny tso-drano
Atolotray manomboka eto

Mahaleova, mahalasàna
Ry sombinaina mamy indrindra
Maharena tokantrano
Be fitia sy tsara rindra

Thina 23.07.09

 


15 Hevitra & 0 Verindrohy (trackback) amin\'ny "TSODRANO HO AN'ILAY VAVITOKANY"

  1. Nipenimpenina ery ilay Ray fa handeha hanorin-tokantrano hoe ilay zanany vavitokana. Mba te-haneho ny fihetseham-pony anatrehan'ny besinimaro izy ka nandrafetako io tononkalo io. Vinanio anie ny ranomasony maneho ny hafaliana sy ny sento mifangaro tamin'ilay andro iray teo am-panaovana "ilay tsodrano"!

    Nampidirin'i Tsikisariaka 16 Nov 2009, 08:03
  2. eee, akory atao fa zay ro lalam-piainana. Mbola handalo eo isika dia hahatsiaro azy - lollll (efa misy sopapa vonona ato zany @ zay :P)

    Nampidirin'i ikalamako 16 Nov 2009, 09:58
  3. aoka re r'ikalamako a !
    vao niaka-taona ny tovovaviko sy nahalala izany fitiavana izany dia henoko nisintaka moramora koa ilay fitian-jazakely ! fa dia izay moa ny fiainana. Soa fa vosoratra ao amin'ny bokin'ny fiainako ny fisiany ary tsy ho voakosoky ny fizarana (épisode) vaovao rahateo ny momba anay.
    Tsy maintsy ho avy io andro handehanany io ! efa vonona aho ka !

    Nampidirin'i tsikisariaka 16 Nov 2009, 10:09
  4. Nahalahehibe anaka zany i tsikisariaka !Ohatrany hitako raha ny lahy be-ko ato no handeha !hummmm ,soa mbola misy taona elaela ! :-)

    Nampidirin'i fahamarinana 16 Nov 2009, 10:24
  5. Soa ihany ny zanako fa lahy :-)

    Dia arahabaina i Rova (Rova be fa manja kely foana) sy nareo ray amandreniny

    Nampidirin'i Hery 16 Nov 2009, 10:52
  6. Ndryyyyy, io tkou ilay andro mahafaly sy mampalahelo an'ireo RAD e !!
    Miarahaba an'i Rova Mialy sy Andry zany kou, ...

    Nampidirin'i mmmhh 16 Nov 2009, 11:15
  7. faha : héhé vetivety ange zay dia tonga e, ary mitovitovy ihany ny départ na lahy na vavy klé, sa ????
    hery : misy mahasamihafa azy loatra ve ? Toa ny fon-dray sy ny fon-dreny mamoaka zanaka no samihafa fa tsy dia ny zanaka avoaka loatra k'ity. Asa anefa, iaho tsary manana lahy hihihi.
    Raha maditra izy aloha dia tena hoe ndeha @ zay manambady any fa reraka aho !!!

    Nampidirin'i ikalamako 16 Nov 2009, 12:03
  8. ôôô, tsara be izany !

    Nampidirin'i Kdaombaramita 16 Nov 2009, 14:40
  9. o ry Fahamarinana a ! efa nahalehibe tokoa aho fa mbola tsy niainga e !
    io Rova io zanaky ny namana (jereo ny hevitra nampidirina voalohany etsy ambony).Inoako fda handalo eto amin'ity blaogy ity ny RAD mba haneho hevitra.
    Ny an'i Hery mbola rahoviana fa dia araraoty ilay "fitian-jazakely " e!

    Nampidirin'i tsikisariaka 16 Nov 2009, 15:05
  10. Handeha ianao ry zanako vavy, lehibe ianao izao e! Lalam-piainana izany dia mirary soa e!

    Nampidirin'i maeva74 18 Nov 2009, 17:55
  11. izay RAD rehetra moa izany afaka maneho hevitra. ny tanora koa e ! fa izay ihany araraoty ny fotoana indrindra ny hatanorana fa rehefa antitra eo anie ho be ny tanora .... nefa ny ataovy amin'ny tsara sy ny rariny ary antonony manko e !

    Nampidirin'i tsiks 09 Des 2009, 07:05
  12. izay RAD rehetra moa izany afaka maneho hevitra. ny tanora koa e ! fa izay ihany araraoty ny fotoana indrindra ny hatanorana fa rehefa antitra eo anie ho be ny tanora .... nefa ny ataovy amin'ny tsara sy ny rariny ary antonony manko e !

    Nampidirin'i tsiks 09 Des 2009, 07:14
  13. izay RAD rehetra moa izany afaka maneho hevitra. ny tanora koa e ! fa izay ihany araraoty ny fotoana indrindra ny hatanorana fa rehefa antitra eo anie ho be ny tanora .... nefa ny ataovy amin'ny tsara sy ny rariny ary antonony manko e !

    Nampidirin'i tsiks 09 Des 2009, 07:14
  14. 不倫
    熟女
    人妻
    知り合いの人妻
    完全無料出会い系
    競馬 情報商材
    投資信託
    FX情報商材
    馬柱
    現金化

    Nampidirin'i tanaka 23 Des 2009, 09:29
  15. congrats ! you are one of the BOMS!
    Félicitations vous êtes parmi les BOMBS!
    Aharabaina fa anisan'ny BOMBS ianao!
    http://www.bestofmalagasyblogs.com/les-bombs-sont-laches/

    Nampidirin'i Jogany - The Cool admin at Best of Malagasy Blogs 04 Jan 2010, 08:05
Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article

 This is the ReCaptcha Plugin for Lifetype