Nodimandry izay namana izay....

Nampidirin'i tsikisariaka | 26 Okt, 2009
 
NILAOZANY…  

“Tsy vitan’ny nilaozanao teto an-tany fandalovana
‘Zany foko mitoreo, toran’ireo fahatsiarovana
Tonga teto mihitsy aho fa ianao hono efa lasana
Nizotra niankandrefana any ‘ndeha hamonjy ‘zato fasana”  

Izany sisa vetsovetso naverimberiko tan-tsaina
Tsy afa-nitomany akory, tao am-po no nitaraina
Hoe miangatra ny lanitra, misompatra e itony tany
Dia nindaosiny mandrakizay nentiny any lavitra any  

Ilay niarahana nitafa, ilay namana tsy foy
Ilay zokibe mpanambitamby, mpanoro làlana mpivoy
Irony lakan-tsikitsiky, laroim-bazo tsy hita fetra
Foana izany ankehitrio, tsiaro sisa izay rehetra…

Thina A.
(Antanimena, 14.10.09)

9 Hevitra & 0 Verindrohy (trackback) amin\'ny "Nodimandry izay namana izay...."

  1. Mahereza njy !!!

    Nampidirin'i ikalamako 26 Okt 2009, 11:08
  2. Misaotra akia ikalamako a !

    Nampidirin'i Tsikisariaka 26 Okt 2009, 17:18
  3. Mankasitraka e!Tsara sy kanto ilay tonokalo
    Mahereza!
    Maeva74

    Nampidirin'i maeva74 26 Okt 2009, 17:47
  4. Misaotra Maeva !
    Andrianiko hatrany ny teniko, tenintsika, tenindrazantsika e ! sa ahoana ?

    Nampidirin'i Tsikisariaka 27 Okt 2009, 11:12
  5. Mankasitraka ny tononkalonao na dia mampalahelo aza.
    Mahereza

    Nampidirin'i mangamaso 27 Okt 2009, 12:04
  6. Misaotra ry Mangamaso a ! tsy hita fa raiketina an-tsoratra ny aingam-panahy mandalo e ! ary iny rahateo zava-nisy niainana marina !
    Izaho rahateo elaela tsy nitoraka blao-gy e ! dia mba mizara ny zava-misy sy ny talenta kely.
    Mankasitraka e !

    Nampidirin'i Tsikisariaka 27 Okt 2009, 12:25
  7. Dia mahereza tokoa fa inoako fa isan'ny mafy izany !Kanto ilay Tonokalo ,mahalaza ilay finamana teo aminareo !

    Nampidirin'i fahamarinana 31 Okt 2009, 20:38
  8. Fahamarinana araka ny anaranao izay voalazanao.
    Mankasitraka e !

    Nampidirin'i Tsikisariaka 01 Nov 2009, 08:54
  9. 不倫
    熟女
    人妻
    知り合いの人妻
    完全無料出会い系
    競馬 情報商材
    投資信託
    FX情報商材
    馬柱
    現金化

    Nampidirin'i たなか 23 Des 2009, 09:31
Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article