Ho Mbarakaly - Mandram-pihaona elaela e !

Nampidirin'i tsikisariaka | 10 Apr, 2008

Mbarakaly a raha ! (fomba fiarahabana any amin'ny faritr'i Mananjary any izany ary rehefa ela tsy nihaona vao manao izany fa raha toa akakikaiky ny tsy fifankahitana dia "akory lahaly" ihany).

Izaho indray dia hiteny hoe : "ho mbarakaly si vao hifanepaka sy hikorana e !". Tsy misy aingam-panahy mielina mihitsy fa feno ny fo... tsy nahaefa nanoratra tononkalo mihitsy... tsy ho eo kely aloha fa dia hanao mandram-pihaona. Ho elaela mihitsy, ho mbarakaly.

Koa mirary soa ho an'ny rehetra e ! samy ho tahian'Andriamanitra dia hitohy anie ny fifandraisana. Hiezaka hisava blaogy aho rehefa misy irika.

 

 


10 Hevitra & 0 Verindrohy (trackback) amin\'ny "Ho Mbarakaly - Mandram-pihaona elaela e !"

  1. misaotra e!

    Nampidirin'i news2dago 10 Apr 2008, 14:14
  2. eto ihany akia izahay rehefa mba misy hirika kely hitsidihana a !
    Mahavità be an !

    Nampidirin'i ikalamako 10 Apr 2008, 15:49
  3. adios amigos!

    Nampidirin'i simp 10 Apr 2008, 19:49
  4. Mbarakaly ary é!

    Nampidirin'i DadaRabe 11 Apr 2008, 00:23
  5. Salama daholo ry namako isany a ! Mandalo kely dia mandrangotra.

    Misaotra daholo dia soava e !

    Sento alefa fotsiny mikasika ilay fampisehoana saika hataon'ny namana Rossy, tena nofoanana mihitsy "hono" aloha ! mampalahelo e ? Izaho mieritreritra hoe : "fa dia tena atahorana ve ny 'bavures' sa ahoana ?". Mbola any a-kibon'ny omby ny fanemorana ilay izy fa dia foana aloha no mazava be hatreto. Soa ihany izy fa mbola tsy niainga tany.

    Aza kivy ry Rossy a ! "Mbola ho avy ilay maraina" hoy ilay hira e !

    Mandram-pahatonga an'izay dia aleo aloha hanala azy any amin'i Mika sy Davis eny Antsahamanitra amin'ny Alahady hariva ! mba tongava maro koa an !

    Nampidirin'i Tsikisariaka 11 Apr 2008, 07:49
  6. Tena mba tsy mety kosa ny ataon'ny ministera kah! efa ravana ny FMF de aveo koa foanana ny concert.Fa matahotra inona e?
    Mahereza ry Rossy fa fombany io an! Ny enjehina any aloha fa tsy any aoriana.Aza manaiky lembenana fa mahazaka tsika na ho vy na ho vato e!

    Nampidirin'i MikaSoa 11 Apr 2008, 11:56
  7. Mazotoa tsikisariaka a !

    Simp : tsssss :-w :-w :-w

    Nampidirin'i pissoa 11 Apr 2008, 14:35
  8. Misaotra e ! dia mazotoa koa.

    Nampidirin'i Tsikisariaka 11 Apr 2008, 15:15
  9. Misaotra Pissoa a ! mirary soa indrindra.

    Nampidirin'i Tsikisariaka 11 Apr 2008, 15:15
  10. okay daholo e !
    mandalo kely eto izahay sy i Rhya dia mba manoratra !

    Nampidirin'i tsikisariaka 30 Apr 2008, 14:28
Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article